Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Anio
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Anio

Ny mpaminantsika velona dia manao ny anjarany amin’ny fampielezana ny Bokin’i Môrmôna manerana ny tany manontolo. Tsy maintsy manaraka ny ohatra omeny isika.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, ny teny hoe “anio”1 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ampiasaina imbetsaka hisarihana ny hafa mba handray torohevitra sy fampanantenana ary fampianarana. Tamin’ny lahateny farany nataony, ny Mpanjaka Benjamina dia nananatra ny vahoaka mba, “[h]andre ny teniko izay holazaiko aminareo anio; … [ny] hanokafanareo ny sofinareo mba hahazoanareo mandre ary ny fonareo mba hahazoanareo mahatakatra, ary ny sainareo ka ny misterin’ Andriamanitra dia ho azo velabelarina ho an’ny fandinihanareo.”2 Sehatra mitovy amin’izany ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tonga etoana isika hihaino torohevitra “anio,” mba ahafahantsika ho “marina [a]min’ny fotoan-drehetra”3 amin’ny Tompo sy ny filazantsarany. Mahery vaika ato anatiko “anio” ny lanjan’ny fanavaozantsika ny fanolorantenantsika ho amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay antsoin’i Joseph Smith ho “ny boky marina indrindra eto ambonin’ny tany.”4

Sary
Tahadikan’ny Bokin’i Môrmônan’ny Loholona Rasband

Ito hazoniko amin’ny tanako ito dia tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna. Izy ity dia edisiônina fahiny tamin’ny 1970 izay sarobidy amiko. Raha ny endriny dia tonta sy efa ela, saingy tsy misy boky manan-danja hafa amin’ny fiainako sy ny fijoroako ho vavolombelona mihoatra ity. Rehefa namaky izany aho dia nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra,5 Mpamonjiko Izy,6 tenin’ Andriamanitra ireto soratra masina ireto,7 ary naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara.8 Mipaka lalina ato amiko ireo fahamarinana ireo. Araka ny nolazain’i Nefia hoe: “Ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo.”9

Sary
Ny loholona Rasband miaraka amin’ny filohan’ny misiônany sy ny Loholona Hanks

Avy eo ankavia mankeo ankavanana: Loholona Ronald A. Rasband, misiônera tanora; Filoha Harold Wilkinson, Filohan’ny Misiônan’ireo Faritany Atsinanana; ary ny Loholona Marion D. Hanks, Fitopololahy Manampahefana Ambony.

Toy izao ny tantara ao ambadik’ilay izy. Fony aho misiônera tanora dia naka torohevitra tamin’ny Loholona Marion D. Hanks, izay nitsidika anay tao amin’ny Misiônan’ireo Faritany Atsinanana. Efa filohan’ny misiôna tany amin’ny Misiôna Britanika izy ary anankiroa amin’ireo misiônerany no eto amin’ny lampihazo anio: ireo rahalahy malalako isany ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Quentin L. Cook.10 Tahaka ny nataony tamin’ireo misiônera tany Angleterre dia nanome fanamby anay mba hamaky Bokin’i Môrmôna mbola tsy nasiana marika farafahakeliny indroa izy. Nataoko izany zavatra nampanaovina izany. Tamin’ny famakiana voalohany dia nasiako marika na notsipihako ny zavatra rehetra manondro na mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Nampiasa pensilihazo mena ary nanipika andalana maro aho. Tamin’ny famakiana faharoa, niteny ny Loholona Hanks ny hanipihana fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara, ka tamin’io indray mitoraka io dia pensilihazo manga no nampiasaiko hanasiana marika ny soratra masina. Novakiako indroa ny Bokin’i Môrmôna, araka ny naroso, dia indroa fanampiny avy eo ka nampiasa ny mavo sy ny mainty aho hanisiana marika izay andalana nanaitra ahy.11 Araka ny hitanareo dia betsaka ny fanamarihana nataoko.

