Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fijoroana ho mpianatra maharitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Fijoroana ho mpianatra maharitra

Afaka mahazo fahatokian-tena ara-panahy sy fiadanam-po isika rehefa mikolokolo ireo fahazarana masina sy ireo fomba fanao feno fahamarinana izay afaka manohana sy mandrehitra ny afon’ny finoantsika.

Nandritra ny fahavaratra lasa teo dia tanorantsika maherin’ny 200.000 manerana izao tontolo izao no nitombo finoana nandritra ny iray tamin’ireo fivoriana an-jatony naharitra iray herinandro tamin’ny fihaonamben’ny Ho Zatovo Mahery na fihaonamben’ny HZM. Satria vao tsy ela no nampitsaharana ny fitokana-monina naterak’ilay valanaretina, dia fanehoana finoana ny Tompo ny fanatrehana izany ho an’ny maro. Maro amin’ireo tanora mpandray anjara no toa manaraka fironana mitovy mampiseho fiovam-po mitombo sy mihalalina kokoa. Rehefa tapitra ny herinandron’izy ireo dia tiako ny nanontany azy ireo hoe: “Nanao ahoana ilay izy?”

Niteny zavatra toy izao izy ireo indraindray: “Tena sosotra tamin-dreniko aho tamin’ny alatsinainy, satria nataony izay handehanako ka hanao an’ity. Ary tsy nahalala na iza na iza aho. Ary tsy nihevitra aho fa ho ankafizoko ilay izy. Tsy hahazo namana aty aho. … Saingy zoma izao, ary mbola te hijanona be eto aho. Te hahatsapa ny Fanahy eo amin’ny fiainako fotsiny aho. Te hiaina toy izao fotsiny.”

Samy manana ny tantarany hotantarainy manokana izy ireo mahakasika ny fotoana nahatsapany fa nanomezana azy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay isan’ny nahatonga ny fitomboany ara-panahy sy ny fiovam-pony lalina kokoa. Niova ihany koa aho noho ity fahavaratra feno fihaonamben’ny Ho Zatovo Mahery ity rehefa nahita ny Fanahin’ Andriamanitra namaly tsy an-kiato ny faniriana tsara tao am-pon’ny tsirairay tamin’ireo tanora marobe ireo izay samy nahazo herim-po hatoky Azy nandritra ny herinandro teo ambany fikarakarany.

Toy ny sambo vy mamirapiratra eny an-dranomasina, isika dia miaina ao anatin’ny tontolo manimba ara-panahy, hany ka tsy maintsy hazonina amim-pitandremana ny finoana mamiratra indrindra, raha tsy izany dia mety ho lasa kiaka izy ireo, dia ho arafesina tsikelikely, ary avy eo mirodana.

Inona no karazan-javatra azontsika atao mba hitazonana ny afon’ny finoantsika?

Ireo traikefa toy ny fihaonambe HZM, ireo lasy, ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ary ny misiôna dia afaka manampy amin’ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, mitondra antsika amin’ny fivoarana sy ny fahitana ara-panahy ho any amin’ny toerana misy fiadanam-po. Inona anefa no tsy maintsy ataontsika mba hijanonana eo sy hanohizantsika “[h]ibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’ i Kristy” (2 Nefia 31:20) fa tsy hihemotra? Voalohany indrindra, tsy maintsy manohy manao ireo zavatra izay nahatonga antsika hahatratra izany fahalehibeazana ara-panahy izany isika, toy ny mivavaka matetika, ny filomanosantsika ao amin’ny soratra masina ary fanompoana amin-kitsimpo.

Ho an’ny sasany amintsika dia mety mitaky fampiharana ny fitokisana ny Tompo na dia ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo aza. Kanefa rehefa tonga any isika dia afaka mandefa antsika miverina mody miaraka amin’ny tanjaka ara-panahy ny fitaomana manasitrana avy amin’ny fanasan’ny Tompo, ny fandraisana ireo fitsipiky ny filazantsara, ary ny fikolokoloan’ny mpiara-miangona.

Avy aiza no ipoiran’ny hery amin’ny fiarahana mivory mivantana?

Tao amin’ny HZM, dia tanorantsika roa hetsy mahery no lasa nahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fampiasana raikipohy tsotra mahakasika ny fiarahana mivory izay niangonan’ny roa na ny maromaro tamin’ny Anarany (jereo ny Matio 18:20), ka nandalina sy nampihatra ny filazantsara sy ny soratra masina, niara-nihira, niara-nivavaka, ary nitady fiadanana tao amin’i Kristy. Izany dia fomba mahery vaika entina hifohazana ara-panahy.

