Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana

Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana dia azo fintinina toy izao ho antsika tsirairay: Iray amin’i Kristy aho ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara.

Te hiresaka mikasika ny antsoiko hoe ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Mizara telo io fotopampianarana io: (1) ny anjara asan’ny fahatsapana ho manana toerana eo amin’ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, (2) ny maha zava-dehibe ny asa fanompoana sy fahafoizan-tena eo amin’ny fahatsapana ho manana toerana, ary (3) ny anjara andraikitra fototra sahanin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fahatsapana ho manana toerana.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany am-piandohany dia nahitana Olomasina Amerikanina Tavaratra sy Eorôpeanina tavaratra fotsy hoditra ny ankamaroany, ary ankavitsiana ireo Amerikanina Zanatany sy Amerikanina mainty hoditra ary avy any amin’ireo nosy Pasifika. Ankehitriny, valo taona alohan’ny tsingerintaona faha-200 nanorenana azy, dia nitombo be ny Fiangonana raha ny isa sy ny fahasamihafana any Amerika Avaratra, ary mbola mihoatra noho izany aza any amin’ny faritra hafa maneran-tany.

Raha mihamahazo vahana ilay fanangonana amin’ny andro farany efa nambara ela mialoha, ny Fiangonana dia hahitana marina tokoa mpikambana avy amin’ny firenena sy foko sy samy hafa fiteny ary mponina rehetra.1 Tsy fahasamihafana nokajikajiana izy io na noterena, fa zavatra mitranga ho azy izay efa ampoizina, noho ny fahafantarana fa ilay haraton’ny filazantsara dia manangona avy amin’ny firenena rehetra sy ny mponina rehetra.

Tena sambatra isika mahita ny andro izay samy iarahana hanorenana an’i Ziona any amin’ny kaontinanta rehetra sy ao amin’ny faritra misy anao. Araka ny voalazan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny vaninandro rehetra dia samy niandrandra amim-pifaliana an’izao andro izao, ary “isika no vahoaka manana tombony izay nofidian’ Andriamanitra hampitranga ny voninahitry ny Andro farany.”2

Raha nomena izany tombony izany isika dia tsy afaka mamela ny hisian’izay mety ho fanavakavaham-bolon-koditra, na foko, na fampisaraham-bazana hafa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy amin’ny andro farany. Mandidy antsika ny Tompo hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”3 Tokony havitrika isika amin’ny famongorana ny fanavakavahana sy fanilikilihana tsy ho ato amin’ny Fiangonana, tsy ho ao an-tokantranontsika, ary indrindra indrindra, tsy ho ao am-pontsika. Eo am-pivoaran’ny vahoakan’ny Fiangonantsika ho lasa feno fahasamihafana kokoa hatrany dia tokony hitombo ho lasa mandeha ho azy sy feno fitiavana ny fandraisantsika. Mifampila isika.4

Ao amin’ny Epistiliny Voalohany ho an’ny Korintiana i Paoly dia manambara fa izay rehetra atao batisa ao amin’ny Fiangonana dia iray ao amin’ny tenan’i Kristy:

“Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.

“Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. …

“Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.

“Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena.”5

Tena manan-danja ho an’ny fahasambarantsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy ny fahatsapana ho manana ny toerana. Kanefa, tena mety hisy fotoana mety hahatsapantsika tsirairay indraindray ho tsy ilaina. Amin’ny fotoam-pahakiviana isika dia mety hahatsiaro ho tsy hahafampo mihitsy an’ireo fenitra avon’ny Tompo, na ny zavatra andrasan’ny hafa amintsika.6 Mety tsy manao fanahy iniana isika mametraka fitakiana amin’ny hafa—na ny tenantsika mihitsy aza—izay tsy fitakiana avy amin’ny Tompo akory. Mety maneho amin’ny fomba tsy mivantana isika hoe ny lanjan’ny fanahy iray dia miankina amin’ny fahatratrarana zavatra iray na ny antso ananana, saingy tsy ireo no hamaritan’ny Tompo ny fahamendrehantsika. “Jehovah kosa mijery ny fo.”7 Ny raharahiany dia ireo faniriantsika sy ny zavatra tiantsika atao ary hoe lasa manao ahoana isika.8

