2011
Tokony ho Karazana Olona Toa Inona moa Ianareo?
Mey 2011


Tokony ho Karazana Olona Toa Inona moa Ianareo?

Hahita fahombiazana anie ianareo amin’ireo ezaka ataonareo mba hananana ny toetra tahaka ny an’i Kristy, ka ho hita soritra eny amin’ny tarehintsika ny Endriny ary hiseho amin’ny fihetsika ataontsika ny Toetrany.

Sary
Elder Lynn G. Robbins

Ilay fanontaniana hoe: “Misy ve aho sa tsy misy?” dia fanontaniana tena tsara.1 Nametraka izany fanontaniana izany tamin’ny fomba lalindalina kokoa ny Mpamonjy, izay nahatonga izany ho lasa fanontaniana ara-potopampianarana manan-danja ho antsika tsirairay avy: “Tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27; nampiana fanamafisana). Ny mpisolo anarana ho an’ny tena raha lazaina iharana dia Ahy. Nanasa antsika Izy hitondra ny Anarany sy hanana ny Toetrany.

Mba hahatonga antsika ho toa Azy dia tsy maintsy manao ny zavatra nataony koa isika: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany no filazantsarako; ary fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo ao amin’ ny fiangonako; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa” (3 Nefia 27:21; nampiana fanamafisana).

Tsy afaka misaraka ny toetra ananana sy ny atao. Amin’ny maha-fotopampianarana mifampiankina azy ireo dia mifanamafy sy mifampandroso amin’ny fanatanterahana azy ireo izy roa ireo. Ohatra, manainga anao hivavaka ny finoana, ary ny vavaka kosa manamafy ny finoanao.

Matetika ny Mpamonjy no nanameloka ireo nanao ny tsara nefa tsy tsara ny toetra—ary niantso azy ireny hoe mpihatsaravelatsihy: “Manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy” (Marka 7:6). Ny manao ny tsara nefa tsy tsara ny toetra dia fihatsarambelatsihy, na mody miseho hoe manana ny maha izy azy—tahaka ny mpihambo.

Ny mifamadika amin’izany koa dia hoe ny tsara toetra nefa tsy manao ny tsara dia zava-poana, tahaka “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17; nampiana fanamafisana). Ny hoe tsara toetra nefa tsy manao ny tsara dia tena tsy tsara toetra—famitahan-tena izany, fieritreretana ny tena ho tsara, noho ny antony fotsiny hoe tsara ny faniriana.

Ny manao ny tsara nefa tsy tsara toetra—fihatsarambelatsihy—dia maneho endrika ivelany izay mamitaka ny hafa, raha toa kosa ka mamitaka ny tena ny tsara toetra nefa tsy manao ny tsara.

Namelively mafy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo noho ny fihatsarambelatsihiny ny Mpamonjy: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolo”—zavatra izay ataon’izy ireo—“[amin’ny] solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana” (Matio 23:23). Amin’ny fomba fiteny hafa dia tsy nanana ny toetra izay tokony ho toetrany izy ireo.

Na dia fantatry ny Mpamonjy aza ny maha-zava-dehibe ny manao ny tsara,dia namaritra ny toetra ananana ho toy ny “zavatra faran’izay lehibe” ny Mpamonjy. Ny maha-zava-dehibe kokoa ny manana toetra tsara dia aseho amin’ireto ohatra manaraka ireto:

  • Ny firotsahana amin’ny ranon’ny batisa dia zavatra ataontsika. Ny toetra ananana izay tokony hialoha lalana izany dia ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiovam-po mahery vaika.

  • Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia zavatra ataontsika. Ny hoe toetra mendrika handray ny fanasan’ny Tompo dia zava-dehibe sy manan-danja kokoa.

  • Ny fanendrena ao amin’ny fisoronana dia asa na zavatra atao. Kanefa ny zavatra manan-danja kokoa dia ny herin’ny fisoronana izay mifototra amin’ “ireo fitsipiky ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36), na amin’ny toetra.

