2011
Mankalaza ny Asa Fifanampiana sy Manambara ireo Tempoly Hatsangana ireo Mpitarika
Mey 2011


Mankalaza ny Asa Fifanampiana sy Manambara ireo Tempoly Hatsangana ireo Mpitarika

Olona mihoatra ny 100.000 no nanatrika ireo fivoriana dimin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana fanao Isan-taona faha-181 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, tao amin’ny Foiben’ny fihaonamben’ny Fiangonana ao Salt Lake City, Utah, Etazonia ary an-tapitrisany maro hafa no nijery na nihaino izany tamin’ny alalan’ny fampitana izany tamin’ny fahitalavitra, fampielezam-peo sy zanabolana ary internet.

Tamin’ny fiteny 93 no nahafahan’ny mpikambana manerana an’izao tontolo izao nandray anjara tamin’ny fihaonambe. Ny feo sy sary ary ny lahatsoratry ny fampitana dia efa hita ao amin’ny internet amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org ary hisy DVD sy CD koa.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanokatra ny fihaonambe tamin’ny alalan’ny fanambarana ireo toerana hisy ny tempoly telo vaovao—Fort Collins, Colorado, Etazonia; Meridian, Idaho, Etazonia; ary Winnipeg, Manitoba, Kanada—izay hahatonga ny isan’ny tempoly nambara fa haorina na tempoly eo an-dalam-piorenana ho 26. Amin’izao fotoana izao dia tempoly 134 no amperin’asa.

Ny Filoha Monson dia nanamafy koa ny lanjan’ny asa fitoriana rehefa nilaza izy hoe: “Ny asa fitoriana no tena ain’ny fanjakana.” Eo amin’ny misiônera 52.000 eo amin’izao fotoana izao no manompo any amin’ny misiôna 340 manerana an’izao tontolo izao.

Ny Asabotsy tolakandro dia Manampahefana Ambony 10 vaovao sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra 41 no notohanana ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra 34 kosa no nisaorana. Ankoatr’izany dia voantso hanompo ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ny Loholona Don R. Clarke tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy. Ny Tatitra momba ny Antontan’isa ho an’ny 2010 dia nampiseho fa mananika ny 14 tapitrisa mahery ny isan’ny mpikambana ankehitriny.

Nandritra ireo roa andron’ny fihaonambe ireo dia nisy lahateny vitsivitsy nifantoka tamin’ny lohahevitra mikasika ny fifanampian’ny Fiangonana sy ny fandaharan’asa miavaky ny Fiangonana mikasika ny fifanampiana —izay mankalaza ny faha-75 taonany amin’ity 2011 ity.

Ny Asabotsy, ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fa mba hankalazana izany 75 taona nisian’ny fandaharan’asan’ny fifanampiana izany dia asaina ny mpikambana rehetra manerana an’izao tontolo izao mba handray anjara ao anatin’ny andro iray izay hanaovana asa fanompoana. Izany andro hanaovana asa fanompoana izany dia tokony hotanterahana eo anivon’ny paroasy tsirairay na eo anivon’ny tsatòka ao anatin’ny fotoana iray mandritra ity taona ity. Tokony hanapa-kevitra amin’ireo antsipiriany mikasika ny tetik’asa tsirairay ny mpitondra eo an-toerana ary ny mpikambana dia entanina mba hanasa ny hafa handray anjara arak’izay mahamety izany.

Nofaranan’ny Filoha Monson tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelony momba an’i Kristy ho an’ny Paska ny fihaonambe: “I [Jesoa Kristy] dia afaka niverin-dalana tamin’ny fotoana farany. Saingy tsy nanao izany Izy. Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hamonjeny ny zava-drehetra. Rehefa nanao izany Izy dia nanome antsika fiainana nihoatra an’ity fiainana an-tany ity.”

Ambony: Mioty voaloboka ao amin’ny tanimboaloboky ny fiangonana ao Madera, California, Etazonia, ny tovolahy iray izay toerana mamokatra voaloboka ho an’ny tetik’asan’ny fifanampiana an’ny Fiangonana. Ambany havia: Manatrika ny fampitana ny fihaonamben’ny fiangonana amin’ny alalan’ny zanabolana ny fianakaviana iray any Coimbra, Portugal.