Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Manakaiky ny Mpamonjy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Manakaiky ny Mpamonjy

Eo am-pikatsahana ny hahafantatra sy hitia ny Mpamonjy, dia mampanalavitra ny tenantsika amin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fampisehoana fa miavaka sy tsy fahita firy ary manana toetra misongadina isika, nefa tsy manasaraka ny tenantsika amin’ireo olona hafa eto amin’izao tontolo izao izay manana finoana hafa.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, anio hariva aho dia hiresaka amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay manetry tena sy mahafoy tena. Rehefa mahita ny hatsarana eo amin’ny fiainanareo aho sy ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo ato amin’ity firenena ity sy any amin’ireo firenena maro manerana an’izao tontolo izao dia mbola mitombo ny fitiavako anareo rehetra.

Tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoana nataony dia nangataka an’i Jesoa ny mpianany mba hilaza amin’izy ireo ny momba ny “famantarana ny [Fiaviany Fanindroany] sy ny fahataperan’izao tontolo izao.”1

Nolazain’i Jesoa tamin’izy ireo ireo toe-javatra hiseho mialoha ny fiverenany ary nofaranany izany tamin’ny fanambarana hoe: “Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia [ho fantatrareo] fa efa akaiky [ny fotoana].”2

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo dia nihaino tsara ny teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring aho: “Fantatsika tsirairay avy,” hoy izy, “na aiza na aiza misy antsika, fa miaina ao anatin’ny andro izay mihamahory hatrany isika. … Mahafantatra ny fahamarinan’izany izay olona manana maso mahita ireo famantarana ny fotoana sy sofina mandre ny tenin’ireo mpaminany.”3

Nidera ireo mpianany mahery fo ny Mpamonjy: “Fa sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.”4 Enga anie mba ho azontsika izany fitahiana izany rehefa mihaino akaiky ireo teny ambaran’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy ireo hafa mandritra ity fihaonambe ity isika.

Ny vary sy ny tsimparifary

Nanazava ny Tompo fa amin’izao fotoana farany mialoha ny fiverenany izao, ny “vary,” izay nofaritany ho “ny zanaky ny fanjakana,”5 dia hiara-haniry amin’ireo “tsimparifary,” na ireo izay tsy tia an’ Andriamanitra sy ireo izay tsy mitandrina ny didiny. “Hiara-maniry izy roroa”6.

Izany no tontolo hiainantsika mandra-piverin’ny Mpamonjy, izay ahitana tsara maro sy ratsy maro eo amin’ny lafiny rehetra.7

Mety hisy fotoana hahatsapa ianao fa tsy singan-tahom-bary matanjaka sy matoy. Manàna faharetana amin’ny tenanao! Nilaza ny Tompo fa ny vary dia ahitana ireo lohan-tsingan-tahom-bary malemilemy rehefa maniry.8 Isika rehetra anefa dia Olomasin’ny Andro Farany, ary na dia tsy mbola tonga amin’ilay tiantsika hahatongavana aza isika, dia maniry amim-pahamatorana ny ho tena mpianany.

Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Tsapatsika fa rehefa mihamitombo ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao, ny fitohizan’ny fiainam-panahintsika sy ny fiainam-panahin’ireo izay akaikin’ny fontsika, dia hitaky ny hikolokoloantsika sy ny hanamafisantsika orina ary ny hampatanjahantsika ny fakan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Nanoro hevitra antsika ny Apôstôly Paoly mba hamaka,9 ho mafy orina, sy tafatoetra10 amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy ny fahavononantsika hanaraka Azy. Ny andro anio sy ireo andro hoavy dia hitaky fifantohana sy ezaka mafy kokoa amin’ny fiambenana amin’ny fanarinariana dia, amin’ny tsifiraikana, ary amin’ny fanaovana tsirambina.11

Tsy tokony hatahotra isika na dia eo anatrehan’ny fitombon’ireo hery mitarik’izao tontolo izao manodidina antsika aza. Tsy handao velively ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo. Misy ny hery manonitry ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy sy ny fitarihana masina ho an’ny olo-marina.12 Io fitahiana ara-panahy izay fanomezana fanampiny io anefa dia tsy homena antsika noho isika anisan’ny ao anatin’ity taranaka ity. Tonga izany rehefa manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy mitandrina ny didiny isika ary rehefa mamantatra Azy sy mitia Azy. “Ary izao no fiainana mandrakizay,” hoy i Jesoa, “dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa [Kristy], Izay efa nirahinao.”13