Maro amintsika no manao lisitr’ireo zavatra atao mba hampahatsiahy antsika ny zavatra tiantsika ho tanterahina. Saingy mahalana kosa no mahita olona manao ny lisitry ny toetra tokony ananana. Nahoana? Ny zavatra atao dia asa na zava-mitranga ary azo asiana marika rehefa hoe vita. Ny toetra kosa dia zavatra tsy vita na oviana na oviana. Tsy azonao asiana marika ny toetra ananana. Afaka mitondra ny vadiko mamonjy takariva mahafinaritra amin’ny andro Zoma aho, izany dia zavatra atao. Fa ny hoe manana ny toetry ny vady tsara dia tsy zavatra atao fa mila ho ampahan’ny toetra maha-izaho ahy, ampahan’ny toetrako na ampahan’ny hoe iza moa aho.

Sa moa ve isika manisy marika hoe vita ny asa mahakasika ny zanaka iray, amin’ny maha-ray aman-dreny antsika? Tsy misy fiafarana ny hoe manana ny toetry ny ray aman-dreny tsara antsika. Ary mba ho ray aman-dreny tsara dia iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika atao ny mampianatra ny zanatsika ny fomba hahatonga azy ireo bebe kokoa ho tahaka ny Mpamonjy.

Ny toetra araka an’i Kristy dia tsy hita maso, kanefa izy ireny no hery manosika ny zavatra atao, izay hita maso. Ary mba ho ray aman-dreny tsara dia iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika atao ny mampianatra ny zanatsika ny fomba hahatonga azy ireo bebe kokoa ho tahaka ny Mpamonjy. Izany asa izany dia mampiseho ilay fitiavana tsy hita ao am-pon’izy ireo, ary ny finoana sy fanantenana tsy mibaribary eo amin’ireo ho zava-bitan’ireo zanany. Mitohy tsy tapaka isan’andro isan’andro ny ezaka ataon’izy ireo—porofon’ny toetra mifono faharetana sy fikirizana izay tsy hita ivelany.

Hampivoatra ny toetra amim-pahombiazana kokoa ny fampianarana ny tokony ho toetra ananana mihoatra ny fifantohana amin’ny zavatra atao mba hampivoarana ny toetra satria ny toetra ananana no manosika hanao zavatra, ary hery manosika aorian’ny fanaovan-javatra iray.

Rehefa mampiseho toetra tsy mendrika ireo ankizy, ohatra hoe mifamaly izy ireo, dia matetika isika no mandray fitsipi-pifehezana araky ny zavatra nataon’izy ireo na ny fifamaliana hitantsika. Kanefa ny zavatra natao—ny fihetsik’izy ireo—dia tsy inona fa endrika ivelany amin’ny hery manosika tsy hita maso ao am-pon’izy ireo. Mety hanontany tena isika hoe: “Toetra inona, raha takatry ny ankizy iray, no hanitsy izany fihetsika izany amin’ny hoavy? Ny ho be faharetana sy mamela heloka ve rehefa sorena? Sa feno fitiavana sy tia fihavanana? Sa ny fandraisana ny andraikitry ny tena manokana manoloana ny zavatra nataon’ny tena ary tsy manameloka?”

Ahoana no fomba ampianaran’ireo ray aman-dreny ireo toetra ireo amin’ireo zanany? Tsy hanana fahafahana tsara kokoa entina hampianarana sy hampisehoana ny toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ireo zanatsika isika mihoatra noho ny amin’ny fomba fifehezantsika azy ireo. Ny fifehezana dia midika faharetana sy fampianarana avy amintsika. Tsy tokony ho atao amim-pahatezerana izany. Afaka sy tokony hifehy amin’ny fomba izay ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121, izay amin’ny alalan’ny “fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy; amin’ny halemem-panahy sy fahalalana madio” (Andininy 41–42). Ireo rehetra ireo dia toetra tahaka ny an’i Kristy izay tokony ho ao anatintsika, amin’ny maha-ray aman-dreny sy mpianatr’i Kristy antsika.

Mianatra ny vokatry ny zavatra atao ny ankizy amin’ny alalan’ny fitsipi-pifehezana. Manampy tokoa amin’ny fotoana tahak’izany ny famadihana ireo zavatra maneho fahadisoana ho zavatra mitondra amin’ny tsara. Raha mibaboka amin’ny tsy mety nataony ilay zaza dia derao ny risi-po nananany izay nahafahany nibaboka. Anontanio azy ireo ny zavatra nianarany avy tamin’ny fahadisoana na ny zavatra tsy mety nataony izay manome anao, fa indrindra indrindra ho an’ny Fanahy, fahafahana hikasika ny fony sy hampianatra azy ireny. Rehefa mampianatra azy ireo ny fotopampianarana araky ny Fanahy isika dia hanana hery hanova ny maha-izy azy—ny toetrany—izany fotopampianarana izany rehefa ela ny ela.