Sary
Tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna voaisy marika

Nanao zavatra bebe kokoa mihoatra ny fanisiana marika ny soratra masina anefa aho rehefa namaky. Tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tsirairay nataoko, nanomboka tany am-boalohany ka hatrany am-parany, dia heniky ny fitiavana lalina ho an’ny Tompo aho. Nahatsapa fijoroana ho vavolombelona tafapaka lalina momba ny fahamarinan’ireo fampianarany ary ny fomba hiharan’izany amin’ny “anio” aho. Mifanentana tsara amin’ny lohateniny hoe, “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy”12ilay boky. Niaraka tamin’izany fandalinana izany sy ny fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izay azoko dia lasa misiôneran’ny Bokin’i Môrmôna aho ary mpianatr’i Jesoa Kristy.13

“Anio,” isan’ireo misiônera mazoto indrindran’ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Russell M. Nelson. Fony izy voantso ho Apôstôly vaovao dia nitondra fampianarana tany Accra, Ghana.14 Tao anatin’ny mpanatrika dia nisy manampahefana, isan’izany ny mpanjakan’ny foko Afrikanina iray, izay niresahany tamin’ny alalan’ny mpandika teny iray. Ilay mpanjaka dia mpandalina ny Baiboly mahafatrapo ary olona tia ny Tompo. Taorian’ny fandraisam-pitenenan’ny Filoha Nelson dia nanatona azy ilay mpanjaka, ka nanontany azy tamin’ny teny Anglisy tsisy tomika hoe: “Iza marina moa ianao?” Nanazava ny Filoha Nelson fa Apôstôlin’i Jesoa Kristy voatendry15izy. Ny fanontanian’ilay mpanjaka manaraka dia hoe “Inona no azonao ampianarina amiko momba an’i Jesoa Kristy?”16

Nalain’ny Filoha Nelson ny Bokin’i Môrmôna dia nosokafany tao amin’ny 3 Nefia 11. Niara-namaky ny toritenin’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita ny Filoha Nelson sy ilay mpanjaka: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao. … Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.”17

Natolotry ny Filoha Nelson tamin’ilay mpanjaka ny tahadika irain’ny Bokin’i Môrmôna, dia namaly ilay mpanjaka hoe: “Azonao natao ny nanolotra diamondra sy vatosoa ahy, saingy tsy misy zavatra sarobidy hafa amiko mihoatra noho ity fahalalana fanampiny momba ny Tompo Jesoa Kristy ity.”18

Tsy izay ihany akory no ohatra tokana izaran’ny mpaminany malalantsika ny momba ny Bokin’i Môrmôna. Efa nanome tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ho an’olona aman-jatony izy, sady nanolotra foana ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mihaona amina vahiny, filoha, mpanjaka, lehibem-panjakana, sy mpitondra orinasa sy fikambanana ary olona avy amin’ny finoana hafa ny Filoha Nelson, na izany any amin’ny foiben’ny Fiangonana, na any amin’ny toerana misy azy ireo, dia manolotra am-panajana io bokin-tsoratra masina nambara io ho azy ireo izy. Azony natao ny manolotra azy ireo karazan-javatra maro mifono voaravaka izay hipetra-potsiny eo amina latabatra na ao amin’ny birao na ao amin’ny fitoeran-javatra ho fampahatsiahivana ny fitsidihany. Ny zavatra sarobidy aminy kosa nefa no atolony, mihoatra lavitra noho ny diamondra sy ny vatosoa, araka ny nofariparitan’ilay mpanjaka-na foko.

“Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” hoy ny Filoha Nelson, “dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.”19 Izaho dia nahita ireo olona nandray tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ny mpaminan’ Andriamanitra ireo nihazona mafy izany tao an-tanan’izy ireo. Tsy misy fanomezana lehibe toy izany.

Sary
Ny Filoha Nelson miaraka amin’ny vadin’ny Filoham-pirenen’i Gambia

Vao tsy ela izay no nihaonany tamin’ny vadin’ny filohan’i Gambie tao amin’ny biraony ary nanolorany tamim-panetrentena ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nijanona tamin’izay izy. Nanokatra ireo pejiny izy ary niara-namaky taminy, hampianarana ary hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany, ary ny fitiavany an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra, na aiza na aiza.

Ny mpaminantsika velona dia manao ny anjarany amin’ny fampielezana ny Bokin’i Môrmôna manerana ny tany manontolo.20 Tsy afaka manao irery ny fampielezana anefa izy. Tsy maintsy manaraka ny ohatra omeny isika.