Fantatsika tsara fa ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy marina sy ny fananana finoana Azy dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe fanapahan-kevitra noraisina indray mandeha ary mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe zava-mitranga indray mandeha. Dingana masina izay mivoatra sy mivelatra ao anatin’ireo vanim-potoana eo amin’ny fiainantsika izany, izay mitohy mandra-pandohalitsika eo an-tongony.

Eo anatrehan’ny fanirian’ny vary eo anivon’ny tsimparifary eto amin’izao tontolo izao, dia ahoana no ahafahantsika mampitombo sy manamafy orina ny fanolorantenantsika amin’ny Mpamonjy amin’ny ho avy?

Ireto misy hevitra anankitelo:

Mandroboka ny tenantsika ao amin’ny fiainan’i Jesoa

Voalohany, afaka mampirotsaka tanteraka ny tenantsika ao anatin’ny fiainan’i Jesoa, ny fampianarany, ny fiandrianany, sy ny heriny ary ny sorona fanavotana nataony isika. Hoy ny Mpamonjy: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra.”14 Nampahatsiahy antsika i Jaona hoe: “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”15 Rehefa miaina tsara kokoa ilay fitiavany isika dia tia bebe kokoa Azy aza, amin’ny fomba tena mandeha ho azy, ary manaraka tsara kokoa ny ohatra nasehon’i Kristy eo amin’ny fitiavana sy fikarakarana ireo izay sahirana. Isaky ny manao ezaka feno fahamarinana mitondra mankany Aminy isika, dia mahita Azy mazava kokoa.16 Tia Azy isika ary dia miezaka ny maka tahaka Azy amin’ireo fomba madinika ataontsika.17

Manaova fanekempihavanana amin’ny Tompo

Manaraka, rehefa mahafantatra sy mitia kokoa ny Mpamonjy isika, dia maniry kokoa aza isika ny hampanantena fa tsy hivadika Aminy ary ho azo atokisana. Manao fanekempihavanana Aminy isika. Atombotsika amin’ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa izany, ary hamafisintsika ireo fampanantenana ireo sy ny hafa rehefa mibebaka isan’andro isika sy mangataka famelan-keloka ary miandrandra fatratra ny handray ny fasan’ny Tompo isan-kerinandro. Mampanantena isika fa “hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny.”18

Rehefa vonona isika dia manaiky ny hanatanteraka ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Miaraka amin’ilay fahatsapana ny hery mitariky ny mandrakizay ao anatin’ilay fotoana masina sy tony ao amin’ny tranon’ny Tompo no hanaovantsika fanekempihavanana amim-pifaliana sy hanamafisantsika orina ny fahavononantsika hitandrina azy ireo.

Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana dia manome fahafahana ny fitiavan’ny Mpamonjy hilentika lalina kokoa ao am-pontsika. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson tao anatin’ny Liahona tamin’ity volana ity hoe: “Hampanakaiky kokoa hatrany antsika Aminy ny fanekempihavanan[tsika]. … Andriamanitra dia tsy hanapaka ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy.”19 Ary araka ny nolazain’ny Filoha Nelson tamin’ny fomba kanto tokoa io maraina io, “Isaky ny fanokanana ny tempoly vaovao tsirairay dia misy hery fanampiny avy amin’ Andriamanitra tonga eto amin’izao tontolo izao mba hampatanjaka antsika sy manohitra ny ezaka mihamafy ataon’ny fahavalo.”20

Hitanareo ve ny antony hitarihan’ny Tompo ny mpaminaniny mba hampanakaiky kokoa antsika amin’ireo trano masina sy hanome fahafahana antsika mba hiditra ny tranony matetika kokoa?

