2011
Niteny Tamintsika Izy Ireo: Omeo Anjara Toerana eo amin’ny Fiainantsika ny Fihaonamben’ny Fiangonana
Mey 2011


Niteny Tamintsika Izy Ireo

Omeo Anjara Toerana eo amin’ny Fiainantsika ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Ampiasao ny sasany amin’ireto fanambarana sy asa atao ary fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na fandinihina ataon’ny tena manokana rehefa manome anjara toerana ny fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainanao ianao.

Afaka mahita ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ianao ao amin’ny internet ao amin’ny conference.lds.org.

Fanamarihana: Ny pejy voatanisa etsy ambany dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Ho an’ny Ankizy

  • Nanambara ny Filoha Thomas S. Monson fa hanangana tempoly telo vaovao ny Fiangonana ka ho lasa 160 ny totalin’ireo tempoly amperin’asa sy eo andalam-panorenana ary ireo tempoly vao nambara fotsiny ny fanorenana azy. Jereo ny sarintany mba hahitana an’i Meridian, Idaho, Etazonia; Fort Collins, Colorado, Etazonia; Winnipeg, Manitoba, Kanada; ary ny tempoly akaiky indrindra misy any amin’izay fonenanao. Vakio na avereno tantaraina ny sasany amin’ireo tantara nozarain’ny Filoha Monson momba ireo mpikambana mahatoky izay naneho fihafiana lehibe mba handehanana any amin’ny tempoly (pejy 90). Mametraha tanjona mba handeha any amin’ny tempoly faran’izay haingana vitanao, na resaho ireo fomba ahafahana mijanona ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

  • Fony niaina teto an-tany i Adama sy Eva, ny iray tamin’ireo fomba fitsaohany ny Ray any an-danitra dia tamin’ny alalan’ny fanaovany sorona biby. Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry fa ny Mpamonjy dia nametraka teo anivon’ny mpianany ny fanasan’ny Tompo tamin’ny andro Sabata mba ho toy ny endrim-pitsaohana vaovao. Manohy ny fitsaohana amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isika rehefa Sabata. Avereno vakiana amin’ny maha-fianakaviana ny lahatenin’ny Loholona Perry (pejy 6) mba hianarana momba ny fomba fiakanjo tokony ho izy rehefa Alahady sy ireo fomba hafa hanajana ny fanasan’ny Tompo sy ny Sabata.

  • Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson fa i Jesoa Kristy dia nampianatra antsika fa tokony hiezaka ny ho tonga tahaka Azy sy ny Raintsika any an-danitra isika (pejy 97). Indraindray ny Raintsika any an-danitra dia “manafay” ny zanany mba hanampiana antsika ho lasa tahaka Azy. Ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe manafay. Vakio na avereno zaraina ny tantaran’ilay hazom-boaloboka. Resaho hoe ahoana no ahafahan’ny tsy fahafahana nivoatra na ny tsy fahombiazana tena manampy antsika ho lasa hatanjaka kokoa sy hitondra vokatra tsara kokoa.

  • Ny Loholona Richard J. Maynes dia nampianatra fa ny fianakaviana dia afaka ho toy ny tady (pejy 37). Ny tady dia misy lahiny maro izay malemy raha mandeha irery saingy matanjaka kosa rehefa miaraka arandrana. Torak’izany koa, rehefa manao ny marina ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana ary mifanampy, dia matanjaka ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ary afaka manao zavatra bebe kokoa noho izay azony atao rehefa izy irery. Omeo tapa-tady kely ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianao. Resaho ireo fomba entina hanompoana sy hampahatanjahan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana. Dia jereo ny tena hamafin’ireo tapa-tady rehefa atambatra izy ireo.

Ho an’ny Tanora.

  • Moa ve ny olona ao amin’ny kilasinao na ny kôlejinao manao izay hiraisana hina? Aorian’ny famerenana mamaky ny lahatenin’ny Filoha Henry B. Eyring momba ny firaisan-kina (pejy 62) dia tanisao ireo zavatra azonao atao mba hampifanakaiky kokoa ireo olona ao anatin’ny vondrona misy anao.

