Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika

Manasa antsika ny Mpamonjy hijery ny fiainantsika amin’ny alalany, mba hahitantsika taratra kokoa Azy eo amin’ny fiainantsika.

Ry ranadahy sy rahavavy, amim-panetrentena tokoa no ijoroako manoloana anareo amin’izao maraina izao. Miombom-po aminareo aho mankasitraka fa vory isika, na aiza na aiza misy anareo manerana izao tontolo izao, mba handre hafatra avy amin’ny mpaminany, apôstôly, mpahita, mpanambara ary mpitarika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Raha atao sariohatra isika dia lasa tahaka ny vahoaka tamin’ny andron’ny Mpanjaka Benjamina, manangana ny laintsika ary mampitodika ny varavarantsika any amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra ety an-tany,1 dia ny Filoha Russell M. Nelson.

Hatramin’izay nahatsiarovako saina dia tsy mahita tsara aho ary mila manao solomaso apetaka hatrany aho mba hanitsiana ny fahitako. Rehefa manokatra ny masoko aho amin’ny maraina, dia toa mampikorontan-tsaina ny tontolo. Manjavozavo sy feno pentipentina ary mibilobiloka ny zava-drehetra. Eny fa na ilay vady malalako aza dia mitovy kokoa amin’ireny hosodoko saro-takarina ireny fa tsy ilay endrika ankamamiana sy mankahery araka ny tena izy. Ho ahy dia mandeha ho azy ny hoe mila maka ny solomasoko aho aloha, eo am-panombohana ny tontolo androko, mialoha ny hanaovako zavatra hafa, mba hanampy ahy hahita ny manodidina ahy sy hiaina zavatra mahafinaritra kokoa satria ampiany aho hitety toerana maro mandritra ny tontolo androko.

Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa nahafantatra aho hoe izany fihetsika izany dia maneho ny fiankinako isan’andro amin’ny zavatra anankiroa: ny voalohany dia ilay fitaovana izay manampy ahy hampazava tsara sy hampiravona tsara ary hampitombina tsara ny tontolo manodidina ahy, ary ny faharoa dia ilay filàna fitarihana azo tsapain-tanana mba hanoro ahy ny lalana marina hizorana. Izany zavatra fanao mahazatra tsotra izany ho ahy dia tahaka ny filazana manan-danja iray momba ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Eo amin’ny fiainantsika, izay matetika feno fanontaniana sy ahiahy sy faneriterena ary irika hanaovan-javatra, dia loharano azontsika ianteherana isan’andro ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika tsirairay, amin’ny maha-zanany antsika ao amin’ny fanekempihavanana, ary koa ny fampianarany sy ireo lalàny, mba hahatonga antsika ho “fahazavana izay mamirapiratra, … manazava ny mason[tsika] … [sy] mampahavitrika ny fahatakaran[tsika].”2 Rehefa katsahintsika eo amin’ny fiainantsika ireo fitahian’ny Fanahy dia ho afaka isika, araka ny nampianarin’i Jakôba, ny hahita “ny zavatra araka ny tena toetrany sy … araka ny ho tena toetrany.”3

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika ao amin’ny fanekempihavanana dia nomena antsika manokana ireo fitaovana marobe notendren’ Andriamanitra mba hanatsarana ny fahitantsika ara-panahy. Ireo teny sy fampianaran’i Jesoa Kristy araka ny voarakitra ao amin’ny soratra masina sy ireo hafatra avy amin’ireo mpaminany nofinidiny ary ny Fanahiny izay raisina amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro sy ny fandehanana any amin’ny tempoly matetika ary ny ôrdônansin’ny fanasan’ny tompo isan-kerinandro, dia afaka manampy anao hamerina amin’ny laoniny ny fiadanana sy hanome ny fanomezan’ny fahaiza-mamantatra izay tena ilaina ary mitondra ny fahazavan’i Kristy sy ny fahatakarany eo amin’izay ao am-pontsika tsy miloaka sy eo amin’ity tontolo izay mety semban-drahona ity. Afaka ny ho tondro avaratra sy ho mpanamory sambo ho antsika ihany koa ny Mpamonjy rehefa mitety ny ranomasin’ny fiainana isika na rehefa tony izany na rehefa misamboaravoara. Azony atao tsotra tsara ilay lalana marina izay mitondra antsika mankany amin’ilay toerana itodihantsika mandrakizay. Noho izany, inona no tiany ho hitantsika ary aiza no tiany halehantsika?

