Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Dia ny mahafantatra Anao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Dia ny mahafantatra Anao

(Jaona 17:3)

Ny faniriako mafy dia ny hahafantaranareo an’i Jesoa avy amin’ireo anarany maro ary ho tonga tahaka Azy.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanana traikefa iray nanova fiainana aho nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao amin’ny paroasinay tany Arizona. Koa satria ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia maneho ny fahavononantsika “hitondra ny anaran’i [Jesoa Kristy] eo [amintsika],”1 dia nampahatsiahy ahy ny Fanahy Masina fa manana anarana maro i Jesoa. Tonga tato am-poko izao fanontaniana izao avy eo: “Iza amin’ireo anaran’i Jesoa no tokony hoentiko eo amiko amin’ity herinandro ity?”

Telo tamin’ireo anaran’i Jesoa no tonga tato an-tsaiko, dia nosoratako izy ireo. Ny tsirairay amin’ireo anarana telo ireo dia nahitana toetra tahaka ny an’i Kristy izay tiako hovelabelarina kokoa. Ny herinandro nanaraka izany dia nifantoka tamin’ireo anarana telo ireo aho ary niezaka nampihatra ireo soatoavina sy toetra mifanaraka amin’izany. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanohy nametraka io fanontaniana io aho tao anatin’ny fitsaohako manokana: “Iza amin’ireo anaran’i Jesoa no tokony hoentiko eo amiko amin’ity herinandro ity?” Nitahy ny fiainako ny famaliana io fanontaniana io sy ny fiezahana hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay nifandray tamin’izany.

Tao amin’ny Vavaka Fanalalanana lehibe nataony dia nanambara izao fahamarinana manan-danja izao i Jesoa: “Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay efa nirahinao.”2 Anio aho dia te hizara aminareo ireo fitahiana sy hery azo avy amin’ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy amin’ny Anarany maro.

Fomba tsotra iray ahafantarantsika ny olona iray ny fianarana mombamomba ny anarany. Voalaza fa “ny anaran’ny olona iray no feo mamy sy manan-danja indrindra amin’ny fiteny rehetra ho an’izany olona izany.”3 Efa nitranga teo aminao ve izany hoe niantso olona iray tamin’ny anarana diso na nanadino ny anarany izany? Nisy fotoana nantsoinay sy Alexis vadiko hoe “Lola” ny iray tamin’ireo zanakay. Indrisy anefa, fa araka ny mety ho efa novinanianareo dia alikanay i Lola! Na ho soa na ho ratsy, ny fanadinoana ny anaran’ny olona iray dia mampita amin’izany olona izany fa mety tsy fantatrao tsara izy ireo.

Nahafantatra sy niantso ny olona tamin’ny anarany i Jesoa. Hoy ny Tompo tamin’ny Isiraely fahiny: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao.”4 Nihamafy ny fijoroan’i Maria ho vavolombelona momba an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty rehefa niantso azy tamin’ny anarany i Jesoa ny marainan’ny Paska.5 Toy izany koa, Andriamanitra dia niantso an’i Joseph Smith tamin’ny anarany ho valin’ny vavaka tamim-pinoana nataony.6

Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nomen’i Jesoa anarana vaovao izay nampiseho ny toetran’izy ireo sy ny fahaizany ary ny fahafahana ananany hanatotosan-javatra ireo mpianany. Nomen’i Jehovah an’i Jakoba ny anarana vaovao hoe Isiraely, izay midika hoe “olona iray miara-manjaka amin’ Andriamanitra” na “aoka Andriamanitra no hanjaka.”7 Nomen’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy i Jakoba sy Jaona, izay midika hoe “zana-baratra.”8 Rehefa nahita ny hoaviny amin’ny maha mpitarika azy i Jesoa, dia nanome an’i Simona ny anarana hoe Kefasy na Petera, izay midika hoe vatolampy.9

Tahaka ny ahafantaran’i Jesoa antsika tsirairay avy amin’ny anarantsika, dia fomba iray ahafahantsika mahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa ny fianarana ireo anarany maro. Tahaka ny anaran’i Isiraely sy i Petera dia maro amin’ireo anaran’i Jesoa no anarana fiantsoana izay manampy antsika hahatakatra ny asa nanirahana Azy, ny tanjony, ny toetoetrany ary ireo toetra tsara ananany. Rehefa mahafantatra ireo anarana maron’i Jesoa isika dia ho takatsika kokoa ny asa masina nanirahana Azy sy ny toetrany tsy misy fitiavan-tena. Ny fahafantarana ireo anarany maro dia manentana antsika koa mba ho tonga tahaka Azy kokoa—mba hamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay mitondra fifaliana sy tanjona eo amin’ny fiainantsika.

