Scripture Stories
Toko 21: Fanambarana iray mba hanorenana fonenana any Missouri: mey–jona 1831


Toko 21

Fanambarana iray mba hanorenana fonenana any Missouri

Mey–jona 1831

Sary
sarety
Sary
I Joseph miarahaba ireo Olomasina

Nifindra avy tany New York nankany Kirtland, Ohio i Joseph Smith. Nangataka ireo Olomasina izay mbola nipetraka tao New York izy mba hifindra hankany Ohio, dia nankatò azy izy ireo.

Sary
I Leman Copley

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa tokony hizara ny taniny amin’ireo Olomasina avy any New York ireo Olomasina tany Ohio. Nanana tany betsaka i Leman Copley, ary nampanantena ny hizara izany izy. Nifindra avy tany New York nankeo amin’ilay tany ny Olomasina sasany.

Sary
Olomasina tonga

Tsy nihazona ny fampanantenany anefa i Leman Copley. Nanapa-kevitra izy fa tsy tiany hanana ny taniny ny Olomasina avy tany New York. Nasainy nifindra izy ireo ka tsy nanana toerana hafa honenana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
I Joseph manome torolalana an’i Newel Knight

I Newel Knight no mpitarika ity andiana Olomasina ity. Tsy hainy izay tokony natao, koa nandeha nangataka fanampiana tamin’i Joseph Smith izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Olomasina miara-manangona sarety

Nivavaka i Joseph ka nilaza taminy ny Tompo fa tokony handeha any Missouri ity andiana Olomasina ity.

Sary
I Joseph miresaka amin’ny daholobe

Mialoha ny nandaozan’ireo Olomasina ireo an’i Kirtland dia nisy fihaonambe natao. Naharitra telo andro izany. Nanome fanambarana manan-danja ho an’i Joseph Smith ny Tompo.

Sary
I Joseph manendry mpisorona avo

Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo mba hanendry ireo mpisorona avo voalohany tao amin’ny Fiangonana. Mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpisorona avo. Notendrena ho mpisorona avo ny mpitarika maro tao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Misiônera mandeha mampianatra

Nilaza ny Tompo fa tokony handeha hanao asa fitoriana any Missouri ny lehilahy sasantsasany. Nasaina nitory ny filazantsara izy ireo teny an-dalana. Rehefa vita ilay fihaonambe dia nandeha nankany Missouri ireo misiônera.

Sary
I Joseph tonga teo anivon’ireo Olomasina

Nilaza tamin’i Joseph ny Tompo fa hatao any Missouri ny fihaonamben’ny Fiangonana manaraka. Nasainy nandeha tany i Joseph sy ireo namany. Nampanantena ny hampiseho azy ireo ny toerana hanorenana ny tanànan’i Ziona i Jesoa.