Nanoratra ny zavatra niainany nandritra ny taona maro lasa Rahavavy Jodi King nanao hoe:

“Tsy mbola nahatsapa ho tsy nanana ny toerako mihitsy aho tato am-piangonana raha tsy tamin’ny fotoana nanombohanay sy Cameron vadiko nijaly noho ny tsy fahafahana miteraka.” Ireo zaza sy fianakaviana izay raha ny tokony ho izy nitondra fifaliana ho ahy ny mahita azy any am-piangonana dia lasa nanomboka niteraka alahelo sy fanaintainana ho ahy.

“Nahatsiaro ho babangoana aho tsy nisy zaza ety an-tsandriko na tsy mitondra kitapo fasiana lamban-jaza. …

“Ny alahady sarotra indrindra taminay dia ilay alahady voalohany tao amina paroasy vaovao. Noho izahay tsy nanan-janaka dia nisy nanontany hoe mpivady vao angaha izahay ary oviana ny mieritreritra hanomboka hitaiza. Efa lasa somary havanana ihany aho amin’ny famaliana fanontaniana tahaka ireny ka tsy mamela azy ireny hisy fiantraikany amiko, satria fantatro fa tsy niniana hatao hampalahelo izy ireny.

“Saingy tamin’io alahady io manokana dia tena sarotra indrindra ny famaliana ireo fanontaniana ireo. Vao avy nahita izahay, rehefa avy feno fanantenana, fa tsy bevohoka indray tamin’ity.

“Niditra tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho nahatsiaro ho kivy tanteraka, ary sarotra tamiko ny namaly ireo fanontaniana fametraka ahafahana mamantatra anao. …

“Saingy ny Sekoly Alahady no tena nandratra ny foko. Ilay lesona, izay nokendrena ho momba ny anjara asa masin’ny reny, dia nivadika tampoka ho lasa fivoriana ho an’ny fahasorenana. Vaky ny foko ary nirotsaka mangina ny ranomasoko rehefa nahare ireo vehivavy nitaraina mikasika ny tombontsoa izay ho nanolorako ny zava-drehetra mba hananana izany koa.

“Nivoaka faingana avy tao am-piangonana aho. Tamin’ny voalohany aho tsy te hiverina. Tsy te hihaina indray io fahatsapana ho manirery io. Saingy ny alin’io, rehefa tafaresaka izahay mivady, dia nahalala izahay fa hanohy ho any am-piangonana, tsy hoe satria nangataka izany taminay ny Tompo, tsy izay ihany, fa samy nahafantatra koa izahay fa ny fifaliana azo noho ny fanavaozana fanekempihavanana sy ny fahatsapana ny Fanahy any am-piangonana dia maharesy ny alahelo izay tsapako tamin’io andro io. …

“Ato amin’ny Fiangonana dia misy maty vady, nisara-panambadiana, mpikambana tsy manambady, ireo manana fianakaviana niala tamin’ny filazantsara, olona manana areti-mitaiza na sahirana ara-bola, mpikambana manana fironana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy, mpikambana mitolona handresena fiankinan-doha na ahiahy, vao niova fo, vao nifindra monina, ray aman-dreny irery fa efa nahalehibe anaka, sy ny sisa sy ny sisa. …

“Manasa antsika ny Mpamonjy hanatona Azy, na inona na inona toe-javatra iainantsika. Mankaty am-piangonana isika hanavao fanekempihavanana, hampitombo finoana, hitady fiadanam-po, ary hanao tahaka Azy izay nanao izany tamin’ny fomba tonga lafatra nandritra ny fiainany, dia ny manompo ny hafa izay mahatsiaro ho tsy manana ny toerany.”9

Nanazava i Paoly fa ny Fiangonana sy ireo mpiandraikitra ao dia nomen’ Andriamanitra “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy:

“Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”10

Mahatsikaiky mampalahelo izany rehefa misy olona mahatsiaro ho tsy mahatratra ilay idealy eo amin’ny lafim-piainana rehetra, ka milaza fa tsy manana ny toerany ao amin’ilay rafitra mihitsy izay nataon’ Andriamanitra hanampy antsika hivoatra mankamin’ilay idealy.

