Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Aoka ianareo ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany

Mila mikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba an’i Jesoa Kristy avokoa isika, mifehy ny filantsika, sy mibebaka amin’ny fahotantsika, ary maneho fa mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany.

Tamin’ny volana ôktôbra lasa teo aho dia notendrena, niaraka tamin’ny Filoha M. Russell Ballard sy ny Loholona Jeffrey R. Holland, hitsidika an’i Royaume-Uni, izay nanompoanay telo fony izahay misiônera tanora. Nanana fahafahana nampianatra sy nijoro ho vavolombelona izahay, ary koa niaina indray ny tantaran’ny nanombohan’ny Fiangonana tany amin’ireo Nosy Britanika ka i Heber C. Kimball raiben’ny dadabeko avy amin’ny reniko sy ireo mpiara-miasa taminy no misiônera voalohany tany.1

Ny Filoha Russell M. Nelson, raha namazivazy anay momba ity asa nanirahana anay ity, dia nanamarika fa tsy dia mahazatra ny manendry Apôstôly telo hitsidika ny faritra izay nanaovan’izy ireo asa fitoriana tamin’ny fahatanorany. Niaiky izy fa ny olona rehetra dia samy maniry ny hotendrena hitsidika ny misiôna nanompoan’izy ireo voalohany avokoa. Tamin’ny tsiky lehibe teny amin’ny endriny izy no nanazava fohy izany hoe raha toa ka misy andiana Apôstôly telo hafa izay nitovy ny misiôna nanompoan’izy ireo tamin’ny 60 taona mahery lasa izay, dia mety hahazo andraikitra mitovy amin’izany koa izy ireo.

Sary
Heber C. Kimball

Ho fiomanana tamin’izany asa nanirahina izany dia novakiko indray ny boky Life of Heber C. Kimball (Ny fiainan’i Heber C. Kimball), izay nosoratan’ny zafikeliny, dia i Orson F. Whitney izany, izay nantsoina ho apôstôly taty aoriana. Io boky io dia nomen’ny reniko malala ahy fony aho fito taona latsaka kely. Niomana hanatrika ny fanokanana ny Tsangambato This Is the Place tamin’ny 24 Jolay 1947 izahay, izay hotanterahan’ny Filoha George Albert Smith.2 Tiany hahafantatra bebe kokoa momba an’i Heber C. Kimball razambeko aho.

Io boky io dia mirakitra fanambarana lalina nolazain’ny Filoha Kimball izay manan-danja amin’izao androntsika izao. Alohan’ny hizarana ilay fanambarana dia mamelà ahy ianareo hizara ny toe-javatra kely nisy nanodidina izany.

Raha nigadra tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith, dia niandraikitra ny fanaraha-maso ny fanalana ireo Olomasina tao Missouri ireo Apôstôly isany Brigham Young sy Heber C. Kimball, tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra. Tena nilaina ny fialana tao noho ny didy navoakan’ny governora Lilburn W. Boggs handringana azy ireo.3

Efa ho 30 taona taty aoriana, i Heber C. Kimball, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, raha nandinika io tantara io niaraka tamin’ny taranaka vaovao iray, dia nampianatra hoe: “Tiako ny milaza aminareo fa maro aminareo no hahita ilay fotoana izay hiatrehanareo ireo olana sy fitsapana ary fanenjehana rehetra izay zakanareo, ary hahita fahafahana maro hanehoana fa mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany ianareo.”4

