2011
Ny Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao
Mey 2011


Ny Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao

Ny lesona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny alahady fahaefatra dia hatokana ho an’ny “Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao.” Ny lesona tsirairay dia azo omanina avy amin’ny lahateny anankiray na mihoatra izay natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra. Ireo filohan’ny tsatòka sy distrika dia afaka misafidy izay lahateny tokony hampiasaina amin’izany, na azony atao ny manome ny eveka sy ny filohan’ny sampana izany andraikitra izany. Ireo mpitarika dia tokony hanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny handalinan’ireo rahalahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana lahateny mitovy isak’izany Alahady izany.

Ireo izay manatrika ny fampianarana isaky ny Alahady fahaefatra dia entanina mba handalina ny laharan’ny gazetiboky misy ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra ary hitondra izany any am-pianarana.

Torohevitra ho an’ny Fanomanana Lesona avy amin’ireo Lahateny

Mivavaha mba hiaraka aminao ny Fanahy Masina rehefa mandalina sy mampianatra ireo lahateny ianao. Mety halaim-panahy hanomana lesona avy amin’ny boky hafa ianao, saingy ny lahatenin’ny fihaonambe no fandaharam-pampianarana nankatoavina. Ny andraikitrao dia ny manampy ny hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara araka izay nampianarina tao amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra.

Avereno vakiana ilay (ireo) lahateny ary tadiavo ireo fitsipika sy fotopampianarana izay ilain’ny olona ao amin’ny kilasy. Mitadiava koa tantara na soratra masina na fanambarana avy ao amin’ilay (ireo) lahateny izay hanampy anao hampianatra ireo fahamarinana ireo.

Manaova drafitra izay mamaritra ny fomba hampianaranao ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ny drafitrao dia tokony hahitana fanontaniana izay hanampy ny olona ao amin’ny kilasy:

  • Hitady ireo fitsipika sy fotopampianarana ao amin’ny (ireo) lahateny.

  • Handinika ny dikan’izy ireo.

  • Hizara ny zavatra takatra, hevitra, zavatra niainana ary fijoroana ho vavolombelona.

  • Hampihatra eo amin’ny fiainany ireo fitsipika sy fotopampianarana.

Volana

Fitaovana Ampiasaina ho an’ny Fampianarana isaky ny Alahady Fahaefatra

Mey 2011–Ôktôbra 2011

Lahateny nivoaka tao amin’ny Liahona* Mey 2011

Nôvambra 2011–Aprily 2012

Lahateny nivoaka tao amin’ny Liahona* Nôvambra 2011