2011
Mitady Mpandray Anjara Hanaovana Fanadihadiana
Mey 2011


Mitady Mpandray Anjara Hanaovana Fanadihadiana

Raha toa ianao ka te-hisarika ny sain’ny ao amin’ny Liahona na Ensign ary ny sain’ireo olona an-tapitrisany maro izay mamaky ireo hafatra ao amin’ny gazetiboky dia ity no ahafahanao manao izany. Ny gazetiboky dia mitady mpikambana manerana an’izao tontolo izao izay vonona ny hizara ny fomba fijeriny tamin’izay zavatra natao ary vonona ny handray anjara amin’ny fanadihadiana tsotra sy fohy ao amin’ny internet isan-taona. Raha toa ka te-handray anjara ianao dia mandefasa azafady e-mail any amin’ny liahona@ldschurch.org na ensign@ldschurch.org ary soraty eo amin’ny faritra hanoratana ny lohahevitry ny zavatra hosoratana ny hoe “Magazine Evaluation.” Ireo izay hanao izany an-tsitrapo dia tsy maintsy manana ny internet ary afaka miteny Anglisy na Portogey na Espaniôla. Ny fomba fijerinao momba ny zavatra izay natao dia hanampy bebe kokoa ny gazetiboky hanome izay ilain’ny mpamaky manerana an’izao tontolo izao.