Scripture Stories
Toko 10: Ny fahagagana voalohany tao amin’ny Fiangonana: aprily 1830


Toko 10

Ny fahagagana voalohany tao amin’ny Fiangonana

Aprily 1830

Sary
batisa
Sary
Vahoaka manatrika fivoriam-piangonana

Tamin’ny alahady 11 aprily 1830 ny fivorian’ny Fiangonana manaraka. Ankoatra ireo mpikamban’ny Fiangonana dia maro ireo olona hafa nanatrika ilay fivoriana.

Sary
I Oliver mampianatra ny filazantsara

Nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Oliver Cowdery. Nino an’i Oliver ny sasany tamin’ireo olona ka naniry ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Natao batisa izy ireo taorian’ilay fivoriana.

Sary
I Newel Knight

Tsy tian’i Satana hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona ka niezaka ny tsy hampahazo aina azy ireo izy. Iray tamin’ireo olona ireo i Newel Knight.

Sary
I Newel Knight nangatahina mba hivavaka

Nangatahin’i Joseph mba hivavaka nandritra ny fivoriana iray i Newel, dia niteny i Newel fa hanao izany.

Sary
I Newel Knight sahirana nivavaka

Tsy tian’i Satana hivavaka i Newel. Rehefa nandeha tany amin’ilay fivoriana i Newel dia nilaza izy fa natahotra ny hanao vavaka amin’ny feo mafy.

Sary
I Newel Knight miezaka mivavaka

Ny ampitso marainan’izay dia nandeha tany an’ ala i Newel Knight mba hanao vavaka samirery. Niezaka nivavaka i Newel, saingy tsy tian’i Satana hanao izany izy, dia tsy afaka niteny izy. Nanjary narary sy natahotra izy, ka nandeha nody.

Sary
I Joseph manome tsodrano an’i Newel

Natahotra momba azy ny vadin’i Newel ka nangataka an’i Joseph Smith mba hanampy. Nampiasa ny fisoronana i Joseph hitsofan-drano an’i Newel sy handroahana an’i Satana. Nihasalama i Newel rehefa vita ilay tsodrano. Natao batisa izy taty aoriana.