Voaentan’ny ohatra nasehony aho ka miezaka mizara amim-panetrentena sy amim-pahazotoana kokoa ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
Ny loholona Rasband miaraka amin’ny filoham-pirenen’i Mozambika

Vao haingana aho no namita iraka tany Môzambika. Ny olom-pirenena ao amin’io firenena tsara tarehy io dia miaina fahasahiranana noho ny fahantrana, ny fahasalamana tsy zarizary, ny tsy fisian’ny asa, ny oram-baratra, ary ny korontana ara-pôlitika. Voninahitra ho ahy ny nihaona tamin’ny filoham-pirenena, i Filipe Nyusi. Ho valin’ny fangatahany dia nivavaka ho an’ilay firenena aho; nolazaiko taminy fa manorina tempolin’i Jesoa Kristy21 ao amin’ny fireneny izahay. Tany amin’ny fiafaran’ny fihaonanay dia nanolotra tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Pôrtogey izay fitenin-drazany ho azy aho. Rehefa nanaiky ilay boky tamim-pankasitrahana izy dia nijoro ho vavolombelona momba ny fanantenana sy fampanantenana ho an’ny vahoakany izay hita ao amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ireo pejy ireo ny tenako.22

Sary
Loholona Rasband miaraka amin’ny mpanjaka sy mpanjakavavin’i Lesotho

Tamin’ny fotoana anankiray hafa dia nihaona tamin’i Letsie III, mpanjakan’i Lesotho, sy ny vadiny, tao an-tranon’izy ireo izaho sy i Melanie vadiko.22 Ho anay, ny zavatra nisongadina tamin’ny fitsidihanay dia ny nanoloranay azy ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ary avy eo ny nizaranay ny fijoroanay ho vavolombelona. Rehefa mijery todika izany zavatra niainana izany sy ny hafa koa aho dia tonga ato an-tsaiko ny soratra masin’ny andro farany iray: “Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsarako, ary eo anoloan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka.”24

Sary
Ny Loholona Rasband miaraka amin’ny Masoivoho Pandey
Sary
Ny mpitarika eo anivon’ny Fiangonana miaraka amin’ny sa Toute-Sainteté le Patriarche Bartholomée

Efa nizara ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny Masoivohon’i India ao amin’ny Firenena Mikambana ao Genève aho, Indra Mani Pandey25; sy sa Toute-Sainteté le Patriarche Bartholomée26 an’ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana sy ny maro hafa ny tenako. Nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo niaraka taminay aho rehefa nanolotra mivantana tamin’izy ireo ity “vato ifaharan’ny fivavahantsika”27 ity sy ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, Ilay vato fehizoron’ny finoantsika.28

Ankehitriny ry rahalahiko sy ranabaviko, tsy voatery mankany Môzambika na Inde na mihaona amin’ny mpanjaka sy mpanapaka ianao vao afaka manome ity boky mirakitra fampianarana sy fampanantenana masina ity. Manasa anareo aho, anio, mba hanome ny Bokin’i Môrmôna amin’ireo namanao sy ny olona ao amin’ny fianakavianao, ireo mpiara-miasa aminao, ny mpanazatra anao amin’ny baolina kitra, na ilay mpivarotra vokatry ny tany eny an-tsena. Mila ny tenin’ny Tompo izay hita ao amin’io boky io izy ireo. Mila valim-panontaniana mahakasika ny fiainana andavan’andro sy ny fiainana mandrakizay izay ho avy izy ireo. Mila mahafantatra ny lalan’ny fanekempihavanana izay misokatra eo anoloany sy ny fitivan’ny Tompo tsy mandao izy ireo. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna avokoa izany.

Rehefa manolotra azy ireo ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia manokatra ny sainy sy ny fony amin’ny tenin’ Andriamanitra. Tsy voatery mivatsy tahadika vita pirinty miaraka aminareo ianareo. Azonareo zaraina tsotra izao avy amin’ny findainareo avy amin’ny fizarana hoe Soratra Masina vaovao ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile izany.29

Eritrereto ireo rehetra izay mety hotahian’ny filazantsara eo amin’ny fiainany, dia handefaso tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ny findainao izy ireo avy eo. Aza adinoana ny mizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fomba nitahian’ilay boky ny fiainanao.

Ry namana malala isany, amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo ahy dia manolotra fanasana anareo aho mba hanaraka ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Nelson, ny mba hampielezantsika ny Bokin’i Môrmôna eran’ny tany manontolo. Lehibe loatra ny filana izany; mila mihetsika izao isika. Mampanantena aho fa handray anjara amin’ilay “asa lehibe indrindra eto an-tany … ny fanangonana an’i Isiraely”30 ianareo rehefa entanim-panahy hanolo-tanana amin’ireo izay “[voas]akana … tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”31 Izy ireo dia mila ny fijoroanareo ho vavolombelona sy ny tenivavolombelonareo ny amin’ny fomba nanovan’io boky io ny fiainanareo sy nampanakaikezan’izany anareo amin’ Andriamanitra, ny fiadanany,32 ary ny “teny soa mahafaly.”33

Mijoro ho vavolombelona aho fa nomanina tao Amerika fahiny noho ny tanjona masin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna mba ho tonga ka hanambara ny tenin’ Andriamanitra, hitondra fanahy ho amin’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny “anio.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jakôba 2:2–3; Môsià 2:14, 30; 5:7; Almà 7:15; ary andininy maro hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  2. Môzià 2:9.