Efa niverina nody izao ireto andiana rahalahy sy ranabavy avy amin’ny faritra maneran-tany ireto ka hamaritra ny dikan’ny hoe mbola “matok[y] an’i Jehovah” (Ohabolana 3:5; filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2022) rehefa voahodidin’ny fitaoman’izao tontolo izao izay feno korontana. Zavatra iray ny “[mihaino Azy]” (Joseph Smith—Tantara 1:17) ao amin’ny toerana mangina fifantohana miaraka amin’ny bokin-tsoratra masina mivelatra. Saingy zavatra hafa mihitsy ny miaina ny maha-mpianatra antsika rehefa voahodidin’ny fanelingelenana eo amin’ity izao tontolo izao ity izay tsy maintsy hiezahantsika “[hihaino Azy,]” na dia ao anatin’ny fahasahiranan’ny tena manokana sy ny tsy fahatokian-tena firy aza. Tsy tokony hisalasalana fa tena toetoetran’ny maherifo no asehon’ny tanorantsika rehefa mametraka ny fony sy ny sainy hijoro amin’ny hitsiny izy ireo mba hanohitra ny fiovan’ny fitondran-tena amin’izao androntsika izao.

Inona no azon’ny fianakaviana atao ao an-tokantrano mba hanorenan-javatra avy amin’ny tanjaka azo avy amin’ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana?

Indray mandeha aho dia nanompo tamin’ny naha-vadin’ny filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny tsatòka ahy. Indray alina aho dia nasaina nandamina ireo mofomamy tao amin’ny lalantsara fidirana teo am-pitarihan’ny vadiko takariva amorom-patana tao amin’ny trano fiangonana ho an’ireo ray aman-dreny sy ny zanany vavy izay niomana hanatrika ny lasin’ny Zatovovavy ho an’ny herinandro manaraka. Rehefa avy nanazava ny toerana tokony haleha sy izay tokony hoentina izy, dia hoy izy: “Izao ary, amin’ny talata maraina rehefa hanatitra ireo zanakavavinareo izay maminareo eny amin’ny fiara fitateram-bahoaka ianareo, dia fihino mafy izy ireo. Ary orohy izy ireo rehefa hanao veloma, satria tsy hiverina izy ireo.”

Naheno olona nisento aho, dia avy eo tonga saina fa hay izaho ihany ilay izy. “Tsy hiverina hoe e?”

Saingy nanohy ny teniny izy avy eo hoe: “Rehefa hanatitra an’ireo ankizivavin’ny talata maraina ireo ianareo, dia ho avelan’izy ireo any ny fanelingelenan’ny zavatra tsy manan-danja ary hiara-mandeha herinandro hianatra sy hitombo ary hatoky ny Tompo izy ireo. Hiara-hivavaka sy hihira sy hahandro sy hanompo sy hizara fijoroana ho vavolombelona izahay ary hanao ireo zavatra izay mamela anay hahatsapa ny Fanahin’ny Ray any An-danitra, mandritra ny herinandro manontolo, mandra-paheniky ny Fanahy anay hatrany amin’ny taolanay. Ary amin’ny sabotsy dia tsy ho ireo naterinareo ny talata intsony ireo ankizivavy ireo izay hitanareo midina an’io fiara fitaterana io. Ho olom-baovao izy ireo. Ary raha manampy azy ireo hanohy hivoatra avy amin’izany fivoarana lehibe ara-panahy azon’izy ireo izany ianareo, dia hahatalanjona anareo izy ireo. Mbola hiova sy hivoatra hatrany izy ireo. Ary toy izany koa ny fianakavianareo.”

Tamin’izay sabotsy izay dia tahaka izay nambarany mialoha mihitsy ny zava-nitranga. Rehefa nangorona ireo trano lay aho, dia nandre ny feon’ny vadiko tao amin’ilay efitrano fivoriana lehibe vita amin’ny hazo izay nivorian’ireo ankizivavy talohan’ny handehanany hody. Reko izy niteny hoe: “Indreto tokoa ianareo. Nijery anareo nandritra ny herinandro izahay. Ry ankizivavin’ny sabotsinay.”

Mamakivaky fotoan-tsarotra ireo tanora matanjak’i Ziona. Ny fitadiavana fifaliana eto amin’ity tontolo izay feno fikorontanana nambara mialoha ity kanefa tsy anisan’izany tontolo izany, sy ny tsy fankasitrahan’ilay tontolo ny fahamasinana, no andraikitr’izy ireo manokana. Tokony ho zato taona lasa izay i G. K Chesterton dia niteny saika ho toy ny nahita ity fikatsahana fifaliana ity ho toy ny mifototra amin’ny ao an-tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana rehefa nilaza izy hoe: “Tsy maintsy hisy fotoana isika hahatsapa izao tontolo izao ho toy ny lapan-drapeto, sy handalo zava-tsarotra, kanefa hahatsapa izany koa ho toy ny trano bongontsika manokana, izay azontsika hiverenana amin’ny alina” (Orthodoxy [1909], 130).

