Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Martsa: I Jesoa Kristy No Mpamonjy Antsika


Martsa

I Jesoa Kristy No Mpamonjy Antsika

“Henoinareo ireto teny ireto. Indro, Izaho no Jesoa Kristy, ny Mpamonjy izao tontolo izao” (F&F 43:34).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nampianatra ny filazantsara i Jesoa Kristy ary naneho ohatra ho antsika.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira): hirao miaraka imbetsaka ny “La tête, les épaules, les genoux, les pieds” (Chants pour les enfants, 129) ka manasa ankizy samihafa hisafidy izay fihetsika atao. Hazavao fa rehefa manaraka ny fihetsiky ny hafa isika dia manaraka ny ohatra asehony. Anontanio hoe iza no naneho ohatra tonga lafatra tamintsika mba ho arahina (Jesoa Kristy). Asao ny ankizy hiaraka hiteny hoe: “Naneho ohatra ho antsika i Jesoa Kristy.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Apetraho eo amin’ ny solaitrabe ireto zava-niseho manaraka ireto: I Kristy natao batisa, i Kristy miaraka amin’ ny ankizy, i Kristy mivavaka, ary i Kristy mampianatra. Iaraho mamaky ny iray amin’ ireto soratra masina manaraka ireto ary angataho ny ankizy mba hanazava ny zavatra ampianarin’ i Kristy ao amin’ izany soratra masina izany: Marka 16:15; Jaona 13:34–35; 3 Nefia 11:37; 3 Nefia 18:19. Tondroy moramora ny sary tsirairay ary asao ny ankizy hitsangana rehefa tondroinao ilay iray izay tena maneho tsara an’ i Kristy manao ilay zavatra nampianariny antsika fa tokony hatao ao amin’ ilay soratra masina novakianareo. Avereno amin’ ireo soratra masina ambiny izany.

Sary
mpampianatra manondro ireo sary

Mora maneho fanajana kokoa ireo ankizy rehefa mirotsaka mandray anjara eo amin’ ny fianarana. Ao amin’ ity asa atao ity dia hanampy ny ankizy hifantoka tsara kokoa ny fampitsanganana sy fampipetrahana azy ireo amim-panajana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary): Omeo taratasy ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hanao sarin’ ny tenany manaraka ny ohatra nasehon’ i Kristy. Ohatra, afaka manao ny sariny atao batisa ny ankizy iray na mampianatra ny filazantsara amin’ ny namana iray na manampy olona iray. Manasa ankizy vitsivitsy mba hizara amin’ ireo ankizy hafa ny sariny ary amporisiho izy ireo mba hizara ny sariny amin’ ny fianakaviany.

Herinandro 2: Afaka mibebaka sy miaraka miaina amin’ Andriamanitra indray aho noho ny Sorompanavotan’ i Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mameno ny banga): Alohan’ ny hanombohan’ ny fotoan’ ny Kilonga dia soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Afaka __________ sy miaraka miaina amin’ __________ indray aho noho ny _________ i Kristy.” Soraty amin’ ny taratasy lavalava misaraka tsara ny teny hoe: Sorompanavotana, mibebaka, sy Andriamanitra ary apetraho ao ambanin’ ny seza telo ao amin’ ny efitrano. Asao ny ankizy mba hitady ireo taratasy lavalava ireo ary hametraka izany eny amin’ ny toerana tokony hisy azy eny amin’ ny solaitrabe. Iaraho mamaky ilay fehezanteny.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina sy mamaly fanontaniana): Asio sarin’ i Kristy tao Getsemane sy ny Fanomboana eo amin’ ny solaitrabe. Sarony amin’ ny alalan’ ny tapa-taratasy kely maro ny sary. Soraty eo amin’ ny tapa-taratasy tsirairay ny fanontaniana iray momba ny zava-niseho ao amin’ ireo sary sy soratra masina iray avy ao amin’ ny Matio 26–27 na Lioka 22–23 izay ahafahana mahita ny valiny. (Ohatra: Inona no anaran’ ilay toerana izay nandehanan’ i Jesoa nivavaka? Matio 26:36.) Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy ary angataho ny vondrona tsirairay mba hijery ny iray amin’ ireo soratra masina ary hitady ny valin’ ny fanontaniana. Asaivo mizara ny valim-panontaniany ireo vondrona ary manala ireo tapa-taratasy mifandray amin’ izany mba hampisehoana ilay sary.

