2011
Loholona Kazuhiko Yamashita
Mey 2011


Loholona Kazuhiko Yamashita

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder Kazuhiko Yamashita

Hatramin’ny naha-eveka vao herotrerony azy tany Fukuoka, Japana taona maro lasa izay, ny Loholona Elder Kazuhiko Yamashita dia nianatra avy tamin’ireo ohatra sy toetra tsara nasehon’ireo mpitarika zokiny azy.

Fotoana fohy taorian’ny nanambadian’ny Loholona Yamashita an’i Tazuko Tashiro vadiny, dia niala tao Tokyo ary nifindra tany Fukuoka izy ireo, izay toerana niantsoana ny Loholona Yamashita ho eveka raha teo amin’ny 30 taona latsaka teo izy.

“Mafy tamiko sy ny fianakaviako izany,” hoy ny Loholona Yamashita. “Nanan-janaka telo izahay tamin’izany fotoana izany ary vaovao taminay ilay faritra—saingy fampianarana tena tsara ho ahy koa izany sy fotoana nisintonana lesona, ary lasa natanjaka kokoa ny fijoroana ho vavolombeloko sy ny finoako.”

Nilaza Rahavavy Yamashita fa nahita ny vadiny nandray antso maro izy ary nahita azy lasa ray tsara sy mpitarika ara-panahy lehibe tamin’ny alalan’ireo olana natrehana tao anatin’ireo antso ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia hitany fa niova izy ary lasa ray sy vady tsara fanahy sy be fitiavana kokoa. Tian’ity fianakaviana ity ny manokana fotoana iarahana, ka ao anatin’izany ny fanaovana dia lavitra isan-taona.

Ny Loholona Yamashita izay teraka tamin’ny Septambra 1953 dia zanakalahin’i Kiyoshi sy Sadae Yamashita. Lehibe tao Tokyo, Japana izy izay toerana nahitany ny Fiangonana tamin’ny 1971 tamin’ny alalan’ilay Expo 70, izay Tsenabe Iraisam-pirenana.

Ny Loholona Yamashita dia nahazo ny mari-pahaizana licence momba ny fampianarana avy tao amin’ny Oniversiten’i Saitama ary nahazo ny mari-pahaizana maîtrise momba ny siansan’ny fanatanjahantena avy tao amin’ny Oniversiten’i Tsukuba. Izy koa dia nianatra momba ny filôzôfian’ny fanatanjahantena tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young. Ny Loholona Yamashita dia efa mpampianatra sy prôfesora tany amin’ny oniversite maro ary niasa tao anatin’ny fikambanana siantifika sy fikambanana teo amin’ny fiaraha-monina ary fikambanana ara-panatanjahantena maro.

Ny Loholona Yamashita sy ny vadiny dia nivady tamin’ny 29 Marsa 1980 ary nofehezina tamin’ny Desambra 1980, taorian’ny fahavitan’ny Tempolin’i Tokyo Japana. Manan-janaka enina izy ireo.

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, ny Loholona Yamashita dia efa eveka, mpanolotsaina ambony, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.