Scripture Stories
Toko 55: Fanambarana iray momba ny fanambadiana: jolay 1843


Toko 55

Fanambarana iray momba ny fanambadiana

Jolay 1843

Sary
Tempolin’i Nauvoo
Sary
Mpivady eo anoloan’ny tempoly

Nametraka fanontaniana vitsivitsy momba ny fanambadiana tamin’ny Tompo i Joseph Smith. Nilaza taminy i Jesoa fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tokony hatao mariazy amin’ny alalan’ny lehilahy iray izay manana ny fisoronana. Tokony hatao mariazy any amin’ny tempoly izy ireo. Raha mankatò ny didin’ Andriamanitra izy ireo dia ho mpivady mandrakizay.

Sary
Fianakaviana any amin’ny fanjakana selestialy

Ny olo-marina izay natao mariazy tany amin’ny tempoly dia hiaina any amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra. Ny zanak’izy ireo izay mankatò an’ Andriamanitra dia ho zanak’izy ireo, ary ho fianakaviana mandrakizay izy ireo. Hiaraka hiaina amin’ Andriamanitra izy ireo ary ho tonga tahaka Azy.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ireo mpaminany fahiny

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph ihany koa ny momba ny tantaran’ny fanambadiana teo anivon’ny vahoakany izay niaina fahiny.