  • Ny Loholona Russell M. Nelson dia niresaka momba ilay fomba fankatoavana “samy maka izay tiany” (pejy 34). Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny fianakavianao na ny olona ao amin’ny kilasinao na ny kôlejinao ny dikan’izany ary nahoana no tsy mety izany.

  • Ny Loholona M. Russell Ballard dia namaritra ny fitiavana madion’i Kristy ho toy ny fitiavana mifono asa (pejy 46) izay aseho amin’ny alalan’ny asa tsotra maneho hatsaram-panahy sy asa fanompoana tsotra. Mandaminà fomba iray ahafahan’ny olona ao amin’ny kilasinao na ny kôlejinao maneho fitiavana amin’ny olona iray ao amin’ny paroasy na ny sampana na fiaraha-monina misy anao dia tanteraho izany drafitrao izany.

  • Ny Loholona Quentin L. Cook dia niresaka momba ilay tantaran’ny kitapo iray izay hita taorian’ny lanonam-pandihizan’ny zatovo (pejy 18). Nilaza zavatra maro momba ilay zatovovavy tompon’ilay kitapo ny zavatra hitan’ireo mpitarika tao anatin’izany. Milaza inona momba anao ireo zavatra ao anatin’ny kitaponao na ny poketranao na ny kitapo fitondranao mianatra ary inona avy ireo fanovana tianao hoentina eo amin’ireo zavatra manaraka anao foana?

  • Ny Loholona Lynn G. Robbins dia niresaka momba ny hahatongavana bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy (pejy 103). Eritrereto ny dikan’ny hoe lasa tahaka an’i Jesoa Kristy fa tsy hoe manao izay angatahiny fotsiny. Dia eritrereto hoe inona avy ireo fiovana azonao atao eo amin’ny fiainanao mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy.

Ho an’ny Olon-dehibe

  • Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf (pejy 58) dia nizara tantara iray momba ny lehilahy iray tsy nahay nanararaotra ny tombontsoa azony satria tsy nanao ireo zavatra maro sy tsy nihinana ny sakafo tsara natolotra tao anatin’ilay sambo fitsangantsanganana izy noho ny tsy fahafantarany fa ireo zavatra ireo dia tafiditra tao anatin’ny saran’ny tapakilany. Ifanakalozy hevitra amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mihazona ny fisoronana ny fomba ahafahan’izy ireo miaina araka ny tokony ho izy “ireo tombontsoany manokana eo amin’ny lafin’ny hery masina sy fanomezam-pahasoavana ary tsodrano izay soa ho [azy ireo] sy zony amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy ireo.”

  • Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampianatra momba ny herin’ny famelan-keloka (pejy 30). Moa ve misy olona tokony havelanao heloka na moa ve misy zavatra niainana mampikorontan-tsaina tokony “havelanao … any”? Katsaho ny fanampian’ny Tompo eo amin’ny fitadiavana fiadanana sy hery hamelana heloka.

  • Ny Loholona Richard G. Scott dia niresaka momba ny fomba nifanehoan’izy sy ny vadiny fitiavana tamin’ny alalan’ny fifanoratana taratasy (pejy 94). Manorata teny kely izay milaza ny halehiben’ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao ny vadinao. Apetraho any amin’ny toerana izay hahitan’ny vadinao azy izany.

  • Ny Loholona David A. Bednar dia niresaka momba ny zavatra niainan’ny Filoha Joseph F. Smith teo amin’ny fanaovana izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona (pejy 87). Avereno vakiana izany tantara izany ary eritrereto hoe inona avy ireo trangan-javatra izay nisy fiantraikany teo amin’ny fijoroana ho vavolombelonao.

Ljubljana, Slovénie

Coatzacoalcos, Mexique