Scripture Stories
Toko 24: Tokony hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny: nôvambra 1831


Toko 24

Tokony hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny

Nôvambra 1831

Sary
sarety
Sary
I Joseph mivavaka

Naniry ny hahafantatra ny zavatra tian’ny Tompo ho ataon’izy ireo ny loholona sasany, koa nanatona ny Mpaminany Joseph Smith izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68, sasin-tenin’ny fizarana

Sary
Fianakaviana mamaky soratra masina

Nivavaka mba hahazo fitarihana i Joseph. Anisan’ny valin-teny nomen’ny Tompo ireo fitsipika manan-danja momba ny fomba hahatongavana ho ray aman-dreny tsara.

Sary
Ray aman-dreny mampianatra zanaka

Tokony hampianatra ny zanany momba an’i Jesoa ireo ray aman-dreny ary hanampy azy ireo hanana finoana Azy.

Sary
Reny mampionona zaza

Tokony hampianatra ny zanany ny fomba fibebahana ny ray aman-dreny.

Sary
Lehilahy iray manao batisa vehivavy iray

Nilaza i Jesoa fa tokony hatao batisa ny ankizy rehefa feno valo taona. Ny ray aman-dreny dia tokony hampianatra ny filazantsara ny zanany alohan’ny hanaovana batisa azy ireo.

Sary
Fianakaviana miara-mivavaka

Tokony hampianatra ny zanany momba ny fanomezana ny Fanahy Masina ny ray aman-dreny. Tokony hampianatra koa ny zanany mba hivavaka sy hihaino ny Fanahy Masina ny ray aman-dreny.

Sary
Fianakaviana miara-mamaky boky

Tokony hampianatra ireo zanany hahafantatra sy hankatò ireo didin’ Andriamanitra sy ho mpikambana tsara ao amin’ny Fiangonana ireo ray aman-dreny.

Sary
Fianakaviana sambatra

Ny ray aman-dreny sy ny zanaka izay manaraka ireo fampianaran’i Jesoa dia afaka mahazo fahasambarana maharitra amin’ny maha-fianakaviana azy ireo.