Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Inona no marina?
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Inona no marina?

Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky ireo fahamarinana rehetra izay ampitain’ Andriamanitra amin’ireo zanany.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, misaotra ny rehetra tamin’ity fivoriana feno fanentanam-panahy ity! Hatramin’ny fihaonambentsika tamin’ny aprily lasa teo dia nanatri-maso tranga maro teto amin’izao tontolo izao aho, manomboka amin’ny mahavaky fo ka hatramin’ny mahafinaritra indrindra.

Feno hafaliana isika amin’ireo tatitra momba ireo fihaonamben’ny zatovo maro natao manerana izao tontolo izao.1 Mianatra ireo zatovo mendri-kajantsika any amin’ireny fihaonambe ireny fa na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo, ny tanjaka lehibe indrindra dia avy amin’ny Tompo.2

Faly isika fa miampy ireo tempoly aorina manerana an’izao tontolo izao. Isaky ny fanokanana ny tempoly vaovao tsirairay dia misy hery fanampiny avy amin’ Andriamanitra tonga eto amin’izao tontolo izao mba hampatanjaka antsika sy manohitra ny ezaka mihamafy ataon’ny fahavalo.

Ny herisetra dia fitaomana avy amin’ny fahavalo. Fahotana goavana izany.3 Amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ahy dia manamafy ireo fampianaran’ny Tompo Jesoa Kristy momba io olana io aho. Aoka aho hilaza mazava tanteraka: izay mety ho karazana herisetra rehetra atao amin’ny vehivavy, na ankizy, na iza na iza dia fahavetavetana amin’ny Tompo. Ory Izy ary ory aho isaky ny misy olona na iza na iza voaratra. Malahelo Izy, ary malahelo isika rehetra ho an’ny olona tsirairay izay niharan’ny herisetra na inona na inona karazany. Ireo izay manao ireny asa mahatsiravina ireny dia tsy hoe tompon’andraikitra amin’ny lalàn’olombelona ihany fa hiatrika ny fahatezeran’ Andriamanitra ihany koa.

Am-polo taona izao no nandraisan’ny Fiangonana fepetra goavana mba hiarovana—indrindra ny ankizy—amin’ny herisetra. Misy fanampiana maro ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana. Manasa anareo aho handalina azy ireny.4 Natao ireny torolalana ireny hiarovana ny tsy manan-tsiny. Manentana antsika tsirairay aho mba ho malina amin’izay rehetra mety ho tandindomin-doza amin’ny herisetra ary hanao asa faingana hiarovana azy ireny. Tsy handefitra amin’ny herisetra ny Mpamonjy, ary amin’ny maha-mpianany antsika dia tsy afaka hanao izany koa isika.

Manana paika hafa manakorontana ny fahavalo. Anisan’izy ireny ireo ezaka ataony hampanjavozavo ny tsipika eo anelanelan’izay marina sy izay tsy marina. Mampihomehy ihany fa ny tondra-dranom-pahalalana azontsika eo amin’ny ratsantanantsika no mahatonga ny famantarana izay marina ho mihasarotra.

Izany olana izany dia mampahatsiahy ahy ny zavatra niainanay sy Rahavavy Nelson fony izahay nitsidika olo-manan-kaja iray tany amin’ny firenena iray izay vitsy ny olona nandre momba an’i Jesoa Kristy. Somary narary mafy io namana efa nahazoazo taona io tato ho ato. Nilaza taminay izy fa nandritra ireo andro maro teo ambony fandriana dia matetika izy no nandinika ny valindrihana ka nanontany hoe: “Inona no marina?”

Maro ireo olona eto an-tany ankehitriny no “tsy mahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany.”5 Tian’ny sasany isika mba hino fa ny fahamarinana dia arakaraka ny olona—fa ny olona tsirairay dia tokony hamaritra ho an’ny tenany izay marina. Ny finoana toy izany dia fieritreretana fotsiny ho an’ireo izay diso hevitra fa tsy ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra ihany koa izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky ny fahamarinana rehetra izay ampitain’ Andriamanitra amin’ireo zanany, na nianarany tao amin’ny laboratoara siantifika izany na azo tamin’ny fanambarana mivantana avy Aminy.

Hanohy handre fahamarinana avy eto amin’ity polipitra ity ianareo anio sy rahampitso. Miangavy aho ny mba handraisanareo an-tsoratra ireo eritreritra misarika ny sainareo ary ireo izay tonga ao an-tsainareo sy mijanona ao am-ponareo. Angataho am-bavaka ny Tompo mba hanamafy fa marina izay zavatra norenesinareo.

Tiako ianareo ry rahalahy sy anabavy malalako. Mivavaka aho mba hitondra ilay sakafo ara-panahy izay katsahinareo ity fihaonambe ity. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.