2011
Loholona LeGrand R. Curtis Jr.
Mey 2011


Loholona LeGrand R. Curtis Jr.

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder LeGrand R. Curtis Jr.

Ny Loholona LeGrand Raine Curtis Jr. dia mahafantatra fa “mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo” (F&F 64:34).

“Tiany ny manompo ao amin’ny Fiangonana ary miasa mafy sy manana toe-tsaina vonona izy rehefa manao izany,” hoy ny vadiny, Jane Cowan Curtis, izay novadiany tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 4 Janoary 1974. “Ny fanompoana no faniriana sy hetahetany lehibe indrindra.”

Ny Loholona Curtis dia naterak’i LeGrand R. sy Patricia Glade Curtis tamin’ny Aôgositra 1952, tao Ogden, Utah, Etazonia. Taty aoriana ny rainy dia lasa mpikambana iray tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy (1990–95).

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, ny Loholona Curtis Jr. dia nanompo tany amin’ny Misiônan’i Italie Avaratra ary efa eveka, mpisorona avo, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Italie Padova ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. Izy dia mpikambana iray tao amin’ny Kôlejy Fahadimin’ny Fitopololahy tao amin’ny Vondrom-paritr’i Utah Salt Lake City tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany.

Ny Loholona Curtis dia nahazo mari-pahaizana momba ny fihariankarena tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ary nahazo mari-pahaizana doctorat momba ny lalàna tao amin’ny Oniversiten’i Michigan. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpisolo vava sy mpiara-miombon’antoka tao amin’ny orisan’asa iray misahana ny lalàna izy. Ankoatry ny fanatrehana fianarana sy ny asa dia nahalehibe zanaka dimy ny Loholona Curtis sy ny vadiny.

Taorian’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy nanomboka tamin’ny 2004 ka hatramin’ny 2011, dia nilaza izy fa nankasitraka ny fahafahana niara-niasa tamin’ireo Manampahefana Ambony. “Nahazo fitahiana mba hiara-hiasa amin’ireo mpitarika sasantsasany tena miavaka ao amin’ny Fiangonana aho,” hoy izy. “Tombontsoa lehibe ny mijery azy ireo sy mianatra zavatra avy amin’izy ireo.”

Nilaza Rahavavy Curtis fa ny Loholona Curtis dia nanana tanana sy fo vonona. “Ny toetrany hatrizay dia ny hoe, ‘Hanao aho,’” hoy izy.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 dia mifarana amin’ireto teny ireto: “Ny marisika sy ny mpankatò no hihinana ny soa amin’ny tanin’i Ziona amin’izao andro farany izao.” Nilaza Rahalahy sy Rahavavy Curtis fa voatahy manokana izy ireo sy ny zanany ary ny zafikeliny noho ny fanompoana ny Tompo.