Dia notohizan’i Heber hoe: “Mba hiatrehana ireo fahasahiranana izay ho avy dia ilaina ny hanananareo fahalalana manokana momba ny fahamarinan’ity asa ity. Ho tena mafy ireo fahasahiranana ka ny lehilahy na vehivavy izay tsy manana izany fahalalana na fijoroana ho vavolombelona manokana izany dia ho lavo. Raha tsy manana ilay fahalalana ianao, dia aoka ianao hiaina amim-pahamarinana sy hiantso ny Tompo ary aza mitsahatra mandra-pahazoanao izany. Raha tsy manao izany ianao dia tsy hahazaka ireo fahasahiranana. … Ho avy ny fotoana izay tsy hisy lehilahy na vehivavy hahazaka ireo fahasahiranana amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny hazavan’ny hafa. Tsy maintsy hotarihin’ilay fahazavana ao anatiny ny tsirairay. … Raha tsy manana izany ianao dia tsy hahazaka. Koa katsaho ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa ary mifikira amin’izany, mba tsy ho tafintohina sy ho lavo ianao rehefa tonga ilay fotoan-tsarotra.”5

Mila manana fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny asan’ Andriamanitra6 sy ny anjara asa fototr’i Jesoa Kristy isika tsirairay. Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia miresaka momba ireo ambaratongam-boninahitra telo ary mampitaha ny voninahitra selestialy amin’ny masoandro. Avy eo dia ampitahainy amin’ny volana ny fanjakana terestrialy.7

Mahavariana fa ny masoandro dia manana ny fahazavany manokana, fa ny volana kosa dia taratry ny hazavana na koa hoe “hazavan’ny hafa.” Raha ny momba ny fanjakana terestrialy dia milaza ny andininy 79 hoe: “Ireo no ireo izay tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.” Tsy afaka mahazo ny fanjakana selestialy sy miaina miaraka amin’ Andriamanitra Ray amin’ ny alalan’ny hazavan’ny hafa isika. Mila ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika.

Miaina ao anatina tontolo feno faharatsiana isika8 ary ny fon’ny olona dia miala amin’ Andriamanitra noho ny fampianaran’olombelona.9 Ny iray amin’ireo ohatra tena manaitra indrindra ao amin’ny soratra masina maneho ny ahiahin’i Heber C. Kimball momba ny fikatsahana fijoroana ho vavolombelona momba ny asan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy dia voasoritra tao amin’ny fananaran’i Almà an’ireo zanany telo lahy, dia i Helamàna sy i Siblôna ary i Kôriantôna izany.10 Ny roa tamin’ireo zanany dia nahatoky teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany. Saingy nandray fanapahan-kevitra ratsy ny zanakalahy iray. Amiko ny zava-dehibe indrindra tao anatin’ny fananaran’i Almà dia ny fampitany izany amin’ny maha-ray azy ho tombontsoan’ireo zanany.

Ny ahiahin’i Almà voalohany, toa an’i Heber C. Kimball, dia ny hananan’ny zanany tsirairay fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny mba ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany

Tao anatin’ilay fampianarana mahavariana nomeny an’i Helamàna zanany lahy i Almà dia nanao fampanantenana fa ireo izay “hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ny andro farany.”11

Tsy fahita firy ny toe-javatra toa ny an’i Almà izay nahita fahitana ka nisehoan’ny anjely iray izy tao anatin’izany. Ny fahazoana fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina no fahita mahazatra kokoa. Ireo fahatsapana ireo dia mety ho manan-danja mitovy amin’ny fisehoan’ny anjely. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Ny fahatsapana ao anaty fanahy izay avy amin’ny Fanahy Masina dia manan-danja lavitra noho ny fahitana. Rehefa miresaka amin’ny fanahy ny Fanahy, dia sarotra kokoa ny hamafa ny fiantraikany ao amin’ny fanahy.”12

Izany dia mitarika antsika ho any amin’ny fananaran’i Almà an’i Siblôna zanany faharoa. I Siblôna dia olo-marina toa an’i Helamàna rahalahiny. Ny fananarana tiako horesahina dia ny Almà 38:12, izay mivaky toy izao amin’ny ampahany: “Ataovy … izay hifehezanao ny filanao rehetra mba hahatonga anao ho feno fitiavana.”

