Scripture Stories
Toko 3: Ny Anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena: 1823–1827


Toko 3

Ny Anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena

1823–1827

Sary
Takela-bolamena
Sary
Mivavaka i Joseph 17 taona

Telo taona no lasa taorian’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Rehefa 17 taona i Joseph dia nanontany tena ny amin’izay tian’ Andriamanitra hataony izy. Nivavaka momba izany i Joseph indray alina. Nanana finoana izy fa hilaza aminy izay tokony hatao Andriamanitra.

Sary
Ny anjely Môrônia niseho tamin’i Joseph

Nahita hazavana namiratra tao an’efitranony i Joseph. Nijoro tao anatin’ilay hazavana ny anjely iray. Namiratra ny endrik’ilay anjely. Nanao akanjo fotsy tsara tarehy izy.

Sary
Anjely Môrônia

Nilaza ilay anjely fa i Môrônia no anarany. Naniraka azy Andriamantira mba hiresaka amin’i Joseph. Nilaza i Môrônia fa nanana asa ampanaovina an’i Joseph Andriamanitra.

Sary
I Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Nilaza tamin’i Joseph momba ny boky iray ny anjely Môrônia. Mitantara mikasika ny vahoaka izay niaina taloha ela be tany Amerika ilay boky. Namangy io vahoaka io i Jesoa Kristy ka nampianatra azy ireo ny filazantsarany.

Sary
Takela-bolamena

Nilaza i Môrônia fa nosoratana teo amina takela-bolamena izany boky izany. Nosoratana tamin’ny fiteny izay tsy fantatsika ankehitriny izany. Nirin’ Andriamanitra handika ilay boky amin’ny fiteny anglisy i Joseph.

Sary
Havoanan’i Komôrà

Nilaza ny anjely Môrônia fa nafenina tao amin’ny havoana iray teo akaikin’ny tranon’i Joseph ireo takela-bolamena. Nilaza i Môrônia fa misy vato roa, antsoina hoe Orima sy Tomima, nafenina niaraka tamin’ireo takelaka ireo. Hanampy an’i Joseph handika ilay boky ireo vato ireo. Raha mbola niresaka i Môrônia dia nahita fahitana iray i Joseph izay nampiseho azy ny toerana nanafenana ireo takelaka.

Sary
I Elia mpaminany

Nilaza tamin’i Joseph momba an’i Elia, izay mpaminany lehibe niaina taloha ela be, i Môrônia. Ao amin’ny Testamenta Taloha no misy ny tantaran’i Elia.

Sary
Fianakaviana eo anoloan’ny tempoly

Nilaza i Môrônia fa ho tonga sy hamerina amin’ny laoniny herin’ny fisoronana miavaka eto ambonin’ny tany i Elia. Io hery ireo no hahafahan’ny fianakaviana hofehezina miaraka ao amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo miara-miaina mandrakizay.

Sary
I Môrônia miseho tamin’i Joseph Smith

Lasa ilay anjely dia niverina indroa tamin’io alina io. Nilaza zavatra maro tamin’i Joseph izy isaky ny niseho, dia nandao rehefa maraina ny andro. Nitsangana i Joseph ka nandeha niasa niaraka tamin-drainy teny an-tanimboly.

Sary
I Môrônia sy i Joseph

Reraka loatra i Joseph ka tsy nahavita niasa, koa nalefan-drainy nody izy. Rehefa nanomboka nandeha nody izy dia nianjera tamin’ny tany. Niseho indray i Môrônia ka namerina izay nolazainy nandritra ny alina. Rehefa lasa i Môrônia dia nolazan’i Joseph tamin-drainy izay nampianarin’i Môrônia azy. Nino an’i Joseph ny rainy. Fantany fa nandefa an’i Môrônia Andriamanitra, ary nilaza tamin’i Joseph izy mba hankatò azy.

Sary
I Joseph manokatra ny saron’ireo takela-bolamena

Nandeha tany amin’ilay havoana izay nandevenana ireo takela-bolamena i Joseph. Hitany tao anaty vata vato izay tao ambanin’ny vato lehibe iray ireo takelaka. Tao anatin’ilay vata ihany koa ny Orima sy Tomima.

Sary
I Môrônia manakana an’i Joseph Smith tsy haka ireo takelaka

Raha mbola tany amin’ilay havoana i Joseph dia tonga taminy i Môrônia. Tsy navelan’i Môrônia haka ireo takela-bolamena aloha i Joseph. Nasainy ho tonga eo amin’ilay havoana amin’ny andro mitovy tamin’io isan-taona mandritra ny efa-taona i Joseph.

Sary
I Môrônia mijoro eo anoloan’i Joseph

Nankatò an’i Môrônia i Joseph ka nankany amin’ny Havoanan’i Komôrà isan-taona. Teo no nampianaran’i Môrônia azy mikasika ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany.

Sary
I Joseph mamindra

Nahantra sy nila vola ny fianakavian’i Joseph Smith. Naniry ny hanampy ny fianakaviany i Joseph, koa nandeha tany amin’ny faritanin’i Pennsylvanie izy mba hiasa. Niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Atoa Hale izy.

Sary
I Joseph nanambady an’i Emma

Nanana zanakavavy nantsoina hoe Emma Atoa Hale. Nifankatia i Joseph sy i Emma, ary nifanambady izy ireo taty aoriana. Niverina niara-nipetraka tamin’ny fianakavian’i Joseph tany New York izy ireo, ka nanampy ny rainy tao amin’ny tanimboly i Joseph tany.

Sary
I Môrônia nanolotra ireo takelaka tamin’i Joseph

Volana maro taorian’ny nifanambadian’i Joseph sy i Emma, dia nandeha niverina tany amin’ny Havoan’i Komôrà indray i Joseph. Efa-taona no lasa hatramin’ny nahitan’i Joseph voalohany ireo takela-bolamena, ary navelan’i Môrônia naka izany izy tamin’ity fotoana ity. Nasain’i Môrônia hikajy tsara ireo takelaka i Joseph.

Sary
I Josefa manafina ireo takelaka

Maro ireo olona naheno momba an’i Joseph nahazo ireo takela-bolamena. Niezaka nangalatra ireo takelaka tany aminy izy ireo, kanefa nafeniny tamin’ny toerana tsy nahitan’izy ireo azy izany. Nanampy an’i Joseph hiaro ireo takelaka Andriamanitra.

Sary
Olona eny an-dalana

Nanakorontana an’i Joseph ny olona tao amin’ny faritra. Nilaza lainga momba azy sy ny fianakaviany izy ireo.

Sary
I Joseph sy i Emma mihaona amin’i Martin Harris

Lehibe tokoa ilay fanakorontanana ka nanapa-kevitra ny hiverina tany Pennsylvanie i Joseph sy i Emma, toerana nantenain’izy ireo hahafahany manomboka mandika ireo takelaka amim-pandriampahalemana. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Martin Harris nipetraka teo akaikin’i Joseph. Tsara fanahy tamin’i Joseph sy i Emma izy ary nanome vola hanampiana azy ireo hifindrana.