2011
Loholona Ian S. Ardern
Mey 2011


Loholona Ian S. Ardern

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder Ian S. Ardern

Raha vao misy antso an-tariby na misy mandondona ny varavarana, ny teny voalohany mivoaka ny vavan’ny Loholona Ian Sidney Ardern izay miavaka dia ny hoe “Inona no hanampiako anao?”

Naterak’i Harry sy Gwladys McVicar Wiltshire tany Te Aroha, Nouvelle Zélande izy tamin’ny Febroary 1954. Nilaza ny Loholona Ardern fa matetika dia toa ireo asa fanompoana madinidinika no mitondra fiovana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpanome sy ny mpandray. “Tsy mora foana akory ny fanaovana asa fanompoana, saingy mitahy foana ny fiainanao izany,” hoy ny Loholona Ardern.

Ny Loholona sy Rahavavy Ardern dia nihaona fony izy ireo nianatra tany amin’ny Oniversiten’ny Fiangonana tany Nouvella Zélande ary nivady tany amin’ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande tamin’ny 17 Janoary 1976. Ireo zanany efatra dia lehibe tao anatin’ny tokantrano iray izay nanao ho laharam-pahamehana ny fifampiahian’ny tsirairay ao anatin’ny fitiavana sy ny filana ny fahatakarana sy fiainana ny filazantsara. “Tena fitahiana ny mahita izany laharam-pahamehana izany koa ao an-tokantranon’ireo zanakay manambady,” hoy ny Loholona Ardern.

Laharam-pahamehana ho an’ny fianakaviana Ardern ny fanarahana ireo fampianaran’ny mpaminany ao an-tokantrano. Lasa fahazarana ny fandalinana ny soratra masina isan’andro satria nataon’ny ankizy izay hitrangan’izany mba hahafahan’izy ireo mifandimby mametaka taratasy mena mandraikitena eo amin’ny kalandrie mba hampisehoana fa vita ny famakiana tamin’izany andro izany. “Afaka miseho ireo fahazarana tsara amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra,” hoy Rahavavy Ardern.

Talohan’ny niantsoana ny Loholona Ardern ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, dia nanompo ho mpitory ny filazantsara tany France sy Belgique izy, filohan’ny Zatovolahin’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsain’ny eveka, eveka, mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Fiji Suva ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Ny Loholona Ardern dia nahazo ny mari-pahaizana licence sy maîtrise miompana amin’ny fampianarana avy tao amin’ny oniversiten’i Waikato ao Nouvelle Zélande. Ny asa aman-draharaha niandraiketany dia ahitana ireo karazan-toerana maro nohazoniny tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana toy ny mpampianatra, mpitantana, mpampirindra ny seminera tao Nouvelle Zélande, talen’ny Oniversiten’ny Fiangonana tao Nouvelle Zélande ary Mpitantana ny Vondrom-paritra Pasifika.