Andeha isika hamela ny fitsarana ho eo am-pelantanan’ny Tompo sy ireo izay notendreny, ka hionona amin’ny fitiavana sy fandraisana ny hafa amin’ny fomba tsara indrindra vitantsika. Aoka isika hangataka Azy hampiseho antsika ny fomba tsikelikely, “ampidi[rana] ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba”11, izany hoe ny rehetra, ho ao amin’ilay fanasana lehibe an’ny Tompo.

Lafiny faharoa amin’ilay fotopampianaran’ny fahatsapana ho manan-toerana dia misy idirany amin’ny anjara birikintsika manokana. Na dia mahalana aza isika vao mieritreritra azy, ny ampahany lehibe indrindra amin’ny fahatsapantsika ho manana toerana dia tonga avy amin’ny fanompoana ataontsika sy ny fahafoizana izay ataontsika ho an’ny hafa sy ho an’ny Tompo. Ny fifantohana be loatra amin’ireo zavatra ilaintsika na ny mampiadana antsika manokana dia mety manohitohina io fahatsapana ho manana toerana io.

Miezaka manaraka ilay fotopampianaran’ny Mpamonjy isika hoe:

“Fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompoanareo. …

“Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”12

Tsy ny fiandrasana ny fahatsapana ho manan-toerana no mahatanteraka izany fa ny fanoloran-tanana hifanampy.

Mampalahelo ankehitriny fa efa zary lasa mifanohitra amin’ny fomba fanao ny manokan-tena ho an’ny foto-kevitra iray na ny mahafoy tena ho an’olona iray hafa. Tao anaty lahatsoratra iray ho an’ny Deseret Magazine tamin’iny taona lasa iny no nitantaran’i Rod Dreher mpanoratra ny fifampiresahany tamin’ny renim-pianakaviana iray tany Budapest:

“Ato anaty tramway aty Budapest aho izao miaraka amin’ny … namana iray eo amin’ny 30 taona eo—andeha ho antsointsika hoe Kristina—raha ety an-dalana hanadihady vehivavy zokiolona [Kristianina] iray izay niharan’ny fampijaliana niaraka tamin’i Tompokolahy vadiny nasetrin’ny fanjakana kômionista. Nandritra ny dia mamakivaky ny tanana dia tantarain’i Kristina fa sarotra ny milaza ny marina amin’ireo namany mitovitovy taona aminy mikasika ny ady atrehiny amin’ny maha vady sy reny manan-janaka madinika.

“Ireo zava-manahirana an’i Kristina dia tena mahazatra ho an’ny vehivavy tanora vao mianatra ny ho reny sy ho vady, kanefa ny toe-tsaina manjaka eo anivon’ireo mitovitovy taona aminy dia hoe manohitohina ny fahasambarana ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ka tokony ho lavina.” Moa ve mifanditra izy mivady indraindray? Ka tokony hisaraka amin’ny vadiny izany ilay vehivavy, hoy izy ireo. Manorisory azy ve ireo zanany? Ka tokony halefany any amin’ny akanin-jaza izany izy ireo.

