Scripture Stories
Toko 15: Asa fitoriana tany amin’ny Lamanita: septambra 1830


Toko 15

Asa Fitoriana tany amin’ny Lamanita

Septambra 1830

Sary
batisa
Sary
i Oliver Cowdery

Naniry ny handrenesan’ny olona maro kokoa momba ny filazantsara i Jesoa. Niriny ny handehan’ny Olomasina sasany hanao asa fitoriana. Niantso an’i Oliver Cowdery Izy handeha hanao asa fitoriana any amin’ireo Indiana Amerikana. Nantsoina ihany koa hoe Lamanita ireo Indiana ireo satria taranaky ny Lamanita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny sasany tamin’izy ireny.

Sary
I Jesoa miresaka amin’ny Nefita iray

Tian’i Jesoa hamaky ny Bokin’i Môrmôna ny Lamanita. Nampanantena tamin’ny mpaminany maro Izy fa hanana ny Bokin’i Môrmôna ny Lamanita. Tonga ny fotoana hanatanterahany izany fampanantenana izany.

Sary
I Jesoa miresaka amin’ny Lamanita

Milaza amin’ny Lamanita momba ny razamben’izy ireo izay niaina taon-jato maro lasa ny Bokin’i Môrmôna. Milaza amin’izy ireo ireo fampanantenana manan-danja nataon’i Jesoa tamin’izy ireo izany. Manampy azy ireo hino an’i Jesoa izany. Mampianatra azy ireo mba hibebaka sy hatao batisa izany.

Sary
Lehilahy ao amin’ny Fiangonana

Nisy lehilahy hafa naniry ny handeha hiaraka tamin’i Oliver Cowdery mba hitory ny filazantsara tamin’ireo Lamanita. Nilaza ny Tompo fa lehilahy telo no afaka mandeha.

Sary
Misiônera mampianatra ireo Indiana Amerikana

Nandeha tamin’ny karazana foko tany New York aloha ireo misiônera. Nanome Bokin’i Môrmôna ireo misiônera, saingy vitsy tamin’izy ireo ihany no afaka namaky izany.

Sary
Misiônera miarahaba Indiana Amerikana

Dia nandeha nitory tamina Lamanitra sasany tany Ohio ireo misiônera avy eo. Faly ireo olona ireo nandre momba ny Bokin’i Môrmôna sy nianatra momba ny razambeny.

Sary
Misiônera mandao sady mitaingin-tsoavaly

Nandao an’i Ohio ireo misiônera ka nandeha tany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Independence tany amin’ny faritanin’i Jackson, Missouri izy ireo.

Sary
Indiana Amerikana mamaky avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Nisy Lamanita maro tao Missouri. Nitory ny filazantsara tamin’izy ireo ny misiônera ary nanome Bokin’i Môrmôna ho azy ireo. Tena faly izy ireo ary nisaotra ny misiônera tamin’ilay boky.

Sary
Olona milaza amin’ny misiônera mba hanalavitra

Tsy nino ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara na ny Bokin’i Môrmôna ny olona hafa tao Missouri. Nasain’izy ireo nanalavitra ireo Indiana ny misiônera.

Sary
Misiônera mandao an’i Missouri

Nolazain’ny olona fa hisy miaramila handroaka ny misiônera raha toa ka tsy niala izy ireo. Tamin’alahelo no nandehanan’ny misiônera nampianatra olana hafa tao Missouri.

Sary
I Parley P. Pratt miresaka amin’i Joseph

Nantsoina hoe Parley P. Pratt ny iray tamin’ireo misiônera. Nandeha tany Ohio izy hilaza amin’i Joseph Smith ny zavatra nataon’izy ireo. Nolazain’i Parley fa nahafinaritra ny asa fitoriana nataon’izy ireo ary afaka nampianatra ny filazantsara tamin’ny olona maro izy ireo.