Ny mpaminany malalantsika dia nampianatra fa “tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika” ary isika dia tsy maintsy “[miezaka] mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra.”4 Nampanantena ihany koa ny Filoha Nelson fa “tsy misy zavatra manasa ny Fanahy kokoa mihoatra noho ny fifantohanao amin’i Jesoa Kristy. … Hitarika sy hanoro lalana anareo amin’ny fiainanareo manokana Izy raha toa ianareo ka hanokana fotoana ho Azy eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.”5 Ry namako, i Jesoa Kristy dia sady tanjon’ny fifantohantsika no anton’ilay toerana itodiantsika. Mba hanampiana antsika hijanona tsy hihozongozona ary mitodi-doha any amin’ny lalan-kizorana marina, dia manasa antsika ny Mpamonjy hijery ny fiainantsika amin’ny alalany mba hahitantsika taratra kokoa Azy eo amin’ny fiainantsika. Nianatra io fanasana manokana io aho tamin’ny fandalinako ny Testamenta Taloha.

Ny lalàn’i Mosesy dia nomena an’ireo Isiraelita taloha mba ho filazantsara fiomanana, natao mba hahatonga ny vahoaka ho vonona ho amin’ny fanekempihavanana avoavo kokoa izay hifanaovany amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.6 Ilay lalàna feno fifanahafana izay manoro ireo mpino mba “[hiandrandra] ny fiavian[a]” sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,7 dia natao hanampy ny vahoakan’Isiraely hifantoka amin’ny Mpamonjy amin’ny fampiasana ny finoana Azy sy ny sorona nataony ary ireo didy sy lalàna nomeny eo amin’ny fiainan’izy ireo8 ary natao hitondra azy ireo amin’ny fahatakarana kokoa ny Mpanavotra azy ireo.

Tahaka antsika amin’izao fotoana izao ihany, ny vahoakan’ Andriamanitra fahiny dia nasaina hijery ny fiainan’izy ireo amin’ny alalany mba hahitany taratra kokoa Azy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Kanefa mandrapahatonga ny fotoana nanompoan’ny Mpamonjy, dia tsy nijery intsony an’i Kristy ireo Isiraelita teo amin’ny fanajan’izy ireo, ka nanilikilka Azy sy nanampy fombafomba tsy nankatoavina tao amin’ny lalàna izay tsy mampianatra tandindona manondro mankamin’ilay hany tena loharanon’ny famonjena sy fanavotana azy ireo—dia i Jesoa Kristy.9

Lasa nikorontana sy maizina ny andavanandrom-piainan’ireo Isiraelita. Ny zanak’Isiraely, izay niaina an’izany, dia nino fa ireo fombafomba sy ireo zavatra fanao amin’ny lalàna no lalana mankamin’ny famonjena ho an’ny tena manokana ka ampahany mahatonga ny lalàn’i Mosesy ho lasa zara fa fitambarana fitsipika napetraka mba hitantanana ny fiainan’ny olom-pirenena fotsiny.10 Izany dia nitaky ny Mpamonjy mba hamerina amin’ny laoniny ny fifantohana sy ny fahazavana amin’ny filazantsarany.

Tamin’ny farany ny maro tamin’ireo Isiraelita dia nandà ny hafatra nomeny, ary tonga hatrany amin’ny fanendrikendrehana ny Mpamonjy ho nandika lalàna mihitsy—Izy izay nanome ny lalàna sy nanambara fa Izy no “ilay lalàna sy ilay fahazavana”11. Na izany aza i Jesoa tao amin’ny toriteny nataony teo an-tendrombohitra, rehefa niresaka momba ny lalàn’i Mosesy, dia nanambara hoe: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.”12 Avy eo ny Mpamonjy, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana mandrakizay nataony, dia namarana ireo fitsipika sy lalàna ary fombafomba fanao izay nohajain’ny vahoakan’Isiraely tamin’izany fotoana izany. Ny sorona farany nataony no nitarika ny fiovàn’ny fanaovana sorona ny fanatitra dorana ho lasa fanomezana “fo torotoro sy fanahy manenina,”13 ny ôrdônansin’ny fanaovana sorona ho lasa ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Ny Filoha M. Russell Ballard, raha nampianatra momba io lohahevitra io dia nilaza hoe: “Amin’ny lafiny iray, ny fanaovana sorona dia niova ka ny fanatitra no lasa mpanao fanatitra.”14 Rehefa mitondra ny fanatitsika ho an’ny Mpamonjy isika, dia asaina isika mba hahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika, rehefa ataontsika manaiky Azy am-panetrentena ny sitrapontsika ho fankasitrahana sy fahatakarana ny fanekeny tanteraka ny sitrapon’ny Ray. Rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy isika, dia mahafantatra sy mahatakatra fa Izy no hany loharano sy lalana hahazoana famelan-keloka sy fanavotana, eny, mankamin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana farantampony izany.

