2011
Loholona O. Vincent Haleck
Mey 2011


Loholona O. Vincent Haleck

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder O. Vincent Haleck

Vao mbola ankizy ny Loholona Otto Vincent Haleck dia nandoa fahafolonkarena sy nifady hanina ary nandalina ny soratra masina—ary avy eo dia nihaona tamin’ny misiônera izy ary natao batisa.

Ny renin’ny Loholona Haleck dia mpikamban’ny Fiangonana saingy tsy niangona nandritra ny taona maro. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ny rainy. Kanefa ny fianakaviana dia nandoa fahafolonkarena sy nifady hanina isan-kerinandro ary namaky Baiboly isan’andro sy nanome izay nananany ho an’ireo sahirana. Ny Loholona Haleck dia avy amin’ny lovan’ny finoana iray.

Ny Loholona Haleck dia teraka tamin’ny Janoary 1949 tany Samoa Amerikana. Nalefan’ny ray aman-dreniny Otto sy Dorothy Haleck nianatra tany Californie, Etazonia izy. Tamin’izy 17 dia nahatsikaritra izy fa ny namany sasany tao amin’ny filankevitry ny mpianatra dia samy hafa tamin’ireo mpianatra hafa. “Nasainy hanatrika ny fiaraha-mientana ifampizarana aho ary ny zava-nitranga avy eo no tantarako,” hoy ny Loholona Haleck.

Ny Loholona Haleck dia nahazo mari-pahaizana licence momba ny dokam-barotra sy ny haivarotra avy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young. Manana toeram-pandraharahana maro any Samoa Amerikana izy ary nirotsaka an-tsehatra teo amin’ny fanaovana asa soa ho any mpiara-belona. Ny Loholona Haleck sy ny vadiny Peggy Ann Cameron dia nivady tamin’ny 29 Jiona 1972 tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah. Manan-janaka telo izy.

Nahita ny filazantsara ihany tamin’ny farany ny fianakavian’ny Loholona Haleck iray manontolo. Ny Loholona Haleck dia nanana fahafahana nanao batisa ny rainy 80 taona sy nahita ny reniny niverina nazoto niangona taorian’ny 50 taona nivadiana.

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy, ny Loholona Haleck dia efa misiônera mandritra ny fotoana maharitra tany amin’ny Misiônan’i Samoa Apia, eveka, mpanolotsaina avon’ny tsatòka, patriarika, filohan’ny tsatòka ary ny tena vao haingana dia ny naha filohan’ny Misiônan’i Samoa Apia azy.

Ny Loholona Haleck dia mino fa ny zavatra rehetra niainany dia nitondra azy teo amin’ny toerana misy azy ankehitriny. “Raha manao jery todika ny fiainako aho dia afaka miteny fa afaka mahita ny tanan’ny Tompo,” hoy ny Loholona Haleck. “Feno fankasitrahana aho noho ilay fahatokian’ny Tompo napetrany tamintsika ary voninahitra ho ahy izany. Tiako ny Tompo ary manantena ny ho fitaovana tsara aho. Fantatro fa hanampy ahy ny Tompo.”