Ilay teny hoe hifehezanao dia mahaliana. Rehefa mitaingin-tsoavaly isika dia mampiasa ny lamboridy mba hifehezana azy. Ny teny mitovy hevitra aminy dia mety hoe mitarika, na mitantana, na misakana. Ny Testamenta Taloha dia milaza amintsika fa nihiaka noho ny hafaliana isika rehefa nahafantatra fa hanana vatana.13 Tsy ny vatana no ratsy, tsara tarehy sy tena ilaina izany, fa ny filana sasany, raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy sy raha tsy voafehy araka ny tokony ho izy, dia afaka mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra sy ny asany ary hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

Andeha hiresaka manokana mombana filana anankiroa: ny voalohany dia ny fahatezerana ary ny faharoa dia ny filan-dratsy.14 Mahaliana ny hoe raha tsy fehezina ireo zavatra anankiroa ireo dia mety hiteraka ratram-po lehibe, sy hampihena ny fitaoman’ny Fanahy ary hampisaraka antsika amin’ Andriamanitra sy ny asany. Araraotin’ny fahavalo ny fahafahana rehetra hameno ny fiainantsika amin’ny sarina herisetra sy fahalotoam-pitondrantena.

Any amin’ny fianakaviana sasany dia zavatra mahazatra ny lehilahy na vehivavy tezitra ny mamono vady na zanaka. Tamin’ny volana jolay aho dia nandray anjara tamin’ny Fihaonamben’ny Parlemanteran’ny All-Party any Royaume-Uni tao Londres.15 Navoitra ho olana lehibe maneran-tany ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tanora. Ankoatra ny herisetra dia nanao fanararaotana am-bava ny sasany. Ny fanambarana momba ny fianakaviana dia milaza amintsika fa “ireo izay manao herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany dia … hijoro eo anoloan’ Andriamanitra indray andro any hamaly izany.”16

Ny filoha Nelson dia nanantitrantitra mafy momban’izany omaly maraina.17 Aoka ianao hanamboatra ny sainao fa na nanararaotra na tsy nanararaotra anao ny ray aman-dreninao dia tsy hanararaotra ara-batana na am-bava na ara-pihetseham-po ny vadinao na ny zanakao ianao.

Amin’izao androntsika izao, dia iray amin’ireo olana lehibe indrindra ny fifandirana sy ny fanararaotana am-bava mifandray amin’ny olana ara-tsôsialy. Amin’ny toe-javatra maro, ny fahatezerana sy ny fiteny mahery no lasa nisolo ny fisainana tsara sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny fahalalam-pomba. Maro no niala tamin’ny fanarahana ny fananaran’i Petera, Apôstôly zokiny indrindran’ny Mpamonjy, mba hikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy toy ny fahononam-po, ny faharetana, ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ny fitiavana ny rahalahy, ary ny fihantrana.18 Nialan’izy ireo koa ilay toetran’i Kristy, dia ny fanetrentena.

Ankoatra ny fifehezana ny fahatezerana sy ny fifehezana ireo filana hafa, dia mila manana fiainana madio ara-pitondrantena isika amin’ny alalan’ny fifehezana ny eritreritsika sy ny fitenintsika ary ny zavatra ataontsika. Mila misoroka ny pôrnôgrafia isika, manombantombana raha tsara na ratsy ny zavatra jerentsika amin’ny internet ao an-tokantranontsika, ary mila manalavitra ny fitondrantena feno fahotana amin’ny endriny rehetra isika.

Izany dia mitondra antsika any amin’ny fananaran’i Almà an’i Kôriantôna zanany lahy. Tsy toa an’i Helamàna sy i Siblôna rahalahiny i Kôriantôna fa nanao fandikan-dalàna ara-pitondrantena.

