Scripture Stories
Toko 11: Nitombo ny isan’ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana: aprily–jona 1830


Toko 11

Nitombo ny isan’ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana

Aprily–jona 1830

Sary
batisa
Sary
Mpikambana tonga

Rehefa afaka herinandro vitsivitsy dia 27 no isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy nipetraka tao amin’ny tanàna iray avokoa izy rehetra. Nangataka azy ireo i Joseph Smith mba ho tonga amin’ny fihaonambe iray, izay fivoriana miavaka ho an’ny Olomasina rehetra. Antsoina hoe Olomasina ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary
Olomasina mandray ny fanasan’ny Tompo

Nandray ny fanasan’ny Tompo ireo Olomasina nandritra ilay fihaonambe. Notendrena ho amin’ny fisoronana ny lehilahy sasany. Nitahy ny Olomasina ny Fanahy Masina, ary tena faly izy ireo.

Sary
Olona manatrika fihaonamben’ny Fiangonana

Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny sasany tamin’ireo olona nanatrika ilay fihaonambe. Nianatra momba ny filazantsara izy ireo ary naniry ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana, koa natao batisa izy ireo. Nandeha tany amin’ny tanàna hafa i Joseph Smith rehefa vita ilay fihaonambe. Naniry ny hatao batisa ihany koa ny olona sasany tany. Nilaza i Joseph fa azo atao batisa teo amin’ny renirano kely iray teo akaiky teo izy ireo.

Sary
Olon-dratsy manimba tohodrano

Nanorina tohodrano kely ny olona mba hahatonga ny rano ho lalina ka ampy hanatanterahana batisa. Nandritra ny alina dia nisy olona sasany nanimba ilay tohodrano.

Sary
Andian’olona mpihetraketraka manakatsakana ny batisa

Namboarina indray ilay tohodrano, dia nanomboka nanao batisa olona i Oliver Cowdery. Vetivety foana dia nisy andian’olona mpihetraketraka tonga. Ny andian’olona mpihetraketraka dia vondrona olona ratsy fanahy. Nilaza zavatra ratsy izy ireo ary niezaka nandratra ny Olomasina, kanefa niaro ny olona ny Tompo.

Sary
I Joseph ao am-ponja

Nanohy niezaka nanakorontana ny Fiangonana ilay andian’olona mpihetraketraka. Nilaza lainga momba an’i Joseph Smith izy ireo ka nampiditra azy am-ponja. Nandritra ny fitsarana dia nisy olona nijoro ho vavolombelona diso nanohitra ny mpaminany. Maro anefa ny olona nilaza fahamarinana momba an’i Joseph, nanamarina fa diso ny tenin’ireo fahavalo.

Sary
I Joseph naiditra am-ponja indray

Navotsotra i Joseph, kanefa saika ho teo no ho eo ihany dia naiditry ny olona avy teo amin’ny boriboritany akaiky teo am-ponja indray izy. Raha tany am-ponja izy dia nisy olona nandrora azy sy tsy nanome sakafo azy. Natao ny fitsarana iray hafa, ary hita fa tsy nanan-tsiny i Joseph ka navotsotra indray.