Taona vitsivitsy lasa izay dia nandalina ny soratra masina rehetra mikasika an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny Filoha Russell M. Nelson.10 Avy eo izy dia nanasa ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony mba handalina ireo soratra masina ireo. Mikasika ireo anarana maron’i Jesoa dia hoy ny Filoha Nelson hoe: “Halalino ny zava-drehetra momba ny hoe iza i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana amim-bavaka sy amim-pahazotoana ny hahatakatra ny dikan’ireo anarana fiantsoana Azy tsirairay avy ho anao manokana.”11

Taorian’ny fanasan’ny Filoha Nelson dia nanomboka namolavola ny lisitro manokana momba ny anarana maron’i Jesoa aho. Misy anarana mihoatra ny 300 izao ao amin’ny lisitro manokana, ary azoko antoka fa mbola misy maro hafa mbola tsy hitako.

Na dia natokana ho Azy irery ihany aza ny sasany amin’ireo anaran’i Jesoa,12 dia te hizara anarana fiantsoana miisa dimy izay azo ampiharina amintsika tsirairay avy aho. Manasa anao aho mba hamolavola ny lisitrao manokana eo am-pianaranao kokoa momba an’i Jesoa avy amin’ireo anarany maro. Rehefa manao izany ianao dia hahita fa misy anarana hafa—miaraka amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy mifandraika amin’izany—izay tianao hoentina eo aminao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa ao amin’ny fanekempihavanany anao.13

Voalohany, i Jesoa no ilay Mpiandry tsara.14 Araka izany, dia mahafantatra ny ondriny i Jesoa,15 “antsoiny amin’ny anarany [ny ondriny],”16 ary amin’ny maha Zanak’ondrin’ Andriamanitra Azy, dia nanolotra ny ainy ho an’ny ondriny.17 Toy izany koa, tian’i Jesoa ho mpiandry tsara isika, indrindra fa ao amin’ny fianakaviantsika sy amin’ny maha rahalahy sy rahavavy mpanompo antsika. Ny fomba iray hanehoantsika ny fitiavantsika an’i Jesoa dia ny famahanana ny ondriny.18 Ho an’ireo ondry izay mety mania, dia mandeha any an-tany foana ny mpiandry tsara mba hitady ilay ondry very ary avy eo dia mitoetra miaraka amin’izy ireo mandra-piveriny amin’ny toerana azo antoka.19 Amin’ny maha mpiandry ondry tsara antsika, ary raha mamela ny hanaovana izany ny toe-java-misy eo an-toerana, dia tokony hikatsaka ny handany fotoana kokoa amin’ny fanompoana ny olona any an-tokantranon’izy ireo isika. Ao anatin’ny fanompoantsika dia tokony hampiasaina ny fandefasana hafatra an-tsoratra sy ny teknôlôjia mba hanatsarana, fa tsy hanoloana ny fifaneraserana mivantana.20

Faharoa, i Jesoa no ilay Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy.21 Noho ny fahafantarany fa efa ora vitsy sisa dia homboina Izy, dia hoy Jesoa hoe: “Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”22 Amin’izao fotoana izao ankehitriny, satria matetika ny tontolontsika no misy foto-kevitra mifanohitra sy mizarazara, dia tena ilaina ny mitory sy mampihatra ny lafitsaran-javatra sy ny fanantenana. Na dia eo aza izay mety ho olana nitranga tany amin’ny lasantsika tany, ny finoana dia mitodika hatrany any amin’ny hoavy,23 feno fanantenana, ka mamela antsika hahatanteraka ilay fanasan’i Jesoa hoe matokia.24 Ny fiainana amim-pifaliana ny filazantsara dia manampy antsika ho tonga mpianatra ny amin’ny zavatra tsara ho avy.

Anarana fiantsoana iray hafa an’i Jesoa ny hoe ilay tsy miova, omaly sy anio ary mandrakizay.25 Ny tsy fiovaovana dia toetra iray tahaka ny an’i Kristy. Nanao ny sitrapon’ny Rainy mandrakariva i Jesoa,26 ary ny sandriny dia mitolotra tsy tapaka mba hamonjy sy hanampy ary hanasitrana antsika.27 Rehefa mampitombo ny tsy fiovaovantsika amin’ny fiainana ny filazantsara isika dia ho tonga tahaka an’i Jesoa kokoa.28 Na dia hiaina fiovaovana lehibe mahakasika ny zavatra malaza eo aminy aza izao tontolo izao rehefa ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra ny olona,29 dia manampy antsika hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina mandritra ny tafio-drivotra eo amin’ny fiainana ny fiainana tsy tapaka ireo fampianaran’ny filazantsara.30 Afaka maneho ny tsy fivadihana koa isika amin’ny alalan’ny fanekena ny fanasan’ny Filoha Nelson mba “hanokana fotoana ho an’ny Tompo.”31 Ny hery ara-panahy lehibe dia avy amin’ny zava-madinika sy tsotra32 toy ny fiezahana hanana “fahazarana masina sy fomba amam-panao feno fahamarinana”33 amin’ny vavaka isan’andro, ny fibebahana, ny fandalinana ny soratra masina ary ny fanompoana ny hafa.

