Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany

Aoka isika hahatsiaro fa ny olona tsirairay eto amin’ity tany ity dia zanak’ Andriamanitra ary tiany avokoa.

Misy tantara iray notantaraina momba ny lehilahy iray antsoina hoe Jack izay nanana alika mpihaza vorona antsoina hoe Cassie. Reharehan’i Jack i Cassie ary izy dia mandoka matetika ny fahaizan’ny alikany. Mba hanaporofoana izany dia nasain’i Jack ny sasany tamin’ireo namany mba hijery ny fomba fiasan’i Cassie. Rehefa tonga tao amin’ilay toerana ho an’ny vondron’ny mpihaza dia navelan’i Jack nihazakazaka manerana ilay toerana i Cassie ary izy kosa nandeha nisoratra anarana.

Rehefa tonga ny fotoana hanombohana dia tsindrindaona i Jack hampidera ny fahaizana mahatalanjona ananan’i Cassie. Nanao fihetsika hafahafa anefa i Cassie. Tsy nanaiky ireo baikon’i Jack tahaka ny fanaony an-tsitrapo i Cassie. Ny hany tiany atao dia ny hijanona eo anilany.

Sorena sy menatra ary tezitra tamin’i Cassie i Jack, ary tsy ela dia nanapa-kevitra ny handeha izy. Tsy nanaiky ny hitsambikina akory any aorian’ilay fiara i Cassie, ka noho izany dia tsy nahandry i Jack ka nibata azy dia nanesika azy tao amin’ilay fitaovana fitondrana alika. Tezitra mafy izy teny an-dalana hody noho ireo olona niaraka taminy izay nandrabiraby ny toetra nasehon’ny alikany. Tsy azon’i Jack ny antony nahatonga an’i Cassie tsy nanaraka ny baikony. Nampiofanina tsara izy, ary ny faniriany hatramin’izay dia ny mba hampifaly sy hanompo ny tompony.

Nony tonga tao an-trano dia nojeren’i Jack toy ny fanaony mahazatra i Cassie raha toa ka naratra na misy voan-javatra miraikitra amin’ny volony na kongona. Raha nametraka ny tanany teo amin’ny tratrany izy, dia nahatsapa zavatra mando ary nahita fa feno rà ny tanany. Tamin’ny fahamenarana sy horohoro no nahitany fa nisy ratra lalina sy lehibe teo amin’ny ilany havanan’ny tratran’i Cassie ka tonga hatrany amin’ny taolany. Nahita iray hafa koa izy teo amin’ny tongony aloha havanana izay tonga hatrany amin’ny taolany ihany koa.

Notrotroin’i Jack i Cassie ary nanomboka nitomany izy. Heniky ny henatra izy noho ny fitsaratsarany sy ny fomba nitondrany azy. Tsy nanao ireo fihetsiny toy ny mahazatra i Cassie efa hatry ny marainan’io andro io satria naratra izy. Nisy fiantraikany teo amin’ny toetrany ny fanaintainany, ny fijaliana, ary ireo ratrany. Tsy nisy ifandraisany tamin’ny tsy fananana faniriana hanatanteraka ny baikon’ny Jack izany na ny tsy fitiavana azy.1

Taona maro lasa izay no nahenoako ity tantara ity ary tsy hadinoko mihitsy. Firy moa ireo olona manana ratra eo anivontsika? Impiry moa isika no mitsara ny hafa noho ny endrik’izy ireo ivelany na ny fihetsik’izy ireo, na ny tsy fanaovan’izy ireo na inona na inona, nefa afaka ny hanana fangorahana sy faniriana ny hanampy isika raha toa ka nahatakatra bebe kokoa, fa tsy hampitombo ny enta-mavesatr’izy ireo amin’ny fitsaratsarantsika?

Efa im-betsaka aho no meloka tamin’izany teo amin’ny fiainako, kanefa ny Tompo dia nampianatra ahy tamim-paharetana tamin’ny alalan’ireo zavatra niainako manokana sy tamin’ny alalan’ny fihainoako ireo zavatra niainan’ny olona maro hafa. Lasa nankasitraka kokoa ny ohatra nasehon’ Ilay Mpamonjy malalantsika aho satria nampiasa ampahany betsaka tamin’ny fotoany Izy mba hanompo ny hafa amim-pitiavana.