Satria nirotsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena i Kôriantôna dia nilain’i Almà ny nampianatra azy momba ny fibebahana. Tsy maintsy nampianatra azy ny maha-zava-doza ny fahotana izy ary avy eo ny fomba hibebahana.19

Noho izany, ny fananarana mba ho fitandremana izay nomen’i Almà dia ny hifehezana ny filan’ny nofo, fa ho an’ireo izay nandika lalàna kosa dia ny hibebahana. Nanome torohevitra lalina momba ny fibebahana ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2019. Nohazavainy mazava tsara fa ny fibebahana isan’andro dia tena ilaina eo amin’ny fiainantsika. “Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany,” hoy ny nampianariny. “Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery.”20 Raha nanao ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson i Kôriantôna, dia ho nibebaka avy hatrany izy raha vantany vao nanomboka nanana eritreritra maloto. Tsy ho nitranga ny fandikan-dalàna lehibe.

Ny fananarana farany nomen’i Almà an’ireo zanany dia anisan’ireo fotopampianarana manan-danja indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra. Mifandray amin’ny Sorompanavotana izay nataon’i Jesoa Kristy izany.

Nijoro ho vavolombelona i Almà fa hanaisotra ny fahotana i Kristy.21 Raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ho nitaky famaizana ny fitsipika mandrakizain’ny fahamarinana.22 Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka manjaka ny famindram-po ho an’ireo izay nibebaka ary afaka mamela azy ireo hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tena tsara raha saintsainintsika io fotopampianarana mahatalanjona io.

Tsy misy afaka miverina any amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ataon’ny tenany irery fotsiny; mila ilay tombontsoa avy amin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy isika rehetra. Efa nanota ny rehetra, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahantsika mahazo famindram-po sy miaina miaraka amin’ Andriamanitra.23

Nanome torohevitra tena tsara ho an’i Kôriantôna ihany koa i Almà ho antsika rehetra izay efa nandia ny dingan’ny fibebahana na mbola handia izany, na kely na lehibe tahaka ny nataon’i Kôriantôna ilay fahotana. Ny andininy 29 ao amin’ny Almà toko 42 dia mivaky toy izao: “Ary ankehitriny anaka, dia maniry aho ny tsy hamelanao intsony ireo zavatra ireo hanahirana ny sainao, ary aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao, amin’ity fahasahiranana ity izay hitondra anao hidina any amin’ny fibebahana.”

Nihaino ny torohevitr’i Almà i Kôriantôna ary samy nibebaka sy nanompo tamim-boninahitra izy roa. Noho ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia misy ny fanasitranana ho an’ny rehetra.

Tamin’ny andron’i Almà, sy tamin’ny andron’i Heber, ary azo antoka fa amin’izao androntsika izao dia mila mikatsaka ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba an’i Jesoa Kristy isika, ary mifehy ny filantsika, sy mibebaka amin’ny fahotantsika, ary mikatsaka fiadanana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary maneho fa mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny asany.

Tao anatin’ny lahateny vao haingana ary anio maraina ihany koa, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza izany tamin’izao fomba izao: “Miangavy anareo aho mba hiandraikitra ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Avy eo dia jereo ny fitrangan’ireo fahagagana eo amin’ny fiainanao.”24

Feno fankasitrahana aho fa hihaino ny Filoha Nelson isika izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra ho an’izao androntsika izao. Tiako sy ankafiziko ny fitaomam-panahy sy ny fitarihana mahatalanjona raisintsika amin’ny alalany.

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy dia mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy sy ny tena fisian’ny Sorompanavotany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Ronald K. Esplin, “A Great Work Done in That Land,” Ensign, July 1987, 20: “Ny 13 jona dia nandao an’i Kirtland ho any angletera ny Loholona Kimball, Orson Hyde, Joseph Fielding, ary Willard Richards naman’i Heber. Tany New York, tamin’ny 22 jona, dia nandeha niaraka tamin’izy ireo ny Kanadianina Isaac Russell sy John Goodson ary John Snyder. Avy eo ireo misiônera fito ireo dia namandrika toerana ho any Liverpool tao amin’ny sambo Garrick.” (Jereo ny Heber C. Kimball papers, 1837-1866; Willard Richards journals and papers, 1821-1854, Church History Library, Salt Lake City.)