  3. Almà 53:20.

  4. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 64. Ny teny nambara feno nomen’i Joseph Smith tamin’ny 28 nôvambra 1841, tao anatin’ny filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo dia manao hoe: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa.” Ny filazana manan-danja hoe “marina” dia azo hoentina ilazana ny fanambarana voaray nandritra ny fandikana an’ilay boky sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manorina tsara kokoa mihoatra noho ny boky hafa ny fahamarinana “tsotra sy sarobidy” (jereo ny 1 Nefia 13:40).

  5. Jereo “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôlyfanambarana navoakan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1 janoary 2000: “Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ny maha-Apôstôly voatendry anay—fa i Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanan-kavanan’ Andriamanitra Rainy ankehitriny. Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao. Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ny fiadanana eo amin’izao fiainana izao sy mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny fiainana ho avy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany” (ChurchofJesusChrist.org).

  6. Jereo ny Isaia 49:26; 1 Nefia 21:26; 22:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:1.

  7. Hita ao amin’ny soratra masina ny tenin’ Andriamanitra. Ohatra, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, manontany i Lamana sy Lemoela hoe, “Inona no hevitr’ilay anja-by?” mahakasika ny nofin’i Lehia. Namaly i Nefia hoe: “Izany no tenin’ Andriamanitra; ary na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te hihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny fakam-panahy sy ny zana-tsipika mirehitry ny fahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ny famongorana” (1 Nefia 15:23–24).

  8. Jereo “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny faha-roanjato taona,” izay ahitana izao manaraka izao: “Ambaranay fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, naorina tamin’ny 6 aprily 1830, no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao naverina tamin’ny laoniny. Ity Fiangonana ity dia mifototra mafy orina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay fehizorony, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Niantso Apôstôly indray i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana. Manasa antsika rehetra Izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, mba handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra. … Ambaranay amim-piravoravoana fa mandroso amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy ilay Famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina. Tsy ho toy ny teo aloha intsony izao tontolo izao, rehefa hanohy “hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy Andriamanitra- (Efesiana 1:10)” (ChurchofJesusChrist.org).

  9. 2 Nefia 4:16.

  10. Jereo ny Quentin L. Cook, “Be Not Weary in Well-Doing” (fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 24 aogositra 2020), speeches.byu.edu Eliza Smith-Driggs, “This Week on Social: How to Develop a Love for the Lord, Yourself and Others,” Church News, July 17, 2020, thechurchnews.com.

  11. Famakiana fahatelo, mavo: jeôlôjia na jeôgrafia; famakiana fahefatra, mainty: Ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna.

  12. Ny hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy” dia nampidirina mba ho zana-dohateny ao amin’ireo edisiônina rehetra an’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo mpitarika tato amin’ny Fiangonana dia nanova ilay anarana mba hanatitranterana misimisy kokoa ny tanjon’ny boky araka ny voalaza ao amin’ny pejin-dohateniny: “Handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.”

  13. Ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy dia fanehoana ny fitiavantsika Azy. Atao batisa ny mpianatra; mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny tenany izy izy ireo; miezaka manaraka Azy amin’ny fanekena ireo toetrany araka ny nofariparitan’ny Apôstôly Petera hoe: “Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra” (2 Petera 1:5–7; jereo koa ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2019], 121–32).

  14. Ny Filoha Russell M. Nelson, izay mpandidy fo fanta-daza maneran-tany talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1984, dia nitondra fampianarana tao amin’ny sekoly mampianatra fitsaboana iray tao Accra, Ghana tamin’ny 1986 momba ny tantaran’ny fandidiana fo. Rehefa nanao tafa sy dinika tamin’ny haino aman-jery taorian’izay, dia nanazava izy fa izy dia “mpanompon’ny Tompo mba hanampy ny olona ho lasa olom-pirenena tsara kokoa, hanorina fianakaviana matanjaka, hahazo fifaliana tena izy, ary hiroborobo ao amin’ny tany.” Niverina tao Accra, Ghana izy ny 16 nôvambra 2001, tamin’ny lanonana fiadiana fototra ny tempolin’i Accra Ghana (jereo ny “Ground Broken for First Temple in West Africa,” Church News, Nov. 24, 2001 thechurchnews.com).