Rehefa miditra ny tempoly isika dia afaka amin’ireo hery mitarik’izao tontolo izao izay mitangorona eo amintsika, noho isika mianatra momba ireo tanjontsika eo amin’ny fiainana sy ireo fanomezam-pahasoavana mandrakizay atolotra antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Tandrovy ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Farany, ny hevitro fahatelo dia ny hoe: Ao anatin’ity fikatsahana masina atao ity, dia raisintsika ho toy ny sarobidy ary harovantsika amin’ny fontsika iray manontolo ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Filoha M. Russell Ballard taloha teo, sy ny Loholona Kevin W. Pearson vao haingana teo dia samy niresaka momba ny fampitandremana ara-paminaniana nataon’ny Filoha Nelson izay haveriko indray mandeha: “Tsy azo heverina ny hahatafavoahana velona ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, manoro hevitra, mampionona, ary eo mandrakariva.”21 Fanomezana tsy voavidim-bola izany. Manao izay vitantsika tsara indrindra isika mba hiarovana ireo zavatra iainantsika isan’andro mba hijanonan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amintsika. Isika no fahazavan’izao tontolo izao ary rehefa ilaina dia vonona isika ny hiavaka amin’ny hafa. Nanontany ireo tanora tokan-tena ny Filoha Dallin H. Oaks vao haingana hoe: “Moa ve [ianao] ‘sahy ny hiavaka amin’ny hafa? … [Tena] manan-danja … ireo safidy ataonao eo amin’ny fiainanao manokana. … Moa ve ianao handroso hatrany hanohitra ny fanakantsakanan’izao tontolo izao?”22

Safidio ny hiavaka amin’izao tontolo izao

Tao anatin’ny lahatsoratra iray naely tamin’ny tambajotran-tserasera, dia nangataka ireo mpianatry ny Tompo namana aho mba hizara ireo safidy izay nataon’izy ireo ka nitaky azy ireo mba hiavaka amin’izao tontolo izao. Naharay valiny an-jatony aho.23 Indreto misy vitsivitsy amin’izany:

Amanda: Mpitsabo mpanampy ao amin’ny fonja eo an-toerana ny asako. Miezaka mikarakara ireo voafonja tahaka ny ho nataon’i Kristy aho.

Rachel: Mpihira tantara an-kira an-tsehatra aho, ary matetika no raisina toy ny hoe hanao izay akanjo omena ahy eo aho, na manao ahoana na manao ahoana ny fahamaotinan’izany. [Noho izaho efa nandray ny fanafiana masina,] dia niteny tamin’ireo [mpamokatra] aho fa hilaina hatao [maotina] ny akanjo. Tsy faly izy ireo … saingy nanao ireo fanovana ihany fa tamim-pahalainana. Tsy hatakaloko zavatra hafa ny fiadanana azo avy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fotoana rehetra.

Chriss: Mpisotro toaka be aho (fa eo an-dalam-pahasitranana). Mendrika ny hiditra ny tempoly ary mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mihambahamba aho miresaka momba ireo zavatra niainako mahakasika ny fiankinan-doha sy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i [Jesoa Kristy].

Lauren: Niara-nanoratra tantara fohy tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko tao amin’ny lisea aho. Tian’izy ireo hiteny ratsy variraraka tampoka ilay olona tony sy maotimaotina lalaoviko ao anatin’ilay tantara. Nanery ahy foana izy ireo saingy nandà aho ary tsy nilefitra.

Adam: Olona maro no tsy mino rehefa miteny aho hoe manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary misafidy ny hanalavitra ny pôrnôgrafia. Tsy takatr’izy ny tombony azoko avy amin’ny fifaliana sy ny filaminan-tsaina omen’izany ahy.

Ella: Ny raiko dia mpikambana ao anatin’ny vondron’ny LGBTQ (vehivavy miaraka amina vehivavy, lehilahy miaraka amina lehilahy, ary ireo olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany). Miezaka foana aho mandinika ireo zavatra tsapan’ny olona hafa eo am-pijoroako ho vavolombelon’i Kristy sy eo am-panehoako fa mahatoky amin’ny zavatra izay inoako.

Andrade: Nanapa-kevitra ny hanohy hiangona aho rehefa nanapa-kevitra ny fianakaviako fa tsy handeha intsony.

