Scripture Stories
Toko 17: Ireo eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana: febroary sy desambra 1831


Toko 17

Ireo eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana

Febroary sy desambra 1831

Sary
batisa
Sary
I Joseph mampirina entana

Ratsy fanahy tamin’ny Olomasina ny olona sasany tao New York ka naniry ny hialan’izy ireo. Nilaza tamin’i Joseph Smith i Jesoa mba handao an’i New York ka hankany Kirtland Ohio.

Sary
I Joseph mankany Kirtland

Nandeha nankany Kirtland i Joseph sy i Emma, sy i Sidney Rigdon, ary i Edward Partridge. Niara-nipetraka tamin’ny mpikamban’ ny Fiangonana iray nantsoina hoe Newel K. Whitney i Joseph sy i Emma.

Sary
Mpikamban’ny Fiangonana

Nisy mpikamban’ny Fiangonana teo amin’ny 1000 teo tao Kirtland. Niezaka nankatò an’ Andriamanitra izy ireo, saingy tsy nahatakatra ny momba ny filazantsara rehetra izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41, sasin-tenin’ny fizarana.

Sary
I Edward Partridge

Nivavaka i Joseph ka nandray fanambarana. Nilaza taminy i Jesoa fa nila eveka iray ny Olomasina tao Kirtland. Tokony hampiasa ny fotoany hampianarana sy hanampiana ny Olomasina ilay eveka. I Edward Partridge no lasa eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana.

Sary
I Newell K. Whitney

Satria nihabetsaka ny olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia nilaina ny hanampiana ny isan’ny eveka. Nantsoina ho eveka faharoa tato amin’ny Fiangonana i Newel K. Whitney.

Sary
Olomasina ao amin’ny trano fitehirizan’ny eveka

Nilaza tamin’i Joseph i Jesoa fa tokony hikarakara ny trano fitehirizana ny eveka. Tokony hanome sakafo, sy akanjo, ary fanatitra hafa amin’ny eveka ny Olomasina mba hatao ao amin’ilay trano fitehirizana. Avy eo ny eveka hampiasa ireo zavatra ireo hanampiana izay Olomasina mahantra na sahirana.

Sary
Lehilahy manisa vola

Nilaza ihany koa i Jesoa fa tokony handray izay vola omen’ny Olomasina ho an’ny Fiangonana ny eveka. Hampiasain’ny eveka io vola io entina handoavana ny faktioran’ny Fiangonana sy hanampiana ny mahantra.

Sary
Eveka mihaona amin’ireo mpikambana iandraiketany

Tokony ho tia ny Olomasina ny eveka ary miezaka manampy azy ireo. Tokony hihaona amin’ireo lehilahy izay manana ny fisoronana izy ary hiresaka momba izay ataon’izy ireo mba hanampiana ny Olomasina.

Sary
Eveka mitory teny amin’ireo mpikambana

Mitarika ny Olomasina ao amin’ny paroasy tsirairay avy ny eveka. Mitovy amin’ny eveka iray ny filohan’ny sampana iray. Ny filohan’ny sampana dia mitarika ny Olomasina ao amin’ny sampana tsirairay.

Sary
Eveka ao amin’ny Fiangonana

Ankehitriny dia misy eveka an’arivony ato amin’ny Fiangonana.