  15. Jereo ny Boky torolalana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,5.1.1.1: “Amin’izao androntsika izao, ny Tompo dia miantso lehilahy amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana mba ho tendrena ho Apôstôly ary hanompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:26–28)” (ChurchofJesusChrist.org).

  16. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahônà, nôv. 2017, 60.

  17. 3 Nefia 11:10–11.

  18. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” 61.

  19. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” 62.

  20. Jereo ny Mosesy 7:62.

  21. Ny tempolin’i Beira Môzambika dia nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny 4 aprily 2021. Vahoaka mihoatra ny dimy hetsy no monina ao Beira, izay tanàna eo amin’ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indiana.

  22. Ny ohatra mahakasika ny fanantenana sy ireo fampanantenana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny 2 Nefia 31:20; Jakôba 4:4–6; Almà 13:28–29; 22:16; 34:41; Etera 12:32; Môrônia 7:41; 8:26.

  23. Ny Loholona sy Rahavavy Rasband dia nihaona tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka tamin’ny 10 febroary 2020, rehefa namita iraka tao Afrika tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Durban Afrika Atsimo.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:23.

  25. Ny Loholona Rasband dia nihaona tamin’ny ambasadaoro Indra Mani Pandey, Solotena maharitra an’i Inde ao amin’ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa ao Genève, rehefa namita iraka tamin’ny fihaonambe iraisam-pinoana iray izay natao tao Bologne Italie, tamin’ny 17 septambra 2021.

  26. Ny Loholona Rasband dia nihaona tamin’ny sa Toute-Sainteté le Patriarche ekiomenika Bartholomée an’ny Fiangonana Ôrtôdôkisa Atsinanana, rehefa namita iraka tamin’ny fihaonambe iraisam-pinoana iray izay natao tao Bologne Italie, tamin’ny 13 septambra 2021.

  27. Enseignements: Joseph Smith, 64. Ny vato ifaharana dia vato marirana iray ampiasaina amin’ny fanorenana izay apetraka eo an-tampon’ny andohalambo izay mihazona ny vato hafa rehetra. Ny Mpaminany Joseph Smith dia namariparitra ny Bokin’i Môrmôna ho “ny vato ifaharan’ny fivavahantsika” noho ny maha-zava-dehibe azy amin’ny fampiraisana ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo fitsipika sy ôrdônansy. Ny Bokin’i Môrmôna dia raisina ho “vato ifaharana” an’ny fiainan’ireo mpikambana, manampy azy ireo hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  28. Jereo ny Efesiana 2:19-20. I Jesoa Kristy no vato fehizoro indrindran’ny Fiangonana izay mitondra ny anarany. Tahaka ilay hoe tandindon’ny vato fototra mandrafitra ny ivon’ny tranon’ Andriamanitra ny fametrahana ny vato fehizoro iray ao amin’ny tempoly, i Jesoa Kristy no vato ifaharan’ny finoantsika sy ny famonjena antsika. Nomeny antsika ny ainy mba ahafahantsika miaina; tsy misy toa Azy amin’ny hery, tanjona na fitiavana.

  29. Azonao zaraina avy amin’ny telefaonina findainao izany. Ny fomba iray dia ny fanokafana ny application Bibliothèque de l’évangile, sy ny fankanesana ao amin’ny hoe Soratra Masina, ary avy eo ny fikitihana ny hoe “Share Now” eo ambony. Na raha avy ao anatin’ny application Ny Bokin’i Môrmôna, azonao kitihana ny sary famantarana hoe “Share”, izay hampiseho code nomerika azon’ny namana iray ampiasaina mba hatao scan amin’ny findainy.

  30. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org. “Tamin’ny 3 jona 2018, ny Filoha Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson vadiny dia nanasa ny zatovo -hirotsaka amin’ny tafika tanoran’ny Tompo- ary handray anjara amin’ny -fanamby lehibe indrindra, ny tanjona lehibe indrindra, ary ny asa lehibe indrindra eto an-tany.- Ary inona izany fanamby lehibe indrindra izany? Ny fanangonana an’i Isiraely” (Charlotte Larcabal, “A Call to Enlist and Gather Israel,” New Era, Mar. 2019, 24).

  31. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12.

  32. Jereo ny 2 Nefia 4:27; Môzià 4:3; 15:18; Almà 46:12.

  33. 1 Nefia 13:37.