“Sahiran-tsaina i Kristina hoe tsy takatr’ireo namany fa ny sedra, na fijaliana mihitsy aza, dia lalan’ny fiainana tokony hizorana, ary angamba aza anisan’ny fiainana tsara, raha toa izany fijaliana izany ka mampianatra antsika hanam-paharetana sy ho tsara fanahy ary ho be fitiavana. …

“… I Christian Smith, mpandalina fiarahamonina momba ny fivavahana avy ao amin’ny Oniversiten’i Notre Dame dia nahita tamin’ny fikarohana nataony momba ireo olon-dehibe 18 ka hatramin’ny 23 taona fa ny ankamaroan’izy ireo dia mihevitra fa ny fiarahamonina dia tsy inona akory fa ‘fitambaran’olona mahaleotena tsy manan-tanjona afa-tsy ny hankafy ny fiainana.’”13

Raha izay foto-pisainana izay dia na inona na inona hitan’ny olona iray hoe sarotra dia efa “endrika fampijaliana.”14

Mifanohitra amin’izay, ireo mpamakilay nialoha antsika dia lasa nanana fahatsapana ho manana ny toerany, firaisankina, ary fanantenana ao amin’i Kristy noho ireo fahafoizantena nataon’izy ireo hanaovana asa fitoriana, hananganana tempoly, handaozana fonenana nampiadana rehefa voatery hanao izany ary avy eo manomboka hatramin’ny voalohany indray, ary tamin’ny fomba maro hafa nanokana ny tenan’izy ireo sy ny fananany ho an’ny fotokevitr’i Ziona. Vonona hamoy ny ain’izy ireo aza izy ireo raha toa ka nilaina. Ary isika rehetra no misitraka ny tombontsoa avy amin’ny faharetan’izy ireo. Marina koa izany ho an’ireo maro ankehitriny izay mety namoy fianakaviana sy namana, nandà tolotr’asa na niharan’ny fanavakavahana na tsy fandeferana tamin’ny fomba hafa noho izy ireo natao batisa. Ny valisoan’izy ireo anefa, dia fahatsapana mahery vaika ho manana ny toerany eo anivon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana. Izay mety ho fahafoizana ataontsika ho an’ny Tompo dia manamafy ny fananantsika toerana miaraka Aminy, Izy izay nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Ny singa farany sy manan-danja indrindra eo amin’ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana dia ilay anjara asa fototra sahanin’i Jesoa Kristy. Tsy ny finamanana ihany no hikambanantsika amin’ny Fiangonana, na dia manan-danja tokoa aza izany. Miditra ho mpikambana isika ho an’ny fanavotana noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavany. Miditra ho mpikambana isika mba hiantohana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo lalaintsika eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly. Miditra ho mpikambana isika mba handraisana anjara amina tetikasa lehibe hananganana an’i Ziona ho fiomanana amin’ny fiverenan’ny Tompo.

Ny Fiangonana no nampiandraiketana an’ireo fanekempihavan’ny famonjena sy fisandratana izay omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana masina.15 Ny fanajana ireo fanekempihavanana ireo no hahazoantsika ilay fahatsapana ambony sy lalina indrindra ho manan-toerana. Nanoratra ny Filoha Russell M. Nelson vao tsy ela hoe:

“Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. …

“…I Jesoa Kristy no mpiantoka ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny Hebreo 7:22; 8:6).”16

Raha hotsaroantsika izany dia hitondra fitariham-panahy ho antsika ny zavatra antenain’ny Tompo amintsika fa tsy hitondra fahakiviana ho antsika.

Mahatsapa fifaliana isika rehefa miaraka mikatsaka samirery na miaraka ny “ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”17 Na eo aza ireo fahadisoam-panantenana sy tsy fahombiazana eny an-dalana dia izany no zavatra mendrika ho katsahina. Mifanohana sy mifankahery isika eo am-pikatsahana ilay lalana miakatra, sady mahafantatra fa na inona na inona fijaliana, ary na ela aza vao tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina, isika dia afaka “[mahatoky fa i Kristy] efa naharesy izao tontolo izao,”18 ary miaraka Aminy isika. Ny maha iray antsika ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no tsy isalasalana fa faratampony amin’ny fahatsapana ho manana toerana.19

Arak’izany, ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manan-toerana dia azo fehezina amin’ny hoe —isika tsirairay dia afaka manambara fa: maty ho ahy i Jesoa Kristy; hitany fa mendrika ny rany latsaka aho. Tia ahy Izy ary afaka mitondra ny fiovana rehetra eo amin’ny fiainako. Hanova ahy ny fahasoavany raha toa ka mibebaka aho. Iray ao Aminy aho ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara; manana toerana ao amin’ny Fiangonany sy fanjakany aho; ary manana toerana eo amin’ny foto-keviny izay hitondra fanavotana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa manana ny toeranao tokoa ianao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Apokalypsy 5:9; jereo ihany koa ny 1 Nefia 19:17; Môzià 15:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:51; 77:8, 11.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 186.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27.

  4. Nanamarika ny mpandinika matsilo iray hoe:

    “Tsy mbola hita teo amin’ny raki-tantaran’ny zanak’olombelona ny fivavahana izay raharahan’ny tena manokana raha tsy amin’izao vanim-potoanantsika izao—ary misy antony izany. Ny fivavahana toy izany dia lasa mivadika haingana ho fahafinaretana mikatona ao an-tokantrano, karazana fialambolin’olon-tokana na vitsivitsy toy ny famakiana boky na fijerena fahitalavitra. Noho izany dia tsy mahagaga raha lasa fanao tokoa ny fikatsahana fiainam-panahy. Izany no imatimatesan’ny olona fatratra ho solon’ny antokom-pivavahana izay nialany.

    “Ny fiainam-panahy dia ampahany tanteraka ao amin’ny fivavahana rehetra—saingy ampahany kely monja, ary tsy mahasolo an’izy manontolo. Ny fivavahana dia tsy karazana fampiasam-batana izay hahazoana traikefa mahafa-po tsindraindray. Na izany manefy ny fiainanao—ny fiainanao manontolo—na izany manjavona, ka tsy mamela afa-tsy olona miaina tebiteby sy poakaty, izay tsy sitran’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny firesadresahana. Ary mba hahafahan’ny fivavahana hanefy ny fiainanao dia mila atao am-pahibemaso sy iombonana izany, ary mila mifandray amin’ireo efa maty sy ireo mbola tsy teraka” (Irving Kristol, “The Welfare State’s Spiritual Crisis,” The Wall Street Journal, Feb. 3, 1997, A14).

  5. 1 Korintiana 12:12–13, 25–26.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Perfection Pending,” Ensign, Nov. 1995, 86–88; Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 40–42.

  7. 1 Samoela 16:7.

  8. Araka ny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “‘Tongava amin’ny maha ianareo anareo,’ hoy ny Ray be fitiavana amintsika tsirairay, kanefa nampiany hoe: ‘Fa aza manao drafitra ny hijanona amin’ny maha ianareo anareo fotsiny.’ Mitsiky isika sady mahatsiaro fa Andriamanitra dia vonona hanao izay hahatonga antsika ho mihoatra izay noeritreretintsika fa mety hahatongavantsika” (“Ireo hira hay hiraina sy hira tsy vita ny mihira azy,” Liahona, mey 2017, 51).

  9. Jodi King, “Belonging in the Church through the Lens of Infertility,” Liahona, Mar. 2020, 46, 48–49.

  10. Efesiana 4:12–13.

  11. Lioka 14:21

  12. Marka 10:43,45; nampiana fanamafisana.

  13. Rod Dreher, “A Christian Survival Guide for a Secular Age,” Deseret Magazine, Apr. 2021, 68.

  14. Dreher, “A Christian Survival Guide for a Secular Age,” 68.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22.

  16. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 6, 10.

  17. Efesiana 4:13.

  18. Jaona 16:33.

  19. Jereo ny Jaona 17:20–23. “Ary ankehitriny aho dia manafatrafatra anareo hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apôstôly ny Aminy. Ka ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray, ary koa ny an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina izay vavolombelona manambara Azy Ireo, ho aminareo sy hitoetra aminareo mandrakizay” (Etera 12:41).