2011
Ny faha-75 taonan’ny Fifanampiana an’ny Fiangonana
Mey 2011


Mankalaza ny 75 taonan’ny Fifanampiana

Lahateny maro nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana fanao isan-taona faha-181 no niompana tamin’ny fankalazana ny fandaharan’asan’ny fifanampiana an’ny Fiangonana izay mankalazana ny faha-75 taonany ankehitriny.

Tamin’ny andro nitokanana azy tamin’ny 1936, ny Filoha David O. McKay, izay mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany dia nanamafy ny fototra manentana fanahy izay niavian’ny drafitry ny fifanampiana an’ny Fiangonana: “[Ny fandaharan’asan’ny fifanampiana] dia napetraka tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra ary tsy misy zavatra hafa mihoatra izany eto amin’izao tontolo izao izay afaka mikarakara amim-pahombiazana tokoa ny mpikambana ao aminy.”1

Tonga ary avy eo lasa izay dimy amby fitopolo taona izay. Namita ny lalany ny toe-karena dia namerina izany indray avy eo. Izao tontolo izao dia nahita fiovana lehibe teo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina sy ara-kolotsaina ary ny Fiangonana dia nahita firoboroboana goavana.

Saingy ireo teny nambara momba ilay drafitry izay masina sy manentana ny fanahy mikasika ny fifanampiana ao amin’ny Fiangonana tamin’izany andro tamin’ny 1936 izany dia mbola marina ankehitriny toy naha marina izany taloha.

Fitsipiky ny Fifanampiana

Nandalo fahaverezam-bola goavana i Etazonia tamin’ny 1929 rehefa nitontongana ny vola. Tany amin’ny 1932 tany dia nahatratra 35,8 isan-jato ny tahan’ny tsy fananan’asa.

Na dia efa nanana fitsipika mifehy ny fifanampiana aza ny Fiangonana, izay ahitana ny lamin’ny trano fanobiana sy ireo fandaharan’asa mba hanampiana ny mpikambana hahita asa dia maro ireo mpikambana izay nitodika tany amin’ny fanampiana nomen’ny governemanta.

“Izaho dia mino hoe mitombo ny fironan’ny olona hanandrana ny hahazo zavatra avy amin’ny governemantan’i Etazonia miaraka amin’ny fanantenana kely ny tsy hamerina ny saran’izany intsony,” hoy ny Filoha Heber J. Grant (1856–1945) tamin’izany fotoana izany.2

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia te-hanampy ny mpikambana sahirana fa tsy namporisika azy hanana toetra midonana-poana sy mitavana fotsiny. Ny tanjona dia ny hanampy ny olona hanampy ny tenany mba ho lasa mahaleo tena.

Tamin’ny 1933 dia nanambara ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ireo mpikambantsika matanjaka ara-batana dia tsy tokony, raha tsy hoe izay no ala nenina farany, ho afa-baraka noho ny fandraisana zavatra izay tsy mitaky anjara biriky avy amin’izy ireo avy eo. … Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana misahana ny fanampiana dia tsy maintsy mandrafitra fomba izay ahafahan’ireo mpikambana matanjaka ara-batana izay sahirana manonitra ny fanampiana nomena azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana karazana asa fanompoana.”3

Niaraka tamin’ireo fitsipika efa napetraka sy ny fiasan’ny finoan’ireo Olomasina, ireo vondron’ny Fiangonana isan-tsokajiny ary koa ny Fiangonana iray manontolo dia nandeha niasa ka nanokatra fianarana manjaitra, fanaovana sakafo am-bifotsy, nandrindra tetik’asa, nividy toeram-piompiana sy fambolena ary nanantitrantitra ny fiainana feno fahamarinana sy fitsitsiana ary mahaleo tena.

Ny Drafitry ny Fifanampiana an’ny Fiangonana

Tamin’ny alalan’ny fanorenana ny Drafitry ny Fiarovana an’ny Fiangonana (izay nosoloina hoe Drafitry ny Fifanampiana an’ny Fiangonana tamin’ny 1938), dia nomena fahafahana niasa arak’izay vitany ny olona noho ny fanampiana azon’izy ireo. Ilay drafitra dia nampianatra ny olona hitodika any amin’ny tenany ihany mba hahazoana “fanampiana” toy izay hitodika any amin’ny loharano hafa mba hahazoana fanomezana.

“Ny tanjontsika voalohany indrindra dia ny hametraka … lamina iray izay hanaisotra ny ozon’ny fidonanaham-poana sy hamongotra ny faharatsian’ny tsy fananan’asa ka ho tafapetraka indray eo anivon’ny olontsika ny fizakan-tena, ny fahazotoana miasa sy ny fitsitsiana ary ny fanajana ny tena,” hoy ny Filoha Grant nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 1936. “Ny asa dia tokony haverina apetraka ho toy ny fitsipika mitarika ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonantsika.”4

Tao anatin’izay taona maro izay dia nahitana fandaharan’asa maro ny lamin’ny fifanampiana an’ny Fiangonana: Sampana misahana ny Ara-tsôsialy (Sampan’ny Fianakavian’ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny), Asa Fiantran’ny Olomasin’ny Andro Farany, Sampana misahana ny Asa Enti-miantra Olona ary Asa Famonjena ho an’ny Voina Tampoka. Ireo fandaharan’asa ireo ary ny hafa dia nitahy ny fiainan’ireo olona an’arivorivony maro tao am-piangonana sy tany ivelany.

