2011
Loholona J. Devn Cornish
Mey 2011


Loholona J. Devn Cornish

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder J. Devn Cornish

Ny Loholona John Devn Cornish dia mahafantatra fa ny mpikambana rehetra sy ny antso rehetra ato amin’ny Fiangonana dia manan-danja.

“Zava-dehibe ny mahatsiaro fa rehefa miresaka momba ny antso ato amin’ny Fiangonana dia tsy mampaninona na aiza na aiza ipetrahantsika ao amin’ilay fiaramanidina—ny zava-dehibe dia ny hoe ao anatin’ilay fiaramanidina isika,” hoy izy. “Ny maha mpandray anjara anao ao amin’ilay asa no zava-dehibe mandrakizay. Tena kely ny lanjan’izay toerana misy anao ao.”

Nanomboka tamin’ny antsony mba hanompo tao amin’ny Misiônan’i Guatemala–El Salvador ka hatrany amin’ilay antsony vao haingana indrindra tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy, ny Loholona Cornish dia nanolo-tena foana teo amin’ny fanatanterahana ireo antsony tao amin’ny Fiangonana tamin’izy filohan’ny Zatovolahin’ny sampana, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpitantsoratra mpanatanteraky ny paroasy, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, mpanolotsaina avo, eveka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’ny Repoblika Dominikana ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Ny Loholona Cornish izay naterak’i George sy Naomi Cornish tamin’ny Aprily 1951 tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, dia lehibe tany Utah sy Georgia ary Virginia, Etazonia, talohan’ny niverenany tao Utah mba hianatra any amin’ny oniversite.

Rehefa nipetraka tao Provo izy dia nihaona tamin’i Elaine Simmons nandritra ny fiaraha-mientan’ny tanora mpitovo. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah izy ireo tamin’ny Aôgositra 1973.

Tao anatin’ny famelomana zanaka enina niaraka tamin’ny vadiny, ny Loholona Cornish dia nanompo tao amin’ny Vondron’ny mpitsabo tao amin’ny Tafika Ana habakabak’i Etazonia. Nahazo ny mari–pahaizana licence sy mari-pahaizana momba ny fitsaboana avy tao amin’ny Oniversiten’i Johns Hopkins izy ary nanao ny internat mikasika ny fitsaboana aretin’ankizy tao amin’ny Sekoly Fianarana ho Mpitsabo tao Harvard—tao amin’ny Hôpitalin’ny Ankizy tao Boston.

Ny fianarana sy ny asa tany Idaho, Texas, Californie, ary Georgia, Etazonia dia nampifindrafindra im-betsaka ny fianakaviana tao anatin’ny taona iray, saingy na taiza na taiza nisy azy ireo dia nilaza ny Loholona sy Rahavavy Cornish fa tiany ny nanompo tao amin’ny Fiangonana.

“Miroborobo manerana an’izao tontolo izao ny asa, ary fitahiana lehibe ny fahafahana manompo ny zanaky ny Tompo na aiza na aiza misy azy ireo,” hoy ny Loholona Cornish.