2021
Ny diako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Septambra/Ôktôbra 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Ny diako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

“Tsy hay nosarahina toy ny gidro isika!”: ny fomba ahafahan’ny ‘diako eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana’ hitahy ny fiainan’ireo mpikambana vaovao sy ny an’ireo mpikambana eo an-dalam-piverenana ho mavitrika.

Vao avy nisara-panambadiana sy nanan-janaka kely roa i Gina Randall tamin’izy tonga mpikambana tamin’ny Fiangonana tany Johannesburg, Afrika Atsimo tamin’ny taona 1969. Tsy nisy fianakaviana nanohana izy ary tsy nanana namana tato am-piangonana. Lehibe ny sampana vaovao nisy azy. Traikefa nananosarotra ny fandehanana tany am-piangonana.

“Niankina be tamin’ilay misiônera izay nampahafantatra ahy ny Fiangonana aho tamin’ny voalohany, saingy rehefa nihananakaiky ny fiafaran’ny fotoana nanompoany, dia tsapany fa nila namana iray hafa aho,” hoy izy. “Nampifankafantariny tamina olona iray hafa aho, rahavavy zokiko kokoa izay natao batisa nanodidina ny fotoana nanaovana batisa ahy.

“Tsy hay nosarahina toy ny gidro izahay!” hoy ny Rahavavy Randall. “Ny fananana olona teo anilako monja nandritra ny fotoana izay toa naha-vaovao sy naha hafahafa ny rehetra tamiko dia nanome fampiononana lehibe ho ahy. Tena tady namikirako mihitsy izy.”

Ankehitriny, 52 taona taty aorina izay mbola maha-mpikambana azy dia izao no ambarany: “Matetika aho no manontany tena hoe ho toy ny ahoana aho ankehitriny raha tsy noho izy.”

Fahatsapan-tena ho amin’ny toerana tokony hisy ny tena

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily fa “ny fanasan’ny Mpamonjy ho any Aminy dia fanasana ho an’ny rehetra tsy hoe hanatona Azy fotsiny ihany fa mba ho isan’ny Fiangonany ihany koa.”1

Vao haingana ny toeram-pitsaboana Mayo no nanao fanamarihana ny amin’ny lanjan’ilay fotokevitr’olombelona hoe ‘fahatsapan-tena ho amin’ny toerana tokony hisy ny tena.’ “Saika ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika no voarindra manodidina ny vondrona misy antsika,” hoy ny Filoha Ballard nitatitra ny fanambarana nataon’ilay toeram-pitsaboana. “Tsy afa-misaraka amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina ny lanjan’ny fahatsapana ho isan’ny vondrona iray—ary ampiako aza hoe, ny fahasalamantsika ara-panahy.”2

Misy ilay fandaharana atao hoe Ny diako eo amin’ny Lalan’ny Fanekempihavanana mba hanampy ireo izay vao haingana no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana na eo an-dalam-piverenana ho mavitrika ato am-piangonana mba hanana izany fahatsapan-tena ho amin’ny toerana tokony hisy ny tena izany. Na vao haingana ianao no niditra ny ranon’ny batisa, na nanapa-kevitra ny hiverina ato am-piangonana taorian’ny fotoana naha-tsy tao anao nandritra ny fotoana elaela, dia eo amin’ny lalana vaovao izay hitondra anao ho amina zavatra iainana vaovao maro ianao izao. Ilay fandaharana Ny diako eo amin’ny Lalan’ny Fanekempihavanana dia natao hanampy anao handeha eo amin’ io lalana io mba hahafahanao hitoetra ho miorim-paka amin’ny finoanao amin’i Jesoa Kristy sy hahatsapa tena ho tsy vahiny fa tompon-trano ao amin’ny Fiangonana.

Ilay fandaharana dia natao hanampy anao hahita ny tenanao sy hitarika anao eo amin’ny dianao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny zavatra iainana fototra. Izany dia natao indrindra mba hanaovanao ireo dingana miaraka amina namana iray avy ao amin’ny paroasy na sampana misy anao—izay mazàna no olona nantsoina ho rahalahy na rahavavy mpanompo. Io namana io dia hanampy anao hahatakatra ny dingana manan-danja manaraka hataonao eo amin’ny dianao eo amin’ny lalan’ny fenekempihavanana, ny zavatra mila ataonao ho fiomanana, ary ny fomba ahafahanao mahazo fanohanana eo amin’izany dingana izany.

Mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Toy ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo zavatra iainana fototra ao amin’ilay fandaharana:

  • Minamana amin’ireo mpikambana ao amin’ny sampana na ny paroasy misy anao

  • Mianatra momba ny Fisoronana Aharôna

  • Mandray fahazoan-dalana voafetra hidirana ny tempoly

  • Manampy ireo razambe handray ireo ôrdônansy masina

  • Mandray anjara amin’ny takarivan’ny mpianakavy

  • Lasa mizaka tena

  • Mianatra momba ny Fisoronana Melkizedeka

  • Mandray ny fanafianao masina any amin’ny tempoly

  • Fehezina amin’ny fianakavianao

Raha toa ianao ka mpikambana vaovao, dia saika holalovanao avokoa mandritra ny iray taona nahavitanao batisa sy nandraisana anao ho mpikambana ireo zavatra iainana rehetra voatanisa ao amin’ilay torolalana. Ny fandraisanao ny fanafianao masina sy ny famehezana anao amin’ny fianakavianao dia afaka mitranga any amin’ny voalohandohan’ny taona faharoa naha-mpikambana anao.

Raha toa ka efa mihoatra ny iray taona no naha-mpikambana anao dia afaka hisitraka ireo zavatra iainana rehetra ireo ianao raha vantany vao vonona ny hanao izany. Mety ho efa nanomboka niaina ny sasany amin’ireo zavatra niainana ireo ianao; raha izany no izy dia hanampy anao hanatsara kokoa ny zavatra izay efa ataonao ilay torolalana. Ny laharana sy ny hafainganam-pandeha tianao hanatanterahana ireo dingana ireo dia tokony hifanaraka amin’ny toe-javatra iainanao, sy ny fahavononanao ary ny fanirianao.

Amin’ny herintaona, ireo pejy iresahana ireo zava-mitranga eo an-toerana ao amin’ny Liahona ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo dia hanasongadina ny sasany amin’ireo zavatra iainana fototra ao amin’ny torolalana ho an’Ny diako eo amin’ny Lalan’ny Fanekempihavanana.

Ny anjara asan’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo

“Ny anjara asanao amin’ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao na ireo eo an-dalam-piverenana ho mavitrika dia tsotra kanefa manan-danja,” araka ny ambaran’ny teny fampidiran’Ny diako eo amin’ny Lalan’ny Fanekempihavanana amin’ireo izay voatendry hanompo. “Ny fahafahana manan-danja indrindra ho anao dia ny ho namana tena izy ho azy ireo. Ianao ihany koa dia ho mpanoro hevitra sy ho mpitari-dalana azy ireo mandritra ireo taona roa amin’ny maha-mpikambana azy ireo.

Ity loharanom-pitaovana ity dia hanampy anao amin’izany anjara asa manan-danja izany. Angatahina aminao ny hampianatra ireo mpikambana vaovao tsirairay sy ireo eo an-dalam-piverenana ho mavitrika ny zavatra iainana tsirairay ao amin’ ilay loharanom-pitaovana, ary hanampy azy ireo hamita ireo asa atao. Ho an’ireo asa atao izay manomboka amin’ny hoe “Mianara momba ny . . .”, ianao dia hamerina hijery sy hiresaka momba ireo loharanom-pitaovana izay ao anaty lisitra amin’ilay mpikambana vaovao na eo an-dalam-piverenana ho mavitrika. Ataovy izay rehetra vitanao mba hanampiana ilay rahalahy na rahavavy vaovao hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, sy hahatsapa ny fitiavanao, ka hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”3

Ny Rahalahy Tracy Watson, talen’ny Integration (fifampifandraisana) eo anivon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay manampy amin’ny fiahiana ny fampandehanana ilay fandaharana, dia milaza fa tsy azo hamaivanina ny anjara asanao amin’ny fandraisana ho namana sy ny fanohanana ny mpikambana vaovao na eo an-dalam-piverenana ho mavitrika izay iandraiketanao. “Tsy afaka ny hitsimoka sy hitombo ny voan’ny finoana raha tsy hoe maniry ao anatin’ilay tany izay miorina amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny finamanana izy ireo,” hoy izy. “Vitsy dia vitsy ireo olona izay afaka mijanona ho miorim-paka ato am-piangonana sy tsy tena manana fifamatorana ara-pinamanana. Mba hahafahan’ny finoana mitombo sy hahafahan’ny olona tena hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka izay hitondra ho any amin’ny tempoly amin’ny farany, dia ilaina tokoa ireo fifandraisana ireo.”

Misaotra anao amin’ny fanampiana amin’ny fitazomana izany tany izany ho lonaka, sy amin’ny fanampiana izany fijoroana ho vavolombelona izany hitombo ka ho afaka ny hanomboka ny ho lasa fy (jereo ny Almà 32:28) amin’ilay rahalahy na rahavavy mpikambana vaovao na ilay mpikambana an-dalam-piverenana ho mavitrika iandraiketanao.

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Fanantenana ao amin’i Kristy,” Liahona, Mey 2021, 53.

  2. M. Russell Ballard, “Fanantenana ao amin’i Kristy,” 53.

  3. My Covenant Path: Welcome to The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints [2020], iv.