Scripture Stories
Toko 44: Fahafolonkarena: jolay 1838


Toko 44

Fahafolonkarena

Jolay 1838

Sary
Mpivady ao anaty sarety
Sary
I Joseph mivavaka

Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith fa tokony handoa fahafolonkarena ny mpikamban’ny Fiangonana. Raha tany Far West, Missouri i Joseph dia nivavaka izy nanontany ny habetsahan’ny fahafolonkarena tokony haloan’ny Olomasina. Nambaran’ny Tompo fa tokony handoa ny iray ampahafolon’ny zavatra rehetra ananan’izy ireo ho fahafolonkarena ny Olomasina.

Sary
Mpikambana mandoa fahafolonkarena

Raha toa ka nahazo 10 ariary izy ireo dia tokony hanome ariary ho fahafolonkarena. Raha toa ka nahazo 100 ariary izy ireo dia tokony hanome 10 ariary.

Sary
Olomasina mandoa fahafolonkarena avy amin’ny vokatra

Nandoa fahafolonkarena tamin’ny fomba hafa ihany koa ny Olomasina. Nanome ny ampahafolon’ny vokatra novoleny izy ireo, toy ny voa sy vilona. Nanome ny ampahafolon’ny akohony sy ireo biby hafa koa izy ireo. Nandoa fahafolonkarena tamin’ny ronono sy legioma koa izy ireo.

Sary
Misiônera any amin’ny tempoly

Ampiasaina mba hananganana sy hikarakarana ny tempoly, sy ireo trano fivoriana ary ireo trano hafa an’ny Fiangonana ny fahafolonkarena. Ampiasaina koa ny fahafolonkarena mba hanampiana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Ankoatra izany dia ampiasaina izany mba handoavana ny fandikana sy ny famoahana ireo soratra masina sy boky hafa an’ny Fiangonana.

Sary
Vehivavy manatitra zavatra

Ampiasaina hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana ny fahafolonkarena. Ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa dia ampiasaina mba hividianana sakafo sy akanjo ho an’ireo olona sahirana.

Sary
Zazavavy mandoa fahafolonkarena

Manantena antsika tsirairay avy handoa fahafolonkarena feno ny Tompo. Atolotsika ny eveka ny fahafolonkarenantsika. Alefany any amin’ny birao foiben’ny Fiangonana izany, any ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana no manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampiasana izany.

Sary
Fianakaviana mijoro eo anoloan’ny tempoly

Manome fitahiana mahafinaritra ho an’ireo Olomasina izay mandoa fahafolonkarena ny Ray any An-danitra. Tsy afaka mahazo ireo fitahiana rehetra ireo ny Olomasina izay tsy mandoa fahafolonkarena. Milaza ny Baiboly fa mandroba an’ Andriamanitra ny Olomasina izay tsy mandoa fahafolonkarena.