Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahefa zava-tsarotra isika amin’ny alalany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Mahefa zava-tsarotra isika amin’ny alalany

Mitombo amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika isika rehefa mampihatra finoana ny Tompo mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nahatsikaritra lehilahy iray jamba Izy. Nanontany ny mpianatr’i Jesoa hoe: “Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?”

Ny valin-teny hentitra sy feno fitiavana ary tamin-kitsimpon’ny Mpamonjy dia manome toky antsika fa mahafantatra ny fahasahiranantsika Izy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.” 1

Na dia mety ho tonga noho ny tsy fankatoavana an-tsitrapo aza ny fanamby sasany, dia fantatsika fa maro amin’ireo fanambim-piainana no tonga noho ny antony hafa. Na inona na inona loharanon’ireo fanamby sedraintsika dia afaka ny ho fotoana tena tsara hivoarana izany.

Anisan’ny niaina zava-tsarotra teo amin’ny fiainana ny fianakavianay. Nahafinaritra ahy ny fianakaviana maroanaka tamin’ny fahatanorako. Tena nahasarika ahy ny fianakaviana toy izany, indrindra rehefa nahita ny Fiangonana tamin’ny fahatanorako aho tamin’ny alalan’i Sarfo dadatoako avy amin-dreniko sy ny vadiny tany Takoradi, Ghana.

Rehefa nivady izaho sy i Hannah dia naniry ny hahatanterahan’ny tsodranon’ny patriarika anay izahay, izay naneho fa hotahiana amin’ny fananan-janaka maro izahay. Saingy talohan’ny nahaterahan’ny zanakay fahatelo, dia niharihary teo amin’ny fitsaboana fa tsy ho afaka hiteraka zaza hafa intsony i Hannah. Feno fankasitrahana aho, fa na dia teraka tao anatin’ny toe-javatra saika naningotra ny ainy sy ny an-dreniny aza i Kenneth, dia teraka soa aman-tsara izy, ary sitrana ny reniny. Afaka nanomboka nandray anjara feno tamin’ny fiainam-pianakavianay izy—anisan’izany ny fankanesana any am-piangonana, ny vavaky ny mpianakavy isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina, ny takarivan’ny mpianakavy, ary ireo fiaraha-mientana mahasoa.

Na dia tsy maintsy nanitsy ny fanantenanay fianakaviana maroanaka aza izahay, dia fifaliana ny nampihatra ireo fampianarana tao amin’ “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” miaraka amin’ireo zanakay telo malalanay. Ny fanarahana an’ireo fampianarana ireo dia nanampy be ny finoako vao mitombo.

Araka ny ambaran’ilay fanambarana hoe: “Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitra mandrakizainy. Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy ny reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka.”2 Notahiana izahay rehefa nampihatra an’ireo fitsipika ireo.

Kanefa, indray faran’ny herinandro nandritra ny fanompoako tamin’ny izaho filohan’ny tsatòka, dia niaina ny fitsapana faran’izay mafy indrindra mety hatrehin’ny ray aman-dreny izahay. Niverina avy tamin’ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana ny fianakavianay ary nivory mba hisakafo atoandro. Avy eo dia nivoaka tao anatin’ny fefin’ny tranonay ny zanakay telo lahy mba hilalao.

Nanana fahatsapana niverimberina ny vadiko fa mety misy zavatra ratsy mitranga. Nasainy nijery ny ankizy aho raha teo am-panasana lovia izahay. Tsapako fa voaro izy ireo satria renay ny feon’ny fientanentanana avy amin’ny lalaon’izy ireo.

Rehefa samy nandeha nijery ireo zanakay lahy izahay tamin’ny farany, dia tamin’alahelo, no nahitanay an’i Kenneth kely 18 volana tsy afa-nanoatra tao anaty siny nisy rano, tsy hitan’ireo rahalahiny. Nentinay haingana tany amin’ny hôpitaly izy, saingy tsy nisy vokany ny ezaka rehetra natao hamelomana azy.

Kepoka izahay satria tsy hanana fahafahana hitaiza ny zanakay sarobidy mandritra ity fiainana an-tany ity. Na dia fantatray aza fa ho anisan’ny fianakavianay mandrakizay i Kenneth, dia nanontany tena aho hoe nahoana no avelan’ Andriamanitra hitranga amiko ity loza ity rehefa nanao izay rehetra azoko natao aho mba hanatontosana antsakany sy andavany ny antsoko. Sady vao tonga tao an-trano avy nanatanteraka ny iray amin’ireo adidiko tamin’ny fanompoana ny Olomasina aho. Nahoana Andriamanitra no tsy mba nijery ny asa fanompoana nataoko sy nanavotra ny zanakay lahy sy ny fianakavianay tamin’ity loza ity? Arakaraka ny nieritreretako an’izany no vao mainka nampangidy an’ilay izy kokoa.

Tsy nanome tsiny ahy velively ny vadiko tamin’ny tsy famaliana ny bitsika tao aminy, saingy nianatra lesona iray nanova fiainana aho ka nanao fitsipika hoarahana roa, izay tsy ho dikaiko na oviana na oviana:

Fitsipika 1: Henoy sy araho ny fanentanam-panahy avy amin’ny vadinao.

