2011
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2011


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity manaraka ity dia lisitr’ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana mba hampiasaina ho amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary ho amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Jean A. Stevens

(10) Maneho ohatra amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena ny ankizy.

Nihaino ny feon-drainy i Liam nandritra ny fitsaboana azy.

Loholona Walter F. González

(13) Manontany ny mpanao gazety iray raha toa ka marina na foronin’ny eritreritra ny fitondrana tsara ny vady.

Loholona Kent F. Richards

(15) Nahita anjely nanodidina ireo ankizy tany amin’ny hôpitaly ny ankizivavy kely iray.

Loholona Quentin L. Cook

(18) Naneho ny fiainan’ny zatovovavy iray ny filazantsara ny zavatra tao anatin’ny kitapony.

Nanome sosokevittra momba ny fomba hanampiana ireo tanora lehilahy ny rahavavy iray tany Tonga.

Filoha Henry B. Eyring

(22) Manolo-tanana ny fiaraha-monina taorian’ny fahavakisan’ny Tohodrano Teton.

Filoha Boyd K. Packer

(30) Nanoro hevitra ny lehilahy iray ny filohan’ny tsatòka mba “hamela an’izany any” taorian’ny fahafatesan’ny vadiny.

Loholona Dallin H. Oaks

(42) Tsy natory ny Kapiteny Ray Cox mba hitandrovana ny ain’ireo miaramilany.

Nanangona ny herim-pony i Aron Ralston mba hamonjena ny ainy.

Loholona M. Russell Ballard

(46) Nianatra nanome lanja ireo potipoti-bolamena ny mpitrandraka volamena iray.

Loholona Neil L. Andersen

(49) Nisafidy ny fanaovana asa fitoriana fa tsy rugby i Sidney Going.

Larry M. Gibson

(55) Nianatra ireo andraikiny ny filohan’ny kôlejin’ny diakona iray.

Filoha Dieter F. Uchtdorf

(58) Tsy tsapan’ny lehilahy iray ny tombontsoa ao anatin’ilay sambo fitsangantsanganana.

Filoha Henry B. Eyring

(62) Nitady mpikambana very tany an’ala ny kôlejy.

Namangy mpisorona avo mahatoky iray i Henry B. Eyring.

Filoha Thomas S. Monson

(66) Nanasa mpivady iray i Thomas S. Monson mba hanatrika famehezana iray.

Loholona Paul V. Johnson

(78) Niova fo ny zatovovavy iray nandritra ny aretina naharitra iray.

Eveka H. David Burton

(81) Nanampy tamin’ny famonjena vondron’olona mitondra sarety tarihin-tanana i Robert Taylor Burton.

Silvia H. Allred

(84) Notompoin’ny mpamanginy isan-tokantrano ny reny vao herotrerony iray.

Filoha Thomas S. Monson

(90) Nanao dia lavitra niala tao Manaus nankany amin’ny tempoly ireo Olomasina Breziliana.

Naneho fihafiana ny fianakaviana Mou Tham mba handehanana any amin’ny tempoly.

Nandray anjara tamin’ny fangadiana ny fototry ny tempoly iray tany Rome, Italie i Thomas S. Monson.

Loholona Richard G. Scott

(94) Nasaina nilalao tamin’ny ankizy i Richard G. Scott toy izay hanamboatra ilay milina fanasan-damba.

Notehirizin’i Jeanene Scott ireo teny feno fitiavana.

Nikarakara ilay zanany lahikely nanana olana teo amin’ny fo i Richard G. Scott.

Loholona D. Todd Christofferson

(97) Norantsanan’i Hugh B. Brown ny hazom-boaloboka iray ary avy eo ny tenany mihitsy no voarantsandrantsana.

Loholona Carl B. Pratt

(101) Nandoa fahafolonkarena ny fianakaviana Whetten ary nahazo fitahiana.

Loholona C. Scott Grow

(108) Nanao safidy tsy mahasoa ny rahalahin’i C. Scott Grow saingy nibebaka avy eo.

Ann M. Dibb

(115) I Kristi dia naneho ohatra izay tsaroan’i Jenn rehefa nitady ny fahamarinana izy.

Mary N. Cook

(118) Nahita ny sarin’i Jesoa teo amin’ny fitoeran’entan’ny mpianatra ny ankizy iray.

Nisafidy ny tsy hijery sarimihetsika iray nampiahiahy ilay zatovovavy.

Elaine S. Dalton

(121) Nandeha an-tongotra avy eo Draper, Utah hatrany amin’ny Tempolin’i Salt Lake ireo zatovovavy.