Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nahantona teo amin’ny hazofijaliana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Nahantona teo amin’ny hazofijaliana

Mba ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mitondra enta-mavesatra ny olona indraindray ary mizotra mankany amin’ny zavatra itakina fahafoizan-tena sy ny fijaliana tsy hay sakanana.

Taona maro lasa izay, taorian’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny tantaran’ny fivavahana Amerikana tany amin’ny oniversite, dia nanontany ahy ny mpiara-mianatra iray hoe: “Fa maninona ny Olomasin’ny Andro Farany no tsy mampiasa ny hazofijaliana izay ampiasain’ny Kristiana hafa mba ho mari-pamantarana ny finoan’izy ireo?”

Koa satria ny fanontaniana momba ny hazofijaliana tahaka izany matetika dia fanontaniana mikasika ny fanoloran-tenantsika amin’i Kristy, dia nilaza taminy avy hatrany aho fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ho ny porofo fototra, ny fototra manan-danja indrindra, ny fotopampianarana lehibe indrindra, ary ny fanehoana faratampony ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho famonjena ireo zanany.1 Nazavaiko fa ny fahasoavana mahavonjy izay raiki-tapisaka ao amin’ny sorompanavotana dia nilaina sy natolotra ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona rehetra nanomboka tamin’i Adama sy i Eva ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao.2 Nindramiko ny tenin’ny Mpaminany Joseph Smith, izay niteny hoe: “Ny zavatra … rehetra izay mifandray amin’ny fivavahantsika dia singan-javatra mifandray fotsiny ihany” amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.3

Dia novakiko taminy ny zavatra nosoratan’i Nefia 600 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa: “Dia niteny tamiko … ilay anjely, nanao hoe: Jereo! Ary nijery aho ka nahita ny Zanakondrin’ Andriamanitra … [Izay] nahantona teo amin’ny hazofijaliana … sy novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.”4

Noho ny hafanam-po lehibe nananako mba entina “mitia, mizara, ary manasa”, dia nanohy namaky aho! Hoy ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ireo Nefita tao Amerika Fahiny hoe: “Naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana … , mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, … ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy.”5

Iny aho handeha hilaza ny tenin’ny Apôstôly Paoly iny indrindra no tsikaritro fa nanomboka tsy nifantoka intsony ka nijery tany an-kafa ilay namako. Ny fijereny kimaimaika ny famantaranandrony dia toa nampahatsiahy azy fa tokony handeha any an-toeran-kafa, any rehetra any izy, ka dia nirifatra nankany amin’ilay fotoana noforoniny izy. Toy izay no nifaranan’ny resakay.

Amin’ity maraina ity, 50 taona eo ho eo aty aoriana, dia tapa-kevitra aho ny hamarana ilay fanazavana, na dia manomboka mijery ny famantaranandronareo aza ny tsirairay avy aminareo. Eto am-piezahako manazava ny antony tsy hampiasantsika amin’ny ankapobeny ny hazofijaliana ho mari-pamantarana ny finoana, dia tiako ny haneho mazava tsara ny fanajantsika sy ny fankasitrahantsika lalina ny antony mandrisika feno finoana sy ny fiainana feno fanoloran-tena ananan’ireo izay mampiasa izany.

Ny antony iray tsy hanantitranterantsika ny hazofijaliana ho zavatra atao mari-pamantarana dia misandrahaka avy amin’ny faka iorenantsika avy amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Satria ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana no endriky ny famonoana olona faran’izay nampahory indrindra tamin’ny fanjakana nentin’ny amperora Rômana, dia mpanara-dia an’i Jesoa maro no nisafidy ny tsy hampisongadina izany fitaovana fampijaliana feno herisetra izany. Azo antoka fa ny hevitra fonosin’ny fahafatesan’i Kristy no ampahan-javatra manan-danja indrindra amin’ny finoan’izy ireo, saingy nandritra ny 300 taona teo ho eo dia nikatsaka ny hampita ny maha-izy azy ny filazantsara tamin’ny fomba hafa izy ireo.6

Tamin’ny taonjato fahefatra sy fahadimy dia nampidirina mba ho tandindon’ny maha-Kristianina amin’ny ankapobeny ny hazofijaliana, kanefa tsy “maha-Kristianina amin’ny ankapobeny” ny antsika. Isika dia sady tsy Katôlika no tsy Protestanta, fa fiangonana naverina tamin’ny laoniny kosa, dia ilay Fiangonana tao amin’ny Testamenta Vaovao naverina tamin’ny laoniny. Noho izany, ny niaviantsika sy ny fahefana ananantsika dia efa hatry ny talohan’ny fotoan’ireo filankevitra, fanekem-pinoana itambaran’ny Kristiana, ary ny fametrahana ny tandindon’ny maha-Kristianina.7 Araka izay heviny izay, ny tsy fisian’ny tandindona izay taty aoriana vao lasa nampiasain’ny rehetra dia mbola porofo hafa iray fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia famerenana amin’ny laoniny ny tena fiandohan’ny Kristianina.

Antony iray hafa tsy ampiasana ny hazofijaliana ho tandindona ny fanantitranterantsika ny maha-fahagagana feno ny asa nanirahana an’i Kristy, ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra sy ny nanaovany sorona hijaly sy ho faty. Ho fanantitranterana izany zavatra roa mifandray izany, dia te hiresaka sary hosodoko miisa roa aho8 izay mihantona eo amin’ny rindrina ho fampahatsiahivana ho an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mandritra