Amin’ny maha-kristiana avy amin’ny fivavahana hafa ahy taloha dia nifanena tamin’olona maro aho izay nahatsikaritra sy nahita fiovana teo amin’ny fihetsiko sy ny fanaoko ary ny safidiko taorian’ny nidirako ho mpikamban’ny Fiangonana. Liana izy ireo ny hahafantatra ny “antony” mahatonga ny zavatra hitany—nahoana aho no nisafidy ny hatao batisa sy hiditra ho mpikamban’ ity vondron’olona mpino ity, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany, nahoana no misy zavatra sasantsasany tsy ataoko amin’ny Sabata, nahoana aho no mahatoky amin’ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena, nahoana aho no mamaky ny Bokin’i Môrmôna, nahoana aho no mino sy mampihatra ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina eo amin’ny fiainako, nahoana aho no manatrika ny fivoriam-piangonana isan-kerinandro, nahoana aho no manasa ny hafa mba “hanatona ka hizaha sy hanatona ka hanampy,[hanatona] ka hitoetra,”15 ary “[hanatona ka hanana toerana].”16

Tamin’izany fotoana izany ireo fanontaniana ireo dia toa navesatra ary miharihary fa indraindray dia niendrika fanamelohana. Kanefa rehefa sahirana tamin’ny olona nisikotra ahy tamin’ny fanontaniana aho dia lasa nahafantatra fa ny fanadihadiana ataon’izy ireo, raha ny tena marina, dia fanasana voalohany ho ahy handray sy hametaka solomaso ara-panahy mba hanazava sy hampifantoka ary hanambatra ny antony nanosika ahy hanaraka ny fomba fanao sy ny fitsipiky ny filazantsara. Inona no loharanon’ny fijoroana ho vavolombelona ananako? Moa ve aho manao “fombafomba ivelany” fotsiny fa tsy mamela ireo fombafomba ireo hisy fifandraisany amin’ny lalàn’ Andriamanitra mba “hanamafy ny finoa[ko] an’i Kristy,”17 sa ve aho mampiseho fahatakarana fa i Jesoa Kristy no hany loharanon’ny hery ao amin’ny fombafomba ataoko?

Amin’ny alalan’ny ezaka mafy ataoko hibanjina sy hitady an’i Jesoa Kristy amin’ny eritreritra sy izay atao rehetra, dia nahiratra ny masoko ary nitombo ny fahatakarako mba hamantatra fa i Jesoa Kristy dia niantso ahy mba “[hankany] Aminy.”18 Tsaroako tamin’izaho mbola mpianatry ny Tompo vaovao fony tanora dia nanasa ahy ireo misiônera mba hiaraka amin’izy ireo nampianatra ny filazantsara tamin’ny vondrona zatovovavy iray izay mitovitovy taona tamiko. Indray takariva izahay raha nipetraka tao amin’ny tokantranon’ny iray tamin’ireo zatovovavy ireo aho, dia nanindrona tao am-poko ny fanontaniana an-kitsim-po napetrak’izy ireo hoe “nahoana aho no mino,” ary izany dia namela ahy hijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo niaraka tamin’ny fahatakarana lalina kokoa ny amin’ny fahitan’ny Tompo ny antony ara-panahy mahatonga ahy ho mpianany, ary nanatsara ny fijoroana ho vavolombelona ananako hatrany hatrany.

Fantatro tamin’izay, tahaka ny fahafantarako ankehitriny, fa i Jesoa Kristy Mpamonjy dia mitarika antsika hankany amin’ireo trano fivoriana isan-kerinandro mba handray ny fanasany, sy hankany amin’ny tranon’ny Tompo mba hanao fanekempihavanana Aminy, ary ho any amin’ireo soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminany mba hianatra ny teniny. Mitarika ny vavantsika Izy mba hijoro ho vavolombelona ny Aminy, sy ny tanantsika mba hanampy sy hanompo tahaka ny hanampiany sy hanompoany, ary ny masontsika mba hahita ny tontolo sy isika samy isika tahaka ny fahitany—“araka ny tena toetrany sy … araka ny ho tena toetrany.”19 Ary rehefa avelantsika Izy hitarika antsika amin’ny zavatra rehetra, dia mandray fijoroana ho vavolombelona isika fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra,”20 satria izay toerana itadiavantsika Azy dia hahitantsika Azy21—isan’andro isan’andro. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.