Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Mey: Mampianatra Antsika mba Hiaina ny Filazantsara Naverina tamin’ ny Laoniny ireo Mpampinany


Mey

Mampianatra Antsika mba Hiaina ny Filazantsara Naverina tamin’ ny Laoniny ireo Mpampinany

“Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1 sy 2: Mitarika ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ i Jesoa Kristy ny mpaminany velona.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary sy manao kilalao): Mampisehoa sarin’ ny mpaminany velona iray. Mangataha ankizy maromaro mba hifandimby hitarika ny ankizy ao amin’ ny Kilonga amin’ ny alalan’ ny fanaovana fihetsika tsotra toy ny mitsambikina tongon-dovia na mitehaka. Tondroy ny sarin’ ny mpaminany ary hazavao fa izy no Filohan’ ny Fiangonana ary tokony hanaraka izay asainy ataontsika isika. Anontanio hoe: “Iza no arahin’ ny mpaminany?” Mampisehoa sarin’ i Jesoa Kristy iray ary hazavao fa ny mpaminany dia miasa eo ambany fiahiany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny fampianaran’ ny mpaminany): Asehoy ny ankizy ny laharan’ ny Ensign na Liahona misy ny fihaonambe farany indrindra. Hazavao fa mandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia mampianatra ny zavatra tian’ i Jesoa Kristy hataontsika ny mpaminany. Mifantena fehezanteny avy amin’ ireo lahatenin’ ny mpaminany ary asao ny ankizy mba hamaky azy ireo mafy. Miaraha manao lisitra an’ ireo zavatra izay azon’ ny ankizy atao mba hanarahana ny mpaminany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary): Omeo taratasy iray ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hamoritra roa an’ izany. Angataho izy ireo mba hanao ny sarin’ ny mpaminany eo amin’ ny tapany ilan’ ilay taratasy ary hanoratra na haneho an-tsary ny fomba iray hanarahan’ izy ireo ny mpaminany eo amin’ ilay tapany ilany hafa. Asao ny ankizy mba hitsangana sy hitazona ny sariny rehefa hirain’ izy ireo ny hoe: “Suis les prophètes” (CPE, 58–59).

Ho an’ ny herinandro 2 dia ampianaro zavatra izay nampianarin’ ny mpaminany nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana farany ny ankizy. Rehefa mandrindra ireo asa ho atao ianao dia diniho ny fomba ahafahanao mampahafantatra ny fampianaran’ ny mpaminany sy manampy ny ankizy hahatakatra izany ary hampihatra izany eo amin’ ny fiainany.

Herinandro 3: Mampianatra ahy handoa ny fahafolonkarena ny mpaminany.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mamaky soratra masina iray ary mamaky tantara iray): Hazavao fa i Malakia dia mpaminanin’ ny Testamenta Taloha izay nampianatra ny olona mba handoa ny fahafolonkarenany. Mangataha ankizy iray hamaky ny Malakia 3:10 eo am-pihainoan’ ireo ankizy hafa kosa ny zavatra ampanantenain’ ny Tompo antsika raha toa ka mandoa ny fahafolonkarena isika. Hazavao fa ny hoe: “hovahako ny varavaran’ ny lanitra” dia ilazana an’ ireo fitahiana azontsika rehefa mandoa fahafolonkarena isika.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana): Manasà ankizy 10 handroso eny aloha. Omeo paoma (na voankazo hafa) tsirairay izy ireo ary angataho izy ireo mba hitazona ny paomany dia mody manao hoe foto-kazon’ ny paoma. Asaivo misy ankizy iray “maka” an’ ireo paoma ary mametraka azy ireo ao anaty harona. Hazavao fa ny fahafolonkarena dia iray ampahafolon’ izay miditra amintsika ary matetika vola no handoavana azy, saingy nisy fotoana nandoavan’ ny olona izany tamin’ ny alalan’ ny zavatra izay nananany. Anontanio hoe firy ny paoma homen’ ilay ankizy an’ ilay eveka ho fahafolonkarena.

Sary
mody maka paoma ny ankizy

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ny fahafolonkarena): Mampisehoa taratasy fandoavana fahafolonkarena iray ary valopy. Resaho ny dingana arahina eo amin’ ny fandoavana fahafolonkarena. Asao ny ankizy hizara ny nitahiana ireo fianakaviany tamin’ ny alalan’ ny fandoavana fahafolonkarena. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana azo avy amin’ ny fankatoavana ny torohevitry ny mpaminany mba handoa ny fahafolonkarena.