Ary farany, avy amin’i Sherry: Nanatrika lanonana iray tany amin’ny trano fonenan’ny governora izahay. Nanomboka nanolotra champagne izy ireo mba hanaovana “fifandonam-bera”. Nisisika nangataka rano aho na dia nolazain’ireo mpiasa fa mety hanafintohina izany. Nanao fifandonam-bera ho an’ny governora izahay ary nampiakariko ambony ny verako nisy rano! Tsy nanafintohina ny governora izany.

Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Eny, miaina ao anatin’izao tontolo izao ianareo, saingy tena hafa mihitsy ny fenitra ara-pitondrantenanareo izay manampy anareo hisoroka ny fahalotoan’izao tontolo izao.”24

I Anastasia, izay renim-pianakaviana vao herotrerony iray any Ukraine, dia tamin’ny hôpitaly vao avy niteraka zazalahy kely mihitsy no nanomboka ny daroka baomba tao Kiev tamin’ny volana febroary lasa teo. Nosokafan’ny mpitsabo mpanampy iray ny varavaran’ny efitranon’ny hôpitaly ary niteny tamin’ny feo nandondona izy hoe, “Raiso ny zazakelinao, fonosy anaty bodofotsy izy ary mandehana any amin’ny lalantsara, izao dia izao!”

Nilaza i Anastasia taty aoriana hoe:

“Tsy neritreretiko velively fa ho tena sarotra toy izany ireo andro voalohany amin’ny maha-reny ahy, … saingy … mifantoka … amin’ireo fitahiana sy fahagagana hitako aho. …

“Ankehitriny, … toa tsy ho vita ny hamela heloka ireo olona izay nahatonga faharavana sy fahavoazana lehibe … , fa amin’ny maha-mpianatr’i Kristy, dia manana finoana aho fa ho afaka ny [hamela heloka] aho. …

“Tsy fantatro izay hitranga amin’ny ho avy … saingy fantatro fa ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia hanome fahafahana ny Fanahy mba hiaraka amintsika lalandava, … ka hamela antsika hahatsapa fifaliana sy fanantenana … na dia mandritra ireo fotoan-tsarotra aza.”25

Ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra selestialy

Ry rahalahy sy ranabavy isany, voatahy aho nahazo ny fitiavana be dia be avy tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy malalantsika. Fantatro fa velona Izy ary mitarika ny asany masina. Tsy ampy ny teny hanehoako ny fitiavako Azy.

Isika rehetra dia “zanaky ny fanekempihavanana” izay miely manerana ny tany any amin’ireo firenena sy ireo kolontsaina any amin’ny kaontinanta rehetra, ary mahatratra an-tapitrisany, eo am-piandrasantsika ilay fiverenana feno voninahitr’ilay Tompontsika sy Mpamonjintsika. Noho isika mamiratra toy ny hazavana ho an’ireo manodidina antsika, dia volavolaintsika amim-pitandremana tsara ireo faniriantsika, ireo eritreritsika, sy ireo safidintsika ary ireo zavatra ataontsika. Eo am-pikatsahana amin’ny fontsika iray manontolo ny mba hahafantatra sy ny mba hitia ny Mpamonjy, dia mampanalavitra ny tenantsika amin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fampisehoana fa miavaka sy tsy fahita firy ary manana toetra misongadina isika eo am-panajana Azy sy ny fampianarany, nefa tsy manasaraka ny tenantsika amin’ireo olona hafa eto amin’izao tontolo izao izay manana finoana hafa.

Tena dia tena mahatalanjona ilay maha-vary ao anatin’ny tsimparifary ny tena, izay indraindray feno alahelo saingy ampitonian’ilay finoantsika mihamatotra sy manome toky foana. Rehefa mamela ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny fitiavany anao hilentika lalina ao am-ponao ianao, dia mampanantena anao aho fa hanana fahatokian-tena sy fiadanana ary fifaliana eo am-piatrehana ireo olan’ny fiainanao. Ary mampanantena antsika ny Mpamonjy hoe: “Koa tsy maintsy [h]anangona ny oloko Aho, araka ny fanoharana ny amin’ny voa tsara sy ny voan-tsimparifary, mba ho azo tehirizina any an-tsompitra ny voa tsara ka hahazo ny fiainana mandrakizay sy hosatrohina voninahitra selestialy.”26 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 24:3.