Takatr’i Almà koa izany fitsipika izany, dia ny hoe “hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra.” (Almà 31:5; nampiana fanamafisana). Nahoana? Satria ny sabatra dia nentina ampitahorana fotsiny mba hanasaziana ny fihetsika—na zavatra atao—, raha ny fitorian-teny kosa dia entina hanovana ny tena toetran’ny olona—, ny naha-izy azy ireo na ny mety ho toetra hahatongavan’izy ireo.

Ny zanaka iray hendry sy mpankato dia tsy hitarika afa-tsy ny fampidirana ny ray aman-dreniny hanaraka ny taranja Fomba Fitaizana Zanaka: ny Abidia eo ambony latabatra fotsiny ihany. Fa raha toa kosa ianao ka manana tombontsoa manokana hanan-janaka izay mitaky ny faharetanao amin’ny faran’ny mafy indrindra dia ho voaray amin’ny taranja Fomba Fitaizana Zanaka: Ambaratonga Ambony. Mba tsy handaniana andro hisaintsainana ny zavatra tsy mety nataonao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka nahatonga izao ozona mahazo anao izao dia azonao atao ny mandray izany zaza saro-taizana izany ho fitahiana sy fahafahana hahatonga ny tenanao bebe kokoa ho toa an’Andriamanitra. Amin’ny zanaka manao ahoana no ho tsapaina sy hampitomboana ary hatsaraina kokoa ny faharetanao sy ny fahari-ponao ary ireo toetra hafa tahaka ny an’i Kristy? Mety ho azo eritreretina ve fa sady mila izany zaza izany ianao no mila anao koa izy?

Efa samy nandre ilay teny hoe manameloka ny ota fa tsy ny mpanota angamba isika. Dia torak’izany ihany koa, rehefa manao fahadisoana ny zanatsika dia tokony hitandrina isika mba tsy hiteny zavatra izay hahatonga azy ireo hino fa ny zavatra diso nataony dia mamaritra ny toetrany. “Aza avela mihitsy ny fahadisoana hivoatra avy amin’ny zavatra atao ho tonga toetra mamaritra ny maha-izy an’ny tena,” miaraka amin’ireo anarana apetaka hoe “ketrina,” “domadoma,” “kamo,” na “votsavotsa.”2 Zanak’Andriamanitra ireo zanatsika ireo. Izany no tena toetrany sy ny hery anaty ananany. Ny Drafiny dia ny hanampy ireo Zanany handresy ireo fahadisoana ary hivoatra ho tonga tahaka Azy. Noho izany ireo fihetsika mandiso fanantenana dia tokony ho raisina ho toy ny zava-mandalo sy voafetra ihany—fa tsy raisina ho maharitra akory, raisina ho fihetsika fa tsy toetra mamaritra ny maha-izy ny tena.

Mila mitandrina isika, noho izany, amin’ny fampiasana andian-teny toy ny hoe “Izao foana ny anao …” na hoe “ianao dia tsy mba ho … velively” rehefa manitsy azy ireo. Tandremo tsara ny andian-teny toy ny hoe: “Tsy miraharaha ny fihetseham-poko mihitsy ianao” na hoe “nahoana ianao no tsy maintsy mampiandry anay foana?” Ny andiam-pitenenana toy izany dia mahatonga ny fihetsika ho toy ny maha-izy an’ny tena ary afaka mampisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahitan’ny ankizy ny tenany manokana sy ny hasarobidiny.

Mety hitranga ihany koa ny fikorontanan-tsaina mikasika ny maha-izy an’ny tena rehefa hanontaniantsika ny zanatsika iray hoe tiany ho tonga inona izy rehefa lehibe, tahaka ny hoe ny asa ataon’ny olona iray ireny no mamaritra ny tena maha-izy azy. Tsy tokony hahafahana mamaritra ny maha-izy ny olona iray na ny hasarobidiny manokana ny anton’asany na ny fananany. Mpandrafitra be fanentren-tena ny Mpamonjy, kanefa tsy namaritra ny fiainany izany.