Herinandro 4: Mampianatra ahy mba hiaina ny Tenin’ ny Fahendrena ny mpaminany.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mamaky soratra masina): Angataho ny ankizy hilaza aminao mikasika ny fotoana iray izay nampitandreman’ ny ray aman-dreniny azy ireo mikasika ny loza iray. Anontanio azy ireo ny antony hampitandreman’ ny ray aman-dreniny azy ireo. Hazavao fa tia antsika ny Ray any an-danitra ary mampitandrina antsika mikasika an’ ireo loza amin’ ny alalan’ ny mpaminaniny. Mangataha ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4, ary asaivo henoin’ ny ankizy ny anarana iantsoana izany fampitandremana izany. Hazavao fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray izany fampitandremana izany, dia ny Tenin’ ny Fahendrena ho toy ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Alohan’ ny fotoan’ ny Kilonga, dia apetaho ao ambanin’ ny seza samihafa ny taratasy misy ireto soratra masina manaraka ireto: F&F 89:7, F&F89:8, F&F 89:9, F&F 89:10, F&F 89:12, F&F89:16. Hazavao fa ny Ray any an-danitra dia nanome antsika vatana ary tiany ny hikarakarantsika izany. Nanome ny Tenin’ ny Fahendrena izy mba hanampiana antsika hahafantatra ny zavatra hanampy ny vatantsika sy ny zavatra hanimba azy. Angataho ny ankizy hijery ao ambanin’ ny sezany mba hahitana ireo andinin-tsoratra masina. Asao ny ankizy tsirairay izay mahita soratra masina mba hamaky mafy izany. Resaho ny dikan’ ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Hazavao fa ny hoe “zava-pisotro mahery” dia ny toaka ary ny “zava-pisotro mahamay” dia kafe sy dite.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (milalao kilalao): Mametraha karazan-tsarin’ ny sakafo, zava-pisotro ary zavatra hafa izay tsara na ratsy ho an’ ny vatana ao anatin’ ny harona iray. Manasa ankizy iray hifidy sary avy ao amin’ ilay harona sy hampiseho izany amin’ ny ankizy hafa. Angataho ny ankizy mba hanokatra ny vavany raha toa ka tsara ilay zavatra ary hanakombona ny vavany raha toa ilay zavatra ka ratsy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 ary resaho ny mikasika ireo fitahiana izay azontsika rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany mba hiaina ny Tenin’ ny Fahendrena isika.

Sary
ankizy mijery sary

Ny ankizy dia afaka mianatra amin’ ny alalan’ ny fanaovana asa sy fanaovana fihetsika mahafinaritra nefa mbola afaka mihazona ilay toetra feno fanajana ihany.

Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira

Azo atao ho hiran’ ity volana ity ny hoe: “Misaotra Anao noho ny Mpampinany” (Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, pejy 72-73). Ireto manaraka ireto dia hevitra vitsivitsy azo ampiasaina hampianarana hira. Na dia taratasy lavalava misy teny aza no ampiasaina eto amin’ ity ohatra ity dia azo ampiasaina hampianarana ny ankizy kely ny hira sasantsasany aseho an-tsary.

Soraty eo amin’ ny taratasy lavavala miloko samihafa ny fehezanteny tsirairain’ ny hira (na soraty amin’ ny loko samihafa ny fehezanteny tsirairay). Zarao roa ny fehezanteny tsirairay. Ampiasao izay mety amin’ ireto fomba manaraka ireto mba hampianarana ilay hira:

  1. Apetraho eny rehetra eny ao anatin’ ny efitrano fotsiny ireo taratasy lavalava. Avelao ny ankizy vitsivitsy mba handamina ireo fehezanteny araky ny filaharany marina ary mamerimberina ilay hira ianao sy ny ankizy. Hirao ary ifanalalozy hevitra ny fehezanteny tsirairay, dia hirao ilay hira iray manontolo avy eo.

  2. Atombohy amin’ ireo taratasy lavalava mipetraka eo amin’ ny solaitrabe izany. Hirao amin’ ny ankizy ilay hira. Mangataha ankizy iray hanala taratasy lavalava iray ary hirao indray ilay hira. Avereno izany mandrapialan’ ireo taratasy lavalava rehetra.

  3. Apetraho eo amin’ ny solaitrabe ny ampahany voalohan’ ny fehezanteny tsirairay araky ny filaharany marina ary apetraho eo amin’ ny solaitrabe ny ampahany faharoa saingy amin’ ny endriny mikorontana. Hirao ny ampahany voalohan’ ny fehezanteny ary angataho ny ankizy mba hitady ny ampahany faharoan’ ilay fehezanteny sy hanazava ny dikan’ ilay fehezanteny.

  4. Zarao ho vondrona roa ny ankizy. Asaivo mihira ny ampahany voalohan’ ny fehezanteny tsirairay ny vondrona iray ary ilay vondrona iray hafa mihira ny ampahany faharoa. Ampifamadiho ny zavatra ataon’ ireo vondrona roa ary avereno indray.

Sary
taratasy lavalava

Misy taratasy lavalava misy teny azo alaina ao amin’ ny sharingtime.lds.org