2021
Fandalinana soratra masina sy ny eritreritro momba ny mpangalatra
Septambra/Ôktôbra 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Fandalinana soratra masina sy ny eritreritro momba ny mpangalatra

“Tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny zanatsipika mirehitra rehetra an’ny fahavalo.”1

Vao tsy ela aho no nikasa hiala tao Mtwivilla Street ka hifindra any amin’ny trano vaovao iray ao Ikonongo, trano vitsivitsy monja miala amin’ny tranon-drazako ao Tanzanie. Andro vitsivitsy taorian’izay dia nandoa ny hofan-tranoko iray volana voalohany aho, ary nanomboka nahare resaka momba ny mpangalatra. Nolazain’ilay ramatoa mpiray vodirindrina tamiko ny nangalarana ny findainy andro vitsy lasa izay. Tsy nampahazo aina ahy ilay resaka ary nieritreritra aho hoe tsy tsara ho ahy angamba ny mifindra. Nibahana tato an-tsaiko ny tahotra hany ka nanapaka sy nanimba ny fandalinako ny soratra masina isan’andro mihitsy izany.

Rehefa avy nitolona tamin’izany nandritra ny andro vitsivitsy aho dia nisafidy ny hanaraka ny fandaharam-potoanako amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Rehefa namaky ny fizarana fahatelo aho dia nisarika ny saiko ny andininy faha-7 sy faha-8, rehefa nananatra an’i Joseph Smith ny Tompo taorian’ny nanomezany an’i Martin Harris ireo sora-tanana niisa 116 pejy, ary very ireo pejy ireo avy eo. Fantatsika fa niankina be tamin’ny fanampian’i Martin Harris namany i Joseph Smith ka maika ery izy noho izany ny hanao ny zavatra nangatahin’ilay namany. Nilaza tamin’i Joseph Smith anefa ny Tompo hoe: “Fa indro, tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao . . .

“Tokony ho nahatoky ianao; ary dia ho namelatra ny sandriny Izy ka ho nanohana sy ho niaro anao tamin’ny zanatsipika mirehitra rehetra an’ny fahavalo; ary dia ho niaraka taminao Izy tamin’ny fotoan-tsarotra rehetra.”2

Nandrava ny tahotro rehetra izany fanomezan-toky izany ary tsapako fa nandany fotoana sarobidy nieritreretana ny zavatra mety hataon’ny mpangalatra amiko ao amin’ilay toerana vaovao aho fa tsy mba natoky ny amin’izay azon’ny Tompo hatao amiko. Tonga tamiko ny eritreritra mazava fa ny zavatra nilaiko dia ny hanao ny anjarako amin’ny fanakatonana ireo varavarankely sy varavarana amin’ny alina, avy eo dia mitandrina ireo didin’ny Tompo, ary hitondra fiadanana sy fiarovana amin’ilay toerana vaovao misy ahy Izy.

Faly aho fa nisafidy ny hamaky ireo soratra masiko. Teo ihany niandry ahy ny vahaolan’ilay olako: dia ny hanaraka fotsiny ilay fanasan’ny mpaminany mba hamaky isan’andro ny soratra masina. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fananana ny Fanahy Masina ho namana izay nanazava ny saiko mba hahatakatra izany fahamarinana sarobidy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany.

Nifindra ihany aho nony farany, ary nilamina ny zava-drehetra rehefa nanohy nanao ny anjarako aho sy namela ny Tompo hanao ny Azy. Nampandroso ahy hatrany ny fiadanana sy ny fahatoniana ary ny fampaherezana azoko avy amin’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina ary nampitombo ny finoako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

I Magreth Ayo Nyambita dia mpikambana ao amin’ny sampan’i Mwanza ao Tanzania.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7–8.