Sary
ankizy mamaky soratra masina

Mba handrindrana ny fanaovana famakiana soratra masina ho an’ ny ankizy kely kokoa dia angataho izy ireo mba hihaino rehefa mamaky ianao ary dia asaivo mitsangana izy ireo rehefa maheno teny na andian-teny iray miavaka.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mijery lesona iray ampiasana zavatra azo tsapain-tanana): Resaho miaraka amin’ ny ankizy ny dikan’ ireo teny hoe: Sorompanavotana sy fibebahana, ary hazavao ny fomba ahafahan’ ny Sorompanavotana mitahy antsika (jereo ny True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 14–20, 132–35). Ampisehoy fanomezana iray ny ankizy. Angataho ny ankizy iray mba hanandrana ny hanome ilay fanomezana ho an’ ny ankizy iray hafa ary angataho io ankizy faharoa io mba handa ny handray izany. Hazavao fa rehefa tsy mandray fanomezana izay nomena antsika isika dia tsy afaka ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ ilay fanomezana. Asaivo mihaino ireo zavatra tsy maintsy ataony ny ankizy mba hahazoana ilay fanomezan’ ny Sorompanavotana rehefa miaraka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16 ianareo.

Herinandro 3: Noho i Jesoa nitsangana tamin’ ny maty dia hitsangana koa aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihaino tantara iray): Ampiasao ny sary avy ao amin’ ny pejy 123 ao amin’ ny boky fampianarana ho an’ ny zaza madinika (jereo ireo torolalana ao amin’ ny pejy 121) mba hitantarana ny tantaran’ ny Fitsanganana tamin’ ny maty (jereo ny Jaona 19:41–42; 20:1, 11–18). Hazavao fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa Kristy dia nitambatra ny vatany sy ny fanahiny ary izany dia nanome fahafahana ny olona tsirairay hitsangana amin’ ny maty. Asaivo milaza ny ankizy hoe: “Noho i Jesoa nitsangana tamin’ ny maty dia hitsangana koa aho.”

Amporisiho ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra tsapa): Tanisao eo amin’ ny solaitrabe ireo teny izay mamaritra ny mety ho zavatra tsapan’ ireo mpianatra tamin’ ny andro nahafatesan’ i Jesoa (toy ny hoe fahoriana, alahelo, ary hakiviana). Asaivo manolotra ny teny mifanohitra amin’ ireo teny ireo ny ankizy (toy ny hoe hafaliana, fanantenana, ary finoana), ary soraty eo amin’ ny solaitrabe izy ireo. Hazavao fa ireo zavatra ireo no tsapan’ ireo mpianatra rehefa nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa. Ifanakalozy hevitra ireo fitahiana izay avy amin’ ny fahafantarana fa hitsangana amin’ ny maty isika (jereo ny Isaia 25:8; Almà 22:14).

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara ny zavatra tsapa): Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Feno fankasitrahana aho fa nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa Kristy satria …” Manasà mpikambana iray ao amin’ ny paroasy izay nanana olon-tiana efa nodimandry mba ho tonga ao amin’ ny Kilonga ary hizara ny antony mahafeno fankasitrahana azy noho ny Filazantsara. Anontanio ny ankizy raha mahafantatra olona efa maty izy ireo ary asao izy ireo mba hanakimpy ny masony sy hieritreritra an’ izany olona izany. Manasa ankizy vitsivitsy mba hitsangana ary hameno ilay fehezanteny eny amin’ ny solaitrabe ary hizara ny dikan’ ny Fitsanganana amin’ ny maty amin’ izy ireo.

Herinandro 4: I Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mifanakalo hevitra momba ny teny hoe “Mpamonjy”): Mampisehoa zavatra na sary vitsivitsy izay ahitana olona mety hamonjy ny fiainantsika (toy ny dokotera, pôlisy na mpamonjy aina), ary ifanakalozy hevitra ny fomba mety hamonjeny antsika. Mampisehoa sarin’ i Jesoa iray ary hazavao fa Izy no hany manana ny hery hamonjena antsika amin’ ny vokatra mandrakizain’ ny fahafatesana sy fahotana. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “I Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika,” ary vakio miaraka amin’ ny ankizy izany, ka hamafiso ny teny hoe: “Mpamonjy.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara avy ao amin’ ny soratra masina): Itantarao tantara vitsivitsy avy ao amin’ ny soratra masina mikasika ireo olona izay voavonjy tamin’ ny fahotana tamin’ ny alalan’ ny Mpamonjy ny ankizy (ohatra, i Almà Zandriny [jereo ny Almà 36:6–24], Enôsa [jereo ny Enôsa 1:1–8], Zezrôma [jereo ny Almà 15:3–12], ny rain’ i Lamônia [jereo ny Almà 22:1–26], na ilay lehilahy nentina teo amin’ i Jesoa [jereo ny Lioka 5:17–26]). Hazavao fa amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia azo vonjena amin’ ny fahotana isika. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika ary manasà ankizy vitsivitsy hijoro ho vavolombelona momba Azy.