Scripture Stories
Toko 18: Ny lalàn’ny Fiangonana: 9 febroary 1831


Toko 18

Ny lalàn’ny Fiangonana

9 febroary 1831

Sary
batisa
Sary
I Joseph manoratra fanambarana

Nanome fanambarana iray tena manan-danja ho an’i Joseph Smith ny Tompo tao Kirtland Ohio. Antsoina hoe ny lalàn’ny Fiangonana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
Lehilahy tendrena

Nilaza ny Tompo fa tokony hampianatra ny filazantsara ny olona rehetra ny Olomasina. Ireo lehilahy mandeha manao asa fitoriana dia tokony hotendrena ho ao amin’ny fisoronana amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Sary
Misiônera mampianatra fianakaviana

Tokony hiara-hiasa ny misiônera roa. Tokony hampianatra avy ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Tokony hivavaka izy ireo mba hanana ny Fanahy Masina miaraka amin’izy ireo. Hilaza amin’izy ireo izay zavatra hampianarina ny Fanahy Masina.

Sary
Misiônera manao batisa zazalahy iray

Tokony ireo olona mino ny filazantsara no ataon’ny misiônera batisa.

Sary
Mpikamban’ny Fiangonana mifampiarahaba

Tokony hankatò ny Didy Folo ny mpikamban’ny Fiangonana hoy ny Tompo. Tsy tokony hamono olona izy ireo. Tsy tokony handainga izy ireo. Tsy tokony hilaza zavatra ratsy momba ny olona hafa izy ireo. Tsy tokony hanao zavatra ratsy hafa izy ireo.

Sary
Olomasina mizara sakafo

Tokony hizara izay ananany amin’ny olona hafa ny Olomasina. Mitovy amin’ny hoe mizara amin’i Jesoa ny mizara amin’ny hafa.

Sary
Olomasina miasa

Nanome didy hafa ho an’ny Olomasina i Jesoa. Tsy tokony hisy Olomasina hihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny olona hafa. Tokony ho madio ny Olomasina. Tokony hiasa mafy izy ireo.

Sary
Loholona manome tsodrano zazavavy marary

Tokony hikarakara ny mpikambana marary ny Olomasina. Tokony hanome tsodrano ny marary ireo lehilahy mihazona ny fisoronana. Afaka ny ho sitrana ireo izay manana finoana. Tsy ho faty izy ireo raha mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesan’izy ireo.

Sary
Fanahin’ny olona mandao ny vatany

Tsy tokony hatahotra ny ho faty ny Olomasina marina. Mahafinaritra ny fahafatesana ho an’ny olo-marina.

Sary
I Joseph manome torolalana ny Olomasina

Nilaza i Jesoa fa hanambara zavatra maro amin’ireo mpikambana olo-marina Izy. Hitondra fifalina ireo fanambarana ireo. Nasain’ny tompo nankatò ny lalàn’ny Fiangonana ny Olomasina.