Fahefatra, i Jesoa no ilay Iray Masin’ny Isiraely.34 Ny fiainan’i Jesoa dia ohatra amin’ny fahamasinana. Rehefa manaraka an’i Jesoa isika dia afaka ny ho lasa iray masina ao Isiraely.35 Mitombo ny fahamasinantsika rehefa mitsidika tsy tapaka ny tempoly isika, izay misy soratra hoe “[Fahamasinana] ho an’i Jehovah” eo ambonin’ny fidirana rehetra. Isaky ny mitsaoka any amin’ny tempoly isika, dia mivoaka avy ao notafiana hery lehibe kokoa mba hahatonga ny tokantranontsika ho toerana masina.36 Ho an’izay tsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly masina amin’izao fotoana izao, dia manasa anareo aho mba hihaona amin’ny evekanareo ary hanomana ny tenanareo hiditra na hiverina any amin’io toerana masina io. Ny fotoana ao amin’ny tempoly dia hampitombo ny fahamasinana eo amin’ny fiainantsika.

Anaran’i Jesoa iray farany ny hoe Izy dia Mahatoky sy Marina.37 Tahaka an’i Jesoa izay nahatoky sy marina mandrakariva, ny faniriany fatratra dia ny hanehoantsika ireo toetra ireo eo amin’ny fiainantsika. Rehefa malemy ny finoantsika, dia afaka miantso an’i Jesoa isika hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!,” tahaka an’i Petera rehefa nanomboka nilentika tao amin’ny ranomasina misamboaravoara tao Galilia izy.38 Tamin’io andro io dia naninjitra ny tanany i Jesoa mba hamonjy ilay mpianatra nilentika. Efa nanao toy izany tamiko koa Izy, ary hanao toy izany koa aminao. Aza miala amin’i Jesoa na oviana na oviana—tsy hiala aminao na oviana na oviana Izy!

Rehefa mahatoky sy marina isika dia manaraka ny antson’i Jesoa hoe “Tomoera Amiko,” izay mety hidika koa hoe “mitoera amiko.”39 Rehefa tojo fanontaniana isika, rehefa esoina noho ny finoantsika, rehefa manondro antsika amin’ny rantsan-tanan’ny fanesoana ireo izay ao amin’ireo trano mijoalajoala sy malalaka eo amin’izao tontolo izao, dia mitoetra ho mahatoky isika ary mijanona ho marina. Amin’ireo fotoana ireo dia tsaroantsika ny fanasan’i Jesoa hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”40 Rehefa manao izany isika dia omeny antsika ny finoana sy fanantenana ary tanjaka ilaina mba hitoerana Aminy. 41

Ry rahalahy sy ranabavy malala, tian’i Jesoa isika hahafantatra Azy, satria ny anarany irery ihany etỳ ambanin’ny lanitra no ahafahana mamonjy antsika.42 Jesoa no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana—tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalany.43 Jesoa no hany lalana! Noho izany antony izany dia miantso i Jesoa hoe: “Mankanesa atỳ amiko,”44 “Manaraha Ahy,”45 “Miaraha-mandeha Amiko,”46 ary “Mianara Amiko.”47

Amin’ny foko manontolo, dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho—fa velona Izy, fa tia anao Izy ary mahafantatra anao amin’ny anaranao. Zanakalahin’ Andriamanitra Izy,48 ny Lahitokan’ny Ray.49 Izy no Vatolampintsika, Fialofantsika, Ampingantsika, Fiarovantsika ary Mpanafaka antsika.50 Izy no Fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina.51 Izy no Mpamonjy antsika52 sy Mpanavotra antsika.53 Izy no Fananganana ny maty sy Fiainana.54 Ny faniriako mafy dia ny hahafantaranareo an’i Jesoa avy amin’ireo anarany maro ary ho tonga tahaka Azy ianareo rehefa maneho ireo toetrany masina eo amin’ny fiainanareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.