Scripture Stories
Toko 23: Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: aogositra-nôvambra 1831


Toko 23

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Aogositra-nôvambra 1831

Sary
sarety
Sary
I Joseph mandao an’i Missouri

Nandao an’i Missouri i Joseph Smith sy ireo Olomasina sasany ka niverina tany Kirtland Ohio. Tsy ela dia nisy fihaonambe miavaka iray natao. Ny tanjona dia ny hiresahana momba ny fanontana ireo fanambarana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
I Joseph manoratra fanambarana

Notanana an-tsoratra ireo fanambarana noraisin’i Joseph, kanefa tsy nanana ny tahadikan’izany ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nandritra ilay fihaonambe dia nanapa-kevitra ny Olomasina fa hamoaka ireo fanambarana ireo ao anaty boky iray. Hantsoina hoe Bokin’ny Didy ilay boky. Nantsoina hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany taty aoriana.

Sary
I Joseph miresaka amin’ny mpikambana

Nanome fanambarana roa fanampiny an’i Joseph Smith i Jesoa mba hatao ao amin’ilay boky. Ny iray ho an’ny fanombohana, ary ny iray hafa ho an’ny famaranana. Ireo fanambarana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny maha-manan-danja ilay boky sy ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Sary
Trano fivavahana maoderina

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia milaza amin’ny rehetra fa eto an-tany indray ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy.

Sary
Mpihazona ny fisoronana manome tsodrano

Milaza momba ny fisoronana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Milaza amin’ny lehilahy ny fomba fampiasana io hery io ihany koa izany.

Sary
Mpivady mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna, ny olona rehetra dia afaka mahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
Rahavavy mizara sakafo

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra ny Olomasina mba hizara. Ireo izay mizara dia ho heniky ny Fanahy Masina.

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mampianatra ireo didin’ Andriamanitra. Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo Olomasina izay mankatò ireo didy.

Sary
Olona mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Nilaza i Jesoa fa tokony hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph ao amin’ny trano printy

Taorian’ilay fihaonambe dia nitondra tahadikan’ireo fanambarana nankany Missouri i Oliver Cowdery. Nomeny an’i William Phelps, mpikamban’ny Fiangonana nanana trano fanontam-boky iray, izany. Nangataka an-dRahalahy Phelps i Oliver mba hanonta boky 3.000. Mialoha ny nahavitan’ny fanontana anefa dia nampijanona ny fanontana ny olona ratsy fanahy ka nanimba ny ankamaroan’ireo pejy.

Sary
Zazavavy mihazona ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Navoaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nony farany tamin’ny 1835. Nisaotra ny Ray any An-danitra ny Olomasina noho ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.