Isan’ny zavatra niainan’ny zanako faravavy teo amin’ny fiainany ny olana teo amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po nanomboka tamin’ny fahakeliny. Nisy fotoana maro teo amin’ny fiainany nahatsapany fa tsy ho tafavoaka intsony izy. Ho feno fankasitrahana mandrakizay izahay noho ireo anjely eto an-tany izay teo foana nandritra ireo fotoana ireo: nipetraka teo anilany; nihaino azy; niara-nitomany taminy; ary nifampizara ihany koa fanomezana miavaka, fahatakarana ara-panahy, ary fifandraisana feno fitiavana. Ao anaty toe-javatra feno fitiavana toy izany dia mihamaivana matetika ny enta-mavesatra entin’ny andaniny sy ny ankilany.

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin, raha nindrana ny teny tao amin’ny 1 Korintiana dia nilaza hoe: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.”2

Notohizany hoe:

“Ny hafatr’i Paoly ho an’ity vondrona vaovaon’ny Olomasina ity dia tsotra sy mahitsy: Tsy mitondra fiovana firy izay mety hataonao raha toa ianao ka tsy manana fiantrana. Afaka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra ianao, manana ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana, mahatakatra ny zava-miafina rehetra, ary manana ny fahalalana rehetra; na dia manana ilay finoana hamindra tendrombohitra aza ianao, dia tsy hisy tombony ho anao izany raha tsy manana fiantrana ianao.

“Fa ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy- [Môrônia 7:47]. Ohatra naneho izany fitiavana izany ny Mpamonjy.”3

Vakintsika ao amin’ny Jaona ny hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”4

Maro ireo lahateny nataon’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonantsika momba ny fiantrana, ny firaisankina, ny fitiavana, ny hatsaram-panahy, ny fangorahana, ny famelana, ary ny famindram-po. Mino aho fa ny Mpamonjy dia manasa antsika mba hiaina amin’ny fomba ambony sy masina kokoa5 dia ilay fombany feno fitiavana izay ahafahan’ny rehetra mahatsapa fa manana anjara toerana sy ilaina tokoa izy ireo.

Nodidiana isika mba hitia ny hafa,6 fa tsy hitsaratsara azy ireo.7 Aoka isika hitsahatra amin’ny fitondrana izany enta-mavesatra izany, tsy anjarantsika ny mitondra izany.8 Ho solon’izay dia azontsika raisina ny ziogan’ny fitiavana sy fangorahan’ny Mpamonjy.

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako ka mianara Amiko; …

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”9

Ny Mpamonjy dia tsy manaiky ny fahotana fa manolotra kosa ny fitiavany ary manolotra ny famelan-keloka rehefa mibebaka isika. Hoy Izy tamin’ilay vehivavy izay tratra nijangajanga: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”10 Ireo izay nokasihiny dia nahatsapa ny fitiavany, ary izany fitiavana izany dia nanasitrana azy ireo sy nanova azy ireo. Ny fitiavany dia nitaona azy ireo hanana faniriana ny hanova ny fiainan’izy ireo. Mitondra fifaliana sy fiadanana ny miaina araka ny fombany, ary nanasa ny hafa tamim-katsaram-panahy, sy hatsaram-po sy tamim-pitiavana Izy mba hiaina toy izany koa.

Hoy ny Loholona Gary E Stevenson: “Rehefa sendra ireo fitsapana sy olana eo amin’ny fiainana, ary ny aretina sy ny ratra isika dia ny Tompo, ny Mpiandry antsika, ilay Mpikarakara antsika, no hikolokolo antsika amim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Hositraniny ny fontsika ary haveriny amin’ny laoniny ny tenantsika.”11 Amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika, moa ve isika tsy tokony hanao toy izany?