Manitatra ny Fandaharan’asa Maneran-tany

Na dia taorian’ny fiafaran’ny Fahasahiranana Ara-toekarena Lehibe aza, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe faha-II, ny Filoha J. Reuben Clark Jr., Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia soa ihany fa nanambara ny hanohizana ny fandaharan’asan’ny fifanampiana. Tamin’ny Ôktôbra 1945, ny Filohan’i Etazonia Harry S. Truman dia niantso ny Filoha George Albert Smith (1870–1951) mba hanapaka hoe ahoana ary rahoviana no ahafahana mandefa ireo entana any amin’ireo faritr’i Eorôpa izay ravaravan’ny ady. Taitra ny Filoha Truman satria namaly ireo mpitarika ny Fiangonana fa efa voahangona sy vonona ny halefa sambo ireo sakafo sy akanjo ary fanampiana hafa.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nampivelatra ny fitaovana sy ny fandaharan’asa ao anatin’ny fifanampiana ny Fiangonana mba hahasahana lafin-javatra ilaina bebe kokoa ka ao anatin’izany ny fanitarana bebe kokoa ny toerana. Tany amin’ny taona 70, ny Fiangonana dia nampivelatra ny fandaharan’asany sy ny famokarany tany Mexique, Angletera ary tany amin’ireo Nosy Pasifika. Nandritra ny folo taona manaraka dia lasa firenena voalohany tany ivelan’i Etazonia nahazo foiben’ny Fiangonana misahana ny fanampiana amin’ny asa i Argentine, Chili, Paraguay, ary Uruguay.

Tamin’ny alalan’ny fitsanganan’ny Sampana Misahana ny Asa Enti-miantra Olona tamin’ny 1985, dia niroborobo be ny ezaka nataon’ny Fiangonana teo amin’ny fifanampiana manerana an’izao tontolo izao, satria ireo fitafiana sy zavatra hafa dia voalamina mba halefa manerana an’izao tontolo izao ho fanampiana eo anatrehan’ny fahantrana sy ireo voina.

Ankehitriny ny fitombon’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany indrindra fa ny any amin’ireo firenena andalam-pandrosoana dia mametraka fanamby vaovao izay ezahan’ny fandaharan’asan’ny fifanampiana atrehana.

Drafitra Manentana ny Fanahy ho an’izao Fotoana izao

Ireo fitsipika fototry ny fifanampiana—fizakan-tena sy fahazotoana miasa—dia mbola mitoetra ankehitriny toy ny tamin’ny fotoana nandidian’ny Tompo an’i Adama hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina” (Genesisy 3:19).

Tamin’izao andro farany izao dia nanambara ny Tompo hoe: “Ary ny trano fitehirizan’ny Tompo, dia hovatsiana amin’ny alalan’ny fanokanana zavatra ho an’ny fiangonana; ary hokarakaraina ny mananotena sy ny kamboty mbamin’ny mahantra.” (F&F 83:6). Dia nampahatsiahy antsika Izy hoe: “Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako” (F&F 104:16).

Ireo fitsipiky ny fifanampiana dia miasa ao anatin’ny fiainan’ireo mpikambana manerana an’izao tontolo izao toy ny fitsipika isan’andro ao anatin’ireo tokantrano tsirairay.

“Ny herin’ny Fiangonana sy ilay tena trano fanobian’ny Tompo dia any an-tokantrano sy ao am-pon’ny olony,” hoy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.5

Rehefa mampivelatra ny fizakan-tenany amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay, dia mitohy ny fahatanterahan’ilay tanjona maharitry ny fandaharan’asa izay nofaritan’ny Filoha Clark: “Ny famolavolana ny toetran’ny mpikamban’ny Fiangonana, dia ny mpanome sy ny mpandray, ka mampivoaka ny tsara lalina indrindra ao anatin’izy ireo, ary ny fanampiana olona hampivelatra ny maha-izy azy mba hahatsapany ny fanahy amin’ny ankapobeny, no asa sy tanjona ary antony mampisy ity Fiangonana ity.”6

Fanamarihana

  1. David O. McKay, ao amin’ny Henry D. Taylor, The Church Welfare Plan, unpublished ms., Salt Lake City (1984), 26–27.

  2. Heber J. Grant, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1933, 5.

  3. Ao amin’ny James R. Clark, natambatra ao amin’ny Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, boky 6, (1965–75) 5:332–34.

  4. Heber J. Grant, ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1936, 3.

  5. Robert D. Hales, “Welfare Principles to Guide Our Lives: An Eternal Plan for the Welfare of Men’s Souls,” Ensign, Mey 1986, 28.

  6. J. Reuben Clark Jr., ao amin’ny fivoriana manokan’ireo filohan’ny tsatòka, Ôkt. 2, 1936.

Ny Filoha David O. McKay, Filoha Heber J. Grant, sy ny Filoha J. Reuben Clark Jr. (eo ankavia mankany ankavanana) ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namangy ny Foiben-toeran’ny Fifanampiana tamin’ny 1940.

Na manao mofo izany (ambony havia), na mamboly voaloboka (ambony havanana), na manome fanampiana amin’ny fomba hafa, ny tanjon’ny fandaharan’asan’ny Fifanampiana an’ny Fiangonana dia ny hampivelatra ny fizakan-tena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.