2011
Ankalazaina Tsara Kokoa ny faha-400 taonan’ny Baiboly amin’ny alalan’ny Fandalinana Bebe Kokoa araka ny Torohevitra ao amin’ny Tenin’ireo Apôstôly
Mey 2011


Ankalazaina Tsara Kokoa ny faha-400 taonan’ny Baiboly amin’ny alalan’ny Fandalinana Bebe Kokoa araka ny Torohevitra ao amin’ny Tenin’ireo Apôstôly

Tsy kisendrasendra akory ny fananantsika ny Baiboly ankehitriny,” hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.1 Nohazavainy fa misy ny Baiboly noho ny fankatoavan’ireo olona marina izay nanaraka ilay bitsika mba hirakitra ireo traikefa sy fampianarana masina ary koa ny finoana sy ny herimpon’ny hafa ka ao anatin’izany ny an’ny mpandika teny izay taty aoriana dia nahafoy zavatra maro mba “hiarovana sy hitahirizana” ny Baiboly.

Ny 2 Mey 2011 dia manamarika ny faha-400 taonan’ny namoahana voalohany ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James. Ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao die efa mankalaza ny namoahana ny Baiboly amin’ny alalan’ny fivorian’ny manam-pahaizana, fety fankalazana, kaonseritra, fifaninanana miteny ary zavatra maro hafa. Nanoro fomba anankiray hafa ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hanamarihana izany fotoana izany: amin’ny alalan’ny fampivelarana ny fitiavana ny Baiboly rehefa mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony isika ary mandalina ireo tenin’ny mpaminany sy apôstôly fahiny.

“Tokony ho tena feno fankasitrahana ny Baiboly Masina isika,” hoy ny Loholona Ballard. “Tiako ny Baiboly sy ny fampianarany ary ny lesona sy ny fanahy ao anatiny. … Tiako ny fomba fijery sy ny fiadanana azo avy amin’ny famakiana ny Baiboly.”2

Miombon-kevitra amin’izany ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Tiantsika sy hajaintsika ny Baiboly,” hoy izy. “Hita voalohany ao anatin’izany bokintsika masina izany, ireo ‘soratra masintsika izay nankatoavina.’”3 Nampahatsiahy antsika izy fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia nitranga satria nandalina ny Baiboly i Joseph Smith ary nampihatra finoana tao anatin’ilay fampanantenana natao ao amin’ny Jakoba 1:5 hoe hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.

Rehefa nitantara ireo zava-niseho izay nanamboatra ny lalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naneho fankasitrahana an’ireo rehetra nanao izay hahatanteraka ny fandikana sy ny famoahana ny Baiboly. Noho ny asan’izy ireo dia azon’ny olona rehetra vakiana ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James—ary noho ny fananan’i Joseph Smith izany dia tafaverina teto an-tany indray ny Fiangonana Marina. “Koa moa ve hahagaga raha toa ka ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James no Baiboly amin’ny teny Anglisy nankatoavin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?” hoy ny fanontanian’ny Loholona Hales.4

“Isika dia tsy maintsy mahatsiaro foana ireo maritiora tsy tambo isaina izay nahafantatra ny herin’ny [Baiboly] sy nanolotra ny ainy mba hahafahantsika mahita ao anatin’ny teniny ilay fahasambarana mandrakizay sy ilay fiadanan’ny fanjakan’ny Raintsika any an-danitra,” hoy ny Loholona Ballard.5

Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara tantara momba ny famakiany ny Baibolim-pianakaviana iray izay efa naharitra an-jato taonany maro ary nahita teny teo amin’ny pejin-dohateny manao hoe: “Ny fanontana tsara indrindra ny Baiboly dia ny fanaovana izay hanontana azy tsara ao amin’ny fon’ilay mpamaky.”6 Notohizany tamin’ity soratra masina ity izany: “Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ny olona rehetra” (2 Korintiana 3:2).

Amin’ny alalan’ny fahafantarana sy ny fitiavana ny Baiboly ary ireo lahatsoratra masina miaraka aminy dia afaka maneho ny fankasitrahantsika isika sy mihanoka amin’ireo fitahian’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

“Eritrereto ny halehiben’ny fitahiantsika noho ny fananana ny Baiboly Masina sy ireo soratra masina 900 pejy fanampiny,” hoy ny Loholona D. Todd Christofferson. “Enga anie isika hivoky hatrany amin’ny tenin’i Kristy izay hiteny amintsika ireo zavatra tokony hataontsika.”7

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” Liahona sy Ensign, Mey 2007, 80.

  2. M. Russell Ballard, Liahona ary Ensign, Mey 2007, 81.

  3. Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Liahona ary Ensign, Mey 2008, 92.

  4. Robert D. Hales, “Preparations for the Restoration and the Second Coming: My Hand Shall Be over Thee,” Liahona ary Ensign, Nôv. 2005, 90.

  5. M. Russell Ballard, Liahona ary Ensign, Mey 2007, 80.

  6. Boyd K. Packer, “The Book of Mormon: Another Testament of Jesus Christ,” Liahona, Jan. 2002, 73; Ensign, Nôv. 2001, 63.

  7. D. Todd Christofferson, “The Blessing of Scripture,” Liahona sy Ensign, Mey 2010, 35.

Mitohy misarika ny mpikamban’ny Fiangonana foana ankehitriny ilay Dikantenin’ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James feno 400 taona.

© IRI