2011
Loholona José L. Alonso
Mey 2011


Loholona José L. Alonso

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder José L. Alonso

Na dia talohan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana azy aza i José Luis Alonso Trejo dia efa nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny vavaka. “Fony aho 11 taona,” hoy izy, “dia saika maty. Nilavo lefona ireo dokotera mikasika ahy—henoko tampoka izy ireo niresaka an’izany. Noho izany dia nivavaka aho ary nivavaka tamin’ny Tompo dia nositraniny.

“Taty aoriana rehefa naheno ny tantaran’i Joseph Smith izy ary nahafantatra ny niresahan’ny zatovolahy 14 taona monja tamin’Andriamanitra dia fantany fa marina izany. Fantatro fa afaka mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra ary fantany isika.”

Nitarika ny Loholona Alonso koa izany fahatsapana fankaherezana izany rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna izy. “Noho ny vavaka sy izany boky izany dia fantatro tsy tamim-pihambahambana fa i Jesoa no Kristy,” hoy izy.

Ny Loholona Alonso dia naterak’i Luis sy Luz Alonso tany Mexico, Mexique, tamin’ny Nôvambra 1958. Rehefa lasa zatovolahy izy dia nifindra tao amin’ny tanànan’i Cuautla, Mexique, ka lasa mpikamban’ny Fiangonana izy tao amin’izany toerana izany. Ny fanatrehany ny fiaraha-mientana ifampizarana dia nahatonga azy hifandray tamin’ireo zatovo matanjaka izay naka azy ho namana ary nanao izany hoy toy ny fonenany faharoa. Tamin’ny nanatrehana ny fiaraha-mientana ifampizarana koa no nahitany an’i Rebecca Salazar, ilay zatovovavy izay ho lasa vadiny taty aoriana.

Rehefa feno 19 taona ny Loholona Alonso dia nandeha nanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra tany amin’ny Misiônan’i Hermosillo Mexique. Taorian’ny asa fitoriana dia nivady tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona ny Loholona Alonso sy Rebecca tamin’ny 24 Febroary 1981. Manan-janaka roa izy ireo.

Ankoatry ny naha-mpitantana ny Institiota fianarana ny filazantsara azy tao amin’ny Departemantan’ny Fampianara an’ny Fiangonana, dia manana ny mari-pahaizana mpitsabo misahana ny fivelaran’ny ankizy izy ary niasa tamin’ny maha-dokotera homéopathe azy sy amin’ny maha-dokotera mpandidy azy. Ny asa aman-draharahany dia naneho ny faniriana efa hatry ny ela ny hanompo sy hitahy ny hafa—toy ilay nitahian’ny Tompo azy koa fony izy narary tamin’ny fahazazany. “Miteraka firaisan-kina sy firahalahiana ny fanompoana ny hafa,” hoy izy.

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, ny Loholona Alonso dia efa eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, mpanolotsain’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Mexique Tijuana ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.