Scripture Stories
Toko 30: Fanambarana iray momba ny ady: 25 desambra 1832


Toko 30

Fanambarana iray momba ny ady

25 desambra 1832

Sary
Trano fonenana mandritra ny ririnina
Sary
Olomasina miahiahy

Maro ireo olona natao batisa tao amin’ny Fiangonana. Nahatonga azy ireo ho faly ny filazantsara, kanefa natahotra izy ireo momba ireo zavatra izay nitranga teo amin’izao tontolo izao.

Sary
Trano mirodana

Nisy horohoron-tany sy ady nitranga tamin’ny toerana maro.

Sary
Olona tsy mifanaraka hevitra

Nisy zavatra nampalahelo ihany koa nitranga tao Etazonia. Naniry ny tsy ho ao amin’ny firenena ny olona sasany. Naniry ny hanana ny mpitarika azy ireo manokana izy ireo.

Sary
I Joseph mandray fanambarana

Tamin’ny Andro Noely 1832 dia nanome fanambarana iray momba ny ady an’i Joseph Smith i Jesoa.

Sary
Lehilahy miady mandritra ny Ady an-trano (Guerre Civile)

Nilaza i Jesoa fa hifamono ao anatin’ny ady iray ny olona ao Etazonia. Tanteraka io faminaniana io rehefa nanomboka ny Ady an-trano amerikana tokony ho 30 taona taty aoriana.

Sary
miaramila

Nanambara ihany koa i Jesoa fa hisy ady any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao. Maro ny olona hamoy ny ainy, ary hisy alahelo mahatsiravina. Nilaza i Jesoa fa tokony ho mahatoky ireo Olomasina mandritra ireo fotoan-tsarotra ireo.

Sary
I Joseph Smith misaintsaina

Nalahelo i Joseph Smith raha nahalala fa hisy ady marobe toy izany. Fantany fa raha mankatò ireo didin’ Andriamanitra ny olona dia tsy hiady izy ireo na koa hanana ady.