  2. Matio 24:33.

  3. Henry B. Eyring, “Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra,” Liahona, mey 2022, 27

  4. Matio 13:16; nampiana fanamafisana.

  5. Matio 13:38.

  6. Matio 13:30.

  7. Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Hiaina ao anatin’izany toe-javatra misy vary sy tsimparifary izany ny mpikamban’ny Fiangonana mandra-pahatongan’ny Arivotaona. Ny tena tsimparifary sasany aza dia manova endrika mba ho vary” (“Becometh as a Child,” Ensign, May 1996, 68).

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:4, 6.

  9. Jereo ny Kolosiana 2:7.

  10. Jereo ny Kolosiana 1:23; jereo koa ny Efesiana 3:17; Neal A. Maxwell, “Grounded, Rooted, Established, and Settled” (Brigham Young University devotional, Sept. 15, 1981), speeches.byu.edu.

  11. Ao amin’ny Matio 13:22 dia nampitandrina ny mpianany i Jesoa mba tsy hamela ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mba tsy “hangeja ny teny” sy hampitsahatra ny fivoarany ara-panahy. Tiako ny mampifandray ilay andian-teny hoe “mangeja ny teny” amin’ny toko voalohany ao amin’ny Jaona, izay hanambaran’i Jaona fa i Jesoa no ny Teny: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra. … Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” (Jaona 1:1, 3). Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahavononantsika hanaraka Azy ary ny fitiavantsika ny Mpamonjy dia mety ho voageja na ho voasakana tsy hitombo rehefa tsy misy fahazavana sy fikolokoloana ara-panahy izany (jereo ny Almà 32:37–41).

  12. Jereo ny Neil L. Andersen, “A Compensatory Spiritual Power for the Righteous (Brigham Young University devotional, Aug. 18, 2015), speeches.byu.edu.

  13. Jaona 17:3.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  15. 1 Jaona 4:19.

  16. Hoy ny Loholona David B. Haight:

    “Marina tokoa fa tena nahita ny Mpamonjy ny olona sasany, kanefa rehefa mijery ao anatin’ny rakibolana ny olona iray dia mahita fa misy dikany maro ny teny hoe mahita, toy ny hoe lasa mahafantatra Azy, mahay manavaka Azy, mahalala Azy sy mahalala ny asany, mahatsapa ny lanjany na lasa mahatakatra ny momba Azy.

    Afaka mahazo fahatakarana sy fitahiana avy any an-danitra toy izany ny tsirairay avy amintsika” (“Temples and Work Therein,” Ensign, Nov. 1990, 61).

  17. Jereo ny Môzià 5:13.

  18. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  19. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 5.

  20. Russell M. Nelson, “What Is True?,” Liahona, Nov. 2022, 29.

  21. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96.

  22. Dallin H. Oaks, “Going Forward in the Second Century” (Brigham Young University devotional, Sept. 13, 2022), speeches.byu.edu. Ny Filoha Oaks dia naneho ny finoany an’ilay andian-teny hoe “sahy mba hiavaka” tao amin’ny lahatsoratra iray vao haingana tao amin’ny Deseret Magazine nosoratan’ny Loholona Clark G. Gilbert, mpitantana ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, mikasika ny fomba hiarovana ny finoana ijoroan’ny tena ao anatin’ny fampianarana ambony (jereo ny Clark G. Gilbert, “Dare to Be Different,” Deseret Magazine, Sept. 2022, www.deseret.com).

  23. Raha te hianatra avy tamin’ireo izay nizara fanamarihana momba ny fomba nijoroan’izy ireo ho hafa eo amin’izao tonto izao ianao dia afaka mamaky ireo fanamarihana nozarain’izy ireo tanatin’ny Facebook (jereo ny Neil L. Andersen, Facebook, Aug. 18, 2022, facebook.com/neill.andersen) na ny Instagram (jereo ny Neil L. Andersen, Instagram, Aug. 18, 2022, instagram.com/neillandersen).

  24. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  25. Anastasia Kocheva, “Facing the Conflict in Ukraine; Healing the Conflict in My Heart,” YA Weekly, May 2022.

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:65.