Fitsipika 2: Raha tsy azonao antoka ny tokony hanaovana izany dia jereo ny fitsipika 1.

Na dia nahavaky fo aza ilay zavatra niainana, ary mbola malahelo izahay, dia nihena ihany ilay enta-mavesatra tamin’ny farany.3 Nianatra lesona manokana izahay mivady tamin’ny famoizana nianjady teo aminay. Lasa nahatsapa ho niray hina sy voafatotry ny fanekempihavanan’ny tempoly izahay; fantatray fa azonay atao ny mitaky an’i Kenneth ho anay any amin’ny tontolo manaraka satria teraka tao anatin’ny fanekempihavanana izy. Nahazo traikefa manan-danja entina hanompoana ny hafa sy hahatakarana ny fanaintainany ihany koa izahay. Mijoro ho vavolombelona aho fa nisinda ny ngidy tao aminay rehefa nampihatra finoana ny Tompo izahay. Mbola sarotra ny zavatra iainanay, saingy nianatra niaraka tamin’ny Apôstôly Paoly izahay fa “[mahefa] ny zavatra rehetra [izahay] ao amin’ilay [mampahery anay]” raha toa ka mifantoka Aminy.4

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.” Dia mbola notohizany hoe, “Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana.”5

Afaka ny ho falifaly sy ho feno fiadanana amin’ny fotoan-tsarotra iainantsika isika. Ny fitiavana tsapantsika noho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia lasa loharano mahery vaika ho antsika amin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika. “Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny [sy manahirana] eo amin’ny fiainana.”6 Nandidy Izy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”7 Afaka manampy antsika hiaritra ny fanaintainana sy ny aretina ary ny fitsapana rehetra atrehantsika eto an-tany Izy.

Mahita tantara maro ao amin’ny soratra masina momba ireo mpitarika lehibe sy mendri-kaja isika, toa an’i Jeremia, Joba, Joseph Smith, ary Nefia, izay tsy afa-bela tamin’ireo ady sy fanambin’ny fiainana an-tany. Olombelona izay nianatra nankatò ny Tompo na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra izy ireo.8

Nandritra ireo andro nahatsiravina tao amin’ny Fonjan’i Liberty, dia niantsoantso i Joseph Smith hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?”9 Nampianatra an’i Joseph ny Tompo mba “hiaritra izany tsara”10 ary nampanantena fa raha manao izany izy, dia hanome traikefa azy ireo zavatra rehetra ireo ary ho soa ho azy.11

Rehefa misaintsaina ny zavatra niainako manokana aho, dia tsapako fa nianatra ny sasany tamin’ireo lesona tsara indrindra azoko nandritra ireo fotoana farany izay sarotra indrindra teo amin’ny fiainako, fotoana izay tsy nampiadana ahy. Ny fahasarotana natrehiko fony aho zatovo, teo am-pianarana momba ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny seminera, tamin’ny naha-olona vao niova fo ahy, sy tamin’ny naha-misiônera ahy tamin’ny fotoana feno sy ireo fanamby natrehiko teo amin’ny fianarako, tamin’ny fiezahana hanatontosa antsakany sy andavany ny antsoko, ary tamin’ny fanorenana fianakaviana, dia nanomana ahy ho amin’ny hoavy. Arakaraka ny fiatrehako amim-pifaliana ireo toe-javatra sarotra miaraka amin’ny finoana ny Tompo no hitomboako kokoa amin’ny maha-mpianatry ny Tompo ahy.

Ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika dia tsy tokony hahagaga raha vao niditra ny lalana ety sy tery isika.12 I Jesoa kristy dia nianatra “fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny.” 13 Rehefa manaraka Azy isika, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika, dia afaka mitombo ho tonga tahaka Azy kokoa.

Iray amin’ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo any amin’ny tempoly ny miaina ny lalàn’ny fahafoizan-tena. Efa tao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hatrizay hatrany ny fahafoizan-tena. Fampahatsiahivana ny sorompanavotana lehibe nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo rehetra izay niaina na mbola hiaina eto an-tany izany.

Sary
Ireo misiôneran’ny Loholona Morrison

Fantatro fa manonitra mandrakariva ny faniriana marina ao amintsika ny Tompo. Tsaronareo ve ireo zanaka maro nampanantenaina ahy tao amin’ny tsodranon’ny patriarika azoko? Tanteraka izany tsodrano izany. Niara-nanompo tamin’ny misiônera an-jatony maro izahay mivady, avy amin’ny firenena 25 mahery, tao amin’ny Misiônan’i Cape Coast Ghana. Tena tianay izy ireo, toy ny hoe zanakay ara-bakiteny mihitsy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mitombo ao amin’ny maha-mpianatry ny Tompo antsika isika rehefa mampihatra finoana ny Tompo mandritra ireo fotoan-tsarotra. Rehefa manao izany isika dia hankahery antsika amim-pamindram-po Izy ary hanampy antsika hitondra ny enta-mavesatsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.