Scripture Stories
Toko 42: Far West, Missouri: janoary–jolay 1838


Toko 42

Far West, Missouri

Janoary–jolay 1838

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
Lehilahy manandrana mamono an’i Joseph

Nandao an’i Kirtland, Ohio i Joseph Smith satria niezaka namono azy ny olona sasany tao. Ririnina tamin’izay ary tena nangatsiaka. Nanaraka azy ireo fahavalon’i Joseph, nitondra antsy sy basy.

Sary
I Joseph miafina

Voatery niafina i Joseph. Niaro azy ny Tompo ka tsy afaka nahita azy ireo fahavalony. Indray alina dia nitoetra tao amin’ny trano iray nisy ireo fahavalony mihitsy azy izy, dia tsy nahalala akory ireo hoe tao izy.

Sary
I Joseph mandalo ireo fahavalony

Nisy fotoana iray hafa ireo fahavalon’i Joseph tsy nahafantatra azy rehefa nifanena taminy teny an-dalana.

Sary
ireo Olomasina tao Missouri niarahaba tongasoa an’i Joseph

Nanao dia saika ho 1600 kilaometatra nankany Far West, Missouri i Joseph. Teo am-pananganana io tanàna io ny Olomasina tao Missouri rehefa noterena handao ireo toerana hafa tao amin’ilay faritany. Faly izy ireo nahita ny mpaminany.

Sary
Mpikamban’ny Fiangonana mamaky tranombarotra

Tsy nankatò ny didy ny sasany tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany Missouri. Niezaka ny hahazo vola be ny sasany tamin’izy ireo. Nifaneho hatezerana izy ireo indraindray ary tsy nifanara-tsaina momba ny fomba hitarihana ny Olomasina. Tezitra tamin’i Joseph Smith mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo.

Sary
I Joseph malahelo

Noesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana i Oliver Cowdery, sy i David Whitmer, ary i Martin Harris. Midika izany fa noesorina ny maha-mpikambana azy ireo. Nalahelo i Joseph satria namany ireo lehilahy ireo.

Sary
I Joseph misafidy mpitarika vaovao

Nisy lehilahy hafa voafidy hitarika ny Fiangonana tany Far West. Tsy ela dia nanomboka niroborobo indray ny Fiangonana teo amin’ilay faritra.

Sary
I Jesoa niseho tamin’i Joseph

Tamin’ny mey 1838, ny mpaminany sy ireo namany dia nitady toerana hafa hanorenan’ny Olomasina tanàna. Tonga teo amin’ny toerana miavaka iray izy ireo indray andro, toerana nolazain’i Jesoa fa antsoina hoe Adama-ondia-Amàna. Niresaka tamin’i Adama tao i Jesoa. Nentin’i Adama niaraka tao ny fianakaviany ary notsofiny rano talohan’ny nahafatesany. Indray andro any dia hihaona eo indray i Jesoa sy i Adama ary ireo olo-marina.