Mba hanampiana ny ankizy hahafantatra ny tena maha-izy azy sy hanamafy orina ny fahatsapany ho hasarobidy dia afaka maneho fankasitrahana azy ireo tamin’ny zava-bitany na ny fihetsiny isika—izany hoe amin’ilay atao. Kanefa mbola ho tsara kokoa aza ny mampifantoka ny fankasitrahantsika azy ireo amin’ny toetrany sy ny finoany—izany hoe ny maha-izy azy ireo.

Eo amin’ny fifaninana ara-panatanjahantena iray ohatra dia fomba tsara hanehoana fankasitrahana ny zava-bitan’ny zanatsika—zavatra natao—ny manao izany araky ny fomba fijery ny toetra, toy ny hoe ny tanjany, ny fikirizany, ny fahatokian-tenany manoloana ny fizahan-toetra, sy ny sisa,—ka amin’izany dia sady maneho fankasitrahana amin’ny toetra ananany no amin’ny zavatra nataony.

Rehefa mangataka ny zanatsika hanao raharaha isika dia afaka mikaroka ihany koa ireo fomba hankasitrahana azy ireo amin’ny toetra asehony, arak’ izao hoe: “Mahafaly ahy tokoa rehefa manao raharaha amin-tsitrapo ianareo.”

Rehefa mahazo taratasy mirakitra ny isa azo any an-tsekoly ny zanaka iray dia afaka midera azy isika noho ny salan’isa ambony azony, kanefa mety hisy tombony maharitra kokoa raha midera azy noho ny fahazotoany: “Hainao daholo ny asa rehetra. Tena hainao tokoa ny miatrika sy manatanteraka zavatra sarotra. Tena mirehareha ny aminao aho.”

Mandritra ny fotoana hamakian’ny fianakaviana ny soratra masina dia mikaroha sy mifanakaloza hevitra amin’ireo karazana toetra hita tao amin’ny vakinteny tamin’io andro io. Satria fanomezana avy amin’Andriamanitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ka tsy afaka ny hampivoatra izany isika raha tsy misy ny Fanampiany,3 amin’ny vavaka ataon’ny fianakaviana sy ataon’ny tena manokana, mivavaha mba hahazo ireo fanomezana ireo.

Rehefa eo am-pihinanana sakafo hariva dia miresaha tsindraindray mahakasika ireo toetra, indrindra ireo izay vao nianarana avy tamin’ny soratra masina ny maraina. “Tamin’ny fomba ahoana no nanehoanareo fa namana tsara ianareo androany? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoanareo fangorahana? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny finoana anareo hiatrika ny fanamby atrehinareo ankehitriny? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoanareo fa atokisana ianareo? na marin-toetra? na malala-tanana? na manetry tena?” Maro ireo toetra ao amin’ny soratra masina izay ilaina ampianarina sy ianarana.

Ny fomba tsara indrindra ampianarana ny toetra dia ny fananana ny toetran’ny maha-ray aman-drenin’ireo zanatsika antsika tahaka ny maha-raintsika ny Ray any an-danitra. Izy no hany ray aman-dreny tonga lafatra ary nizara tamintsika ny fomba fitaizany—dia ny soratra masina.

Niantefa indrindra amin’ireo ray aman-dreny ny lahateniko androany kanefa azon’ny rehetra ampiharina ireo fitsipika voalaza. Hahita fahombiazana anie ianareo amin’ireo ezaka ataonareo mba hananana ny toetra tahaka ny an’i Kristy, ka ho hita soritra eny amin’ny tarehintsika ny Endriny ary hiseho amin’ny fihetsika ataontsika ny Toetrany. Avy eo rehefa mahatsapa ny fitiavanao sy mahita ny fihetsikao ny zanakao na ny hafa, dia hitarika azy hanatona ho any Aminy izany. Izany no vavaka sy fijoroana ho vavolombelona ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. William Shakespeare, Hamlet, Prince of Denmark, Toko 3, sehatra 1, andalana 56.

  2. Carol Dweck, quoted in Joe Kita, “Bounce Back Chronicles,” Reader’s Digest, Mey 2009, 95.

  3. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 115.