Mangataka antsika ny Mpamonjy mba hianatra Aminy12 ary hanao ireo zavatra izay efa hitantsika fa efa nataony.13 Ohatra velon’ny fiantrana sy ny fitiavana madio Izy. Rehefa mianatra tsikelikely manao ireo zavatra izay angatahiny amintsika isika—tsy noho ny andraikitra na noho ireo fitahiana mety ho azontsika fa noho ny fitiavantsika Azy sy ny Ray any An-danitra tsotra izao14 dia hitosaka amin’ny alalantsika ny fitiavany ary hahatonga ny zavatra rehetra izay asainy ataontsika tsy hoe azo tanterahina fotsiny ihany fa ho mora sy maivana kokoa any aoriana any15 ary hitondra fifaliana mihoatra izay azontsika eritreretina. Hila fampiharana izany, mety haharitra taona maro, tahaka ny ahy, kanefa na dia manam-paniriana ny mba hanana fitiavana ho hery manosika antsika fotsiny aza isika, dia azony alaina izany faniriana izany,16 izany voa izany, dia hovainy ho lasa hazo mahafinaritra, feno voa izay mamy indrindra any aoriana any.17

Mihira ny iray amin’ireo fihirana tiantsika isika hoe: “Iza moa aho no hitsara ny hafa, kanefa aho tsy tonga lafatra? Miafina ao am-pony mangina ny alahelo tsy taza-mazo.”18 Iza eo anivontsika no mety manana alahelo miafina? Ilay ankizy na zatovo toa mpikomy, ireo ankizy miaina ao anatin’ny fisaraham-panambadiana, ilay ray na reny tokantena, ireo manana olana amin’ny fahasalamana ara-batana na ara-tsaina, ireo misalasala amin’ny finoany, ireo izay miaina fanavakavahana ara-pirazanana na ara-kolontsaina, ireo izay mahatsapa ho irery, ireo izay maniry mafy ny hanambady, ireo manana fiankinan-doha tsy iriana, ary ny maro hafa izay miatrika zavatra iainana feno fanamby, ary matetika aza ireo izay toa manana fiainana miendrika tonga lafatra ety ivelany.

Tsy misy manana fiainana na fianakaviana tonga lafatra isika. Azoko antoka fa tsy manana izany aho. Rehefa mikatsaka ny hangoraka ireo olona hafa izay miaina olana sy tsy fahatanterahana ihany koa isika, dia afaka ny hahatsapa izy ireo fa tsy irery ao amin’ny adin’izy ireo. Ny tsirairay dia mila mahatsapa fa manana ny toerany tokoa izy ireo ary ilaina ao amin’ilay tenan’i Kristy.19 Ny faniriana lehibe an’i Satana dia ny hampizarazara ireo zanak’ Andriamanitra, ary nahomby tokoa izy, saingy misy hery lehibe ao anatin’ny firaisankina.20 Tena ilaintsika tokoa ny mifampitantana eto amin’ity fiainana an-tany feno olana ity!

Ny mpaminanintsika, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Ny herisetra rehetra na ny fitsarana an-tendrony atao amin’ny hafa noho ny zom-pirenena, ny firazanana, ny fironana eo amin’ny filàna ara-nofo, ny maha-lahy na maha-vavy, ny mari-pahaizana tamin’ny fianarana, ny kolontsaina, na ireo famantarana manan-danja hafa dia manafintohina ny Mpahary antsika! Ny fampahoriana toy izany dia mahatonga antsika hiaina ambany noho ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ny fanekempihavanany antsika!”21

Raha toa ka nanasa ny rehetra ny Filoha Nelson mba hiditra sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra, dia nanome izao torohevitra izay koa izy: “Raha toa ka miala amin’ny Fiangonana ny namana sy ny fianakaviana dia tiavo hatrany izy ireo. Tsy anjaranareo ny mitsara ny safidin’ny hafa tahaka ny hoe tsy mendrika mihitsy ny hokihanina noho ny fijanonana ho mahatoky ianareo.”22

Ry namana isany, aoka isika hahatsiaro fa ny olona tsirairay eto amin’ity tany ity dia zanak’ Andriamanitra23 ary tiany izy tsirairay avy.24 Moa ve misy olona eo amin’ny fiainanao izay tsapanao fa tianao hotsaraina? Raha misy izany dia tsarovy fa fahafahana manan-danja ho antsika ireny mba hanao fampiharana ny hitia tahaka ny fitiavan’ny Mpamonjy.25 Rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika, dia afaka ny ho iray zioga Aminy ary hamelona ao am-pon’ny zanaky ny Raintsika tsirairay avy fahatsapana fitiavana sy ho manana ny toerany.

“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”26 Rehefa feno ny fitiavan’ny Mpamonjy isika, dia tena afaka ny ho mora tokoa ny ziogany, ary afaka ny ho maivana ny entany.27 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.