2011
Loholona Larry Y. Wilson
Mey 2011


Loholona Larry Y. Wilson

Ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Elder Larry Y. Wilson

Fanamby ho an’ny Loholona Larry Young Wilson ny fandanjalanjana ireo zavatra takian’ny andraikitra eo amin’ny asa sy ny Fiangonana ary ny fianakaviana, saingy nanome toky ireo olona ao amin’ny fianakaviana izy fa tena manan-danja aminy izy ireo.

“Ny zavatra tena nisy fiantraikany lehibe indrindra teo amiko dia ny maha-vady sy ray ahy,” hoy ny Loholona Wilson. “Mahalana ny tsy fahafahako nanatrika ny zavatra nataon’ny zanaka iray ara-panatanjahantena na momba ny mozika na hetsika hafa. Izaho dia mamaky tantara fitantara alohan’ny hatoriana ary miara-mivavaka amin’izy ireo alohan’ny hanitrihana azy ireo ao anaty fandriana amin’ny alina. Tena zava-dehibe ny fankanesana eo.”

Ny Loholona Wilson dia mahafantatra tsara ny zavatra takiana amin’ny olona iray izay manana andraikitra ho mpitarika eo amin’ny lafin’ny fiainana rehetra. Izy dia naterak’i George sy Ida Wilson tamin’ny Desambra 1949 tao Salt Lake City, Utah, Etazonia ary lehibe tao Pocatello, Idaho, Etazonia. Nahazo mari-pahaizana licence momba ny teny Anglisy sy ny literatiora Amerikana avy tao amin’ny Oniversiten’i Harvard izy ary taty aoriana dia nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanan-draharaha avy tao amin’ny Sekoly antsoina hoe Stanford Graduate School of Business.

Ny Loholona Wilson dia niasa toy ny mpanoro hevitra sy mpiandraikitra tao amin’ny orinasa misahana ny fitsaboana. Na dia mafy aza ny asany dia nataon’ny Loholona Wilson izay tsy hibahanan’izany velively ny fiainany.

“Mila manisy fetra eo amin’ny asanao ianao,” hoy izy. “Raha tsy izany dia hateliny daholo ny zavatra hafa rehetra. Azo lazaina hoe ny fanatanterahana ny zavatra mikasika ny asa sy ny Fiangonana ary ny fotoana ho an’ny fianakaviana dia tsy maintsy mifandimby mba miandry kely. Mivavaha mba hahazo fitarihana ary dia hahafantatra ianao hoe inona no laharam-pahamehana amin’ny andro iray manokana.”

Ny Loholona Wilson dia nanompo tamim-pahavitrihana tamin’izy misiônera tany amin’ny Misiônan’i Brésil sy tamin’izy eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy.

Ny olona manampy ny Loholona Wilson mba hahita izany fandanjalanjana lehibe izany dia i Lynda Mackey Wilson vadiny, izay novadiany tamin’ny 10 Jolay 1974 tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Nahalehibe zanaka efatra ry Wilson mivady.