Soa ihany fa tsy mila mandeha mivoaka miady irery izy ireo. Mifanohana izy ireo. Ary manana anareo izy ireo. Ary manaraka mpaminany velona iray izy ireo, dia ny Filoha Russell M. Nelson, izay mitarika amin’ny fahatokian’ny mpahita iray amin’ny fanambarana fa ny ezaka lehibe amin’izao fotoana izao—ny fanangonana an’i Isiraely—dia ho lehibe sy ho mahatalanjona (jereo ny “Hope of Israel” [worldwide youth devotional, 3 Jona, 2018], HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org).

Tamin’ity fahavaratra ity, izaho sy i Kalleen vadiko dia niova fiaramanidina tany Amsterdam izay toerana naha-misiônera vaovao ahy, taona maro talohan’izay. Rehefa avy nandalo fahasarotana nianatra teny holandey nandritra ny volana maro aho, dia nigadona ny sidina KLM nandehananay, ary nanao fanambarana tsy azonay tamin’ilay rafitra fampandrenesana ny daholobe ny kapiteny. Taorian’ny fahanginana kely dia ningonongonona ilay namako nanao hoe: “Araka ny hevitro dia fiteny Holandey izany.” Nitraka izahay, namantatra ny tao an-tsainay tsirairay avy hoe: Very daholo ny zavatra nianarana.

Saingy tsy very akory ny fanantenana. Rehefa nisaintsaina ny fampiasanay finoana tamin’izany fotoana izany teo am-pamakivakiana ity seranam-piaramanidina ity aho, raha nizotra ho any amin’ireo fahagagana izay hirotsaka aminay amin’ny maha-misiônera anay, dia tonga saina tampoka ka niverina tamin’ny fotoana ankehitriny teo anilan’ny misiônera iray velona sy miaina izay nandeha fiaramanidina fa hody. Nampahafantatra ny tenany izy dia nanontany hoe: “Filoha Lund, inona no hataoko izao? Inona no ataoko mba hitoetra ho matanjaka?”

Io ihany koa no fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ireo tanorantsika rehefa mandao ny fihaonamben’ny HZM, ny lasin’ny zatovo, ny dia any amin’ny tempoly, ary amin’ny fotoana rehetra hahatsapany ny herin’ny lanitra izy ireo.

Nahatsapa fitiavana nitombo ho an’io misiônera mahay mandinika io aho tamin’ny ora farany tamin’ny asa fitoriany, ary tao anatin’izany fahatonian’ny Fanahy izany dia naheno ny feoko farina aho rehefa niteny tsotra hoe: “Tsy mila mitondra ilay kara-pamantarana ianao vao hoe mitondra ny anarany.”

Te hametraka ny tanako teo an-tsorony aho ary hiteny hoe: “Izao no ataonao. Mody ianao dia mijanòna toy izao fotsiny. Tena efa olona tsara loatra ianao hany ka efa hila hanjelatra ao anatin’ny haizina. Ny fitsipi-pifehezana sy ny fahafoizan-tena nandritra ny misiônanao dia nahatonga anao ho zanak’ Andriamanitra mahafinaritra. Tohizo any an-trano izay zavatra tena nahomby tsara ho anao taty. Nianatra nivavaka ianao sy ny hoe amin’iza no mivavaka ary ny nianatra ny fiteny ampiasaina rehefa mivavaka. Nandalina ny teniny ianao ary lasa tia ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fiezahana hitovy Aminy. Efa nitia ny Ray any An-danitra tahaka ny nitiavany ny Rainy ianao, nanompo ny hafa tahaka ny nanompoany ny hafa, ary niaina ny didy tahaka ny niainany izany—ary rehefa tsy nanao izany ianao dia nibebaka. Ny maha-mpianatra anao dia tsy teny filamatra amin’ny T-shirt fotsiny—efa lasa ampahany amin’ny fiainanao hampiasaina ho an’ny hafa izany. Ka noho izany dia mandehana mody ianao ary ataovy izany. Aoka mba ho izany ianao. Ento ao anatin’ny androm-piainanao sisa izany fahavitrihana ara-panahy izany.”

Fantatro fa amin’ny alalan’ny fitokiana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny lalan’ny fanekempihavanany dia afaka mahazo fahatokian-tena ara-panahy sy fiadanam-po isika rehefa mikolokolo ireo fahazarana masina sy ireo fomba fanao feno fahamarinana izay afaka manohana sy mandrehitra ny afon’ny finoantsika. Enga anie isika tsirairay avy mba hanatona kokoa an’ireo afo mampafana ireo ary, na inona na inona hitranga, dia hitoetra eo amin’izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.