2021
Christoffel Golden
Septambra/Ôktôbra 2021


Tantaram-piainan’ ny Filohan’ ny Vondrom-Paritra

Christoffel Golden

Niarahaba ny Loholona Christoffel Golden ny Vondromparitra Afrika Atsimo mba ho Filoha mpitarika izany amin’ny aogositra 2021. Amin’ny maha-Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo azy, dia miara-manompo amin’ny Loholona Edward Dube (Mpanolotsaina Voalohany) sy ny Loholona Ciro Schmeil (Mpanolotsaina Faharoa) izy.

Ny Loholona Golden dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 31 martsa 2001.

Filohan’ny Vondromparitra Eorôpa Atsinanana izy talohan’izao antso izao.

Fitopololahin’ny Vondromparitra ho an’ny Vondromparitra Afrika sy ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana ny Loholona Golden teo aloha. Efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika ihany koa izy ary Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana, Mpanolotsaina Voalohany sy Faharoa tao amin’ny Vondromparitra Afrika Andrefana, ary Tale jeneralin’ny Departemanta misahana ny fisoronana sy ny fianakaviana tao amin’ny Foiben’ny Fiangonana ao Salt Lake City.

I Christoffel Golden dia teraka tao Johannesbourg Afrika Atsimo tamin’ny 1 jona 1952. Nanambady an’i Diane Norma Hubert izy ny volana desambra 1981. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nilaza ny Loholona sy Rahavavy Golden fa tombontsoa miavaka izany miverina any amin’ny tany nahaterahany izany mba hanompo ireo olomasina namany ao Afrika Atsimo sy ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika.