Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Risi-po hitory ny fahamarinana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Risi-po hitory ny fahamarinana

Rehefa mahafantatra ny fahamarinana isika dia omen’ny Tompo fahafahana hanao izay ho nataony raha toa ka teto Izy ankehitriny.

Namita ny fianarana hahazoana diplaoma voalohany amin’ny soridrefitany tany amin’ny sekoly ara-teknika aho tamin’ny 1982.

Rehefa nifarana ny taona dia nanasa ahy hiresaka taminy ny mpiara-mianatra iray tamiko. Tsaroako fa nandao ireo mpiara-mianatra hafa izahay ka nandeha tamin’ny faritra iray teo akaikin’ny kianja fanaovana fanatanjahantena iray. Rehefa tonga teo izahay dia niresaka tamiko momba ny finoany ara-pivavahana izy, ary tsy vitan’ny nampiseho boky iray tamiko fotsiny izy fa nomeny ahy mihitsy ilay boky. Tsoriko fa tsy tsaroako ny teny rehetra nolazainy, saingy tsaroako tsara izany fotoana izany sy ny fahatsapako rehefa nilaza izy hoe: “Te hijoro ho vavolombelona aminao aho fa marina ity boky ity, ary naverina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”

Nody aho rehefa avy niresaka izahay, navadibadiko ny pejy vitsivitsy tamin’ilay boky, dia napetrako teo amin’ny talantalana izany. Koa satria tamin’ny fiafaran’ny taona izany, ary izany no taona farany tamin’ny fianarako soridrefitany, dia tsy niraharaha loatra ilay boky aho, na koa ilay mpiara-mianatra amiko izay nizara izany tamiko. Efa fantatrareo sahady ny anaran’ilay boky. Eny, ny Bokin’i Môrmôna izany.

Dimy volana taty aoriana dia tonga tao an-tranoko ny misiônera. Hivoaka ny trano izy ireo raha iny nody avy niasa iny aho. Nasaiko niverina niditra izy ireo. Nipetraka teo amin’ny lavarangana kely teo anoloan’ny tranoko izahay, dia nampianatra ahy izy ireo.

Taamin’ny fikatsahako ny fahamarinana dia nanontaniako azy ireo izay fiangonana marina sy ny fomba ahafahako mahita izany. Nampianatra ahy ny misiônera fa afaka mahazo ny valin’izany fanontaniana izany ho an’ny tenako aho. Tamin’ny fiandrandrana sy faniriana fatratra no nanekeko ny fanambin’izy ireo hamaky toko maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nivavaka tamin-kitsimpo omban’ny tena finiavana aho (jereo ny Môrônia 10:4–5). Nazava ny valin’ny fanontaniako, ka andro maromaro taty aoriana, tamin’ny 1 mey 1983 raha ny tena marina, dia natao batisa aho ary noraisina ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Rehefa mieritreritra momba ny fifanesen’ireo trangan-javatra niseho ireo aho ankehitriny dia hitako mazava ny maha-manan-danja ny risi-pon’ilay mpiara-mianatra tamiko rehefa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny izy ary nanolotra ahy porofo azo tsapain-tanana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ny Bokin’i Môrmôna. Izany asa tsotra kanefa manana lanjany lalina ho ahy izany dia namorona fifandraisana teo amiko sy ireo misiônera rehefa nihaona tamin’izy ireo aho.

Nampahafantarina ahy ny fahamarinana, ka lasa mpianatr’i Jesoa Kristy aho taorian’ny batisako. Nandritra ny taona maro taorian’izany, sy niaraka tamin’ny fanampian’ny olona tena miavaka toy ny mpitarika, mpampianatra, sy namana, ary koa tamin’ny alalan’ny fandalinako manokana, dia nianatra aho fa rehefa nisafidy ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy aho dia nanaiky hanao ny asa tsy hiaro ny fahamarinana fotsiny ihany fa hitory izany koa.

Rehefa manaiky ny hino ny fahamarinana sy hanaraka izany isika, ary rehefa manao ezaka ho tonga tena mpianatr’i Jesoa Kristy, dia tsy hoe mahazo mari-pankasitrahana miaraka amin’ny antoka fa tsy hanao fahadisoana, na tsy ho alaim-panahy hiala amin’ny fahamarinana, na tsy hisy hanakiana, na koa aza hoe tsy hiaina fahoriana isika. Mampianatra anefa ny fahalalana ny fahamarinana fa rehefa miditra eo amin’ny lalana ety sy tery izay hitondra antsika hiverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra isika, dia hisy hatrany ny lalana hitsoahana ireny olana ireny (jereo ny 1 Korintiana 10:13); hisy hatrany ny fiahiahiantsika ireo ahiahintsika mialoha ny hiahiahiantsika ny finoantsika (jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” Liahona, nôv. 2013, 21); ary farany dia manana antoka isika fa tsy ho irery na oviana na oviana rehefa mandalo fahoriana satria Andriamanitra mamangy ny olona ao amin’ny fahoriany (jereo ny Môzià 24:14).

Rehefa mahafantatra ny fahamarinana isika dia omen’ny Tompo fahafahana hanao izay ho nataony raha toa ka teto Izy ankehitriny. Tena nasehony antsika tamin’ny alalan’ireo fampianarany tokoa ny zavatra tsy maintsy ataontsika: “Ary handeha tsiroaroa amin’ny anarako ianareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, hitory ny filazantsarako, hanandratra ny feonareo toy ny amin’ny fanenon’ny trompetra, hanambara ny teniko toy ny anjelin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:6). Miavaka ilay fahafahana hitory ny filazantsara mandritra ny fahatanorantsika!

Ry zatovolahy, aoka ianareo tsy hanemotra ny fiomananareo ho misiônera hanompo ny Tompo. Rehefa miatrika toe-javatra izay mety hahatonga ny fanapahan-kevitra hanao asa fitoriana ho sarotra ianareo, toy ny fampiatoana elaela ny fianaranareo, fanaovana veloma ny olon-tianareo kanefa tsy misy antoka fa mbola hifankafantatra bebe kokoa aminy indray ianareo, na koa aza ny fialana amin’ny asa iray, dia tsarovy ny ohatry ny Mpamonjy. Nandritra ny fanompoany dia niatrika fahasarotana toy izany koa izy, isan’izany ny fitsikerana sy ny fanenjehana ary tamin’ny farany, ilay kapoaka mangidin’ny sorona fanavotana nataony. Kanefa tamin’ny toe-javatra rehetra dia nikatsaka ny hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy sy hanome voninahitra Azy Izy. (Jereo ny Jaona 5:30; 6:38–39; 3 Nefia 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19.)

Ry zatovovavy, tena raisina am-pifaliana ianareo, raha manam-paniriana, ny hanao ny asa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo, ary rehefa manoman-tena ny hanompo ho misiônera amin’ny fotoana feno ianareo dia tsy ho afa-bela amin’ireo olana ireo koa.

Ho an’ireo rehetra izay manapa-kevitra ny hanompo Azy, dia mampanantena anareo aho fa ny 24 na 18 volana hanompoana dia handalo ao amin’ny sahan’ny misiôna toy ny handalovany raha toa ka nijanona tany an-trano ianareo, saingy ireo lalana misokatra izay miandry ireo zatovolahy sy zatovovavy mendrika ato amin’ity Fiangonana ity any amin’ny sahan’ny misiôna dia tsy manam-paharoa. Tsy azo tsinontsinoavina ny tombontsoa manokana hisolo tena ny Mpamonjy Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Traikefa tsy hay faritana ny fandraisana anjara amin’ny vavaka tsy tambo isaina, ny fikolokoloana sy ny fizarana imbetsaka ao anatin’ny iray andro ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ny fandalinana ny soratra masina mandritra ny ora maro, ary ny fihaonana amin’ny olona tsy ho hitanareo mihitsy raha nijanona tany an-trano ianareo. Zavatra iainana mitovy lanja amin’izany no miandry ireo zatovo antsoin’ny Tompo mba hanompo ho misiônera manao fanompoana. Raisina am-pifaliana ianareo ary tena ilaina. Aza ambaniana ny lanjan’ny asa ho an’ny misiônera manao fanompoana, satria ireo asa ho an’ny misiônera manao fanompoana dia mitondra traikefa tsy hay fariparitana ihany koa. “Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10), isan’izany ny hasarobidinao.

Rehefa miverina avy manompo ianareo, dia mety tsy miandry anareo intsony angamba ny sakaizanareo, kanefa efa ho nianatra tsara ny fomba fifandraisana aman’olona am-pahombiazana ianareo. Hazava kokoa ny fianarana ataonareo miaraka amin’ny topimaso nanananareo momba ny fiomanana araka ny tokony ho izy amin’ny toeram-piasana. Ary farany, hanana fahatokisana feno ny amin’ny nitoriana tamin’ny risi-po ny filazantsaran’ny fiadanana ianareo, hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny.

Ho anareo izay efa manambady sy amin’ny dingana samihafa eo amin’ny fiainanareo, dia tena ilaina ianareo ao amin’ny asan’ny Tompo. Omano ny tenanareo. Manàna fomba fiaina mahasoa, mikatsaka fizakan-tena ara-batana sy ara-panahy, satria tsy voafetran’ny salan-taona tokana ireo lalana misokatra hanaovana izay zavatra ho nataon’ny Tompo tamin’ireo zanany. Ireo zavatra niainana mahafinaritra indrindra niainanay mivady tato anatin’ny taona vitsy lasa dia tonga rehefa niara-nanompo tamina mpivady miavaka, nanompo tany amin’ny toerana miavaka, ary nanompo olona tena miavaka izahay.

Nampianatra ahy ilay zavatra niainako tany amin’ny fiafaran’ny fianarako soridrefitany fa miaro hatrany ny fahamarinana isika rehefa mitory izany ary zavatra ilàna fahavitrihana ny fiarovana ny fahamarinana. Tsy tokony hatao amin’ny fomba feno fifandirana ny fiarovana ny fahamarinana fa atao kosa miaraka amin’ny faniriana marina ny hitia, hizara, ary hanasa ny olona hijoroantsika ho vavolombelona momba ny fahamarinana, sady tsy mieritreritra afa-tsy izay mahasoa ara-batana sy ara-panahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana (jereo ny Môzià 2:41

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2021 fa tsy araka ny fiahiahian’ny olona sasany, fa tena misy izany hoe marina sy diso izany. Tena misy tokoa ny fahamarinana tanteraka, dia ny fahamarinana mandrakizay izany. (Jereo ny “Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6.)

Mampianatra antsika ny soratra masina fa “ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24.)

Ny fahalalana ny fahamarinana dia tsy mahatonga antsika ho tsara kokoa noho ny olona hafa, fa mampianatra antsika kosa ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra.

Eo am-pandrosoanareo tsy am-pihambahambana ao amin’i Kristy omban’ny risi-po tsy hitory ny fahamarinana fotsiny ihany fa hiaina ny fahamarinana mihitsy, dia hahita fampiononana sy fiadanana ianareo mandritra ireo fisafotofotoana hiainanareo amin’izao andro izao.

Mety hahaketraka antsika ireo olana eo amin’ny fiainana, kanefa fantaro fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, “ny fahorian[tsika] sy ny fijalian[tsika] dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7) raha jerena ao anatin’ny halehiben’ny mandrakizay. Aza mamorona fe-potoana hifaranan’ny fahasarotana sy ireo olana lalovanao. Matokia ny Ray any An-danitra ary aza milavo lefona, satria raha milavo lefona isika dia tsy hahafantatra na oviana na oviana izay mety ho fiafaran’ny diantsika any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Mifikira amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny fianarana avy amin’ireo loharanom-pahamarinana:

Zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy ary ity no Fiangonany. Manana mpaminany velona isika, ary hahatsapa ho olon’afaka mandrakariva rehefa mitory ny fahamarinana amin’ny risi-po. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.