  2. Ny Tsangambato This Is the Place izay hita eo amin’ny ilany atsinanan’i Salt Lake City, Utah, eo am-bavan’ny Emigration Canyon dia nankalaza ny faha-100 taonan’ny fahatongavan’ny Olomasina tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny 24 jolay 1847. Ilay tsangambato dia ahitana ny sarivongan’i Brigham Young sy i Heber C. Kimball ary i Wilford Woodruff.

  3. Olomasin’ny Andro Farany niisa 8.000 ka hatramin’ny 10.000 no nandositra an’i Missouri tany amin’ny fiandohan’ny taona 1839 mba hitsoaka ny herisetran’ny milisy sy ny mpihetraketraka. Teo ambany fitarihan’i Brigham Young sy i Heber C. Kimball, dia natsangana ny kômity iray mba hanangona kojakoja, sy hanombantombana ny zavatra ilaina ary hanoritra ny lalana hanaovana ilay fifindra-monina mandreraka eo amin’ny 320 kilaometatra ao anatin’ny ririnina mankany Illinois. Ireo mponina feno fangorahana tao an-tanànan’i Quincy dia nanome fialofana vonjimaika ho an’ireo Olomasina nijaly tamin’ny alalan’ny fanomezana fialofana sy sakafo. (Jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 375–77; William G. Hartley, “The Saints’ Forced Exodus from Missouri,” ao amin’ny Richard Neitzel Holzapfel and Kent P. Jackson, eds., Joseph Smith: The Prophet and Seer [2010], 347–89.)

  4. Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball: An Apostle, the Father and Founder of the British Mission (1945), 449; nampiana fanamafisana.

  5. Jereo ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball, 450.

  6. Jereo ny Mosesy 1:39; jereo koa “Ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana” fizarana 1.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ChurchofJesusChrist.org. Manatona an’i Kristy isika sy manampy amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fikarakarana ireo sahirana, sy ny fanasana ny rehetra mba handray ny filazantsara, ary ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, izay manambara ireo fanalahidy nomena ho an’ny asan’ny famonjena.

  7. Jereo ny 1 Korintiana 15:40–41.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:27.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:29.

  10. I Almà dia zanak’i Almà mpaminany. Izy no lohan’ny mpitsara tao amin’ny firenena ary mpisorona avo sy mpaminany. Niaina fiovam-po mahery vaika izy fony zatovolahy.

  11. Almà 36:3.

  12. Joseph Fielding Smith, “The First Presidency and the Council of the Twelve,” Improvement Era, Nov. 1966, 979.

  13. Jereo ny Joba 38:7.

  14. Jereo ny Almà 39:9. Mampianatra an’i Koriantôna i Almà hoe: “Aza mandeha araka ny fitsiriritan’ny masonao intsony.”

  15. All Party Parliamentary Group, Parliamentary Sessions, Tuesday, July 5, 2022, “Preventing Violence and Promoting Freedom of Belief.”

  16. Finakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org; jereo koa Patrick Kearon, “Velona Izy ary manana fanasitranana ao amin’ny elany: Afaka ny ho lasa mihoatra noho ny mpandresy isika,” Liahona, mey 2022, 37–39.

  17. Jereo Russell M. Nelson, “Inona no marina?,” Liahônà, nôv. 2022, 29.

  18. Jereo ny 2 Petera 1:5–10.

  19. Jereo ny Almà 39:9.

  20. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67, 68.

  21. Jereo ny Almà 39:15.

  22. Jereo ny Almà 42:16.

  23. Jereo ny 2 Nefia 25:23.

  24. Russell M. Nelson, Facebook, aog. 1, 2022, facebook.com/russell.m.nelson; Twitter, aog. 1, 2022, twitter.com/nelsonrussellm; Instagram, aog. 1, 2022, instagram.com/russellmnelson; jereo koa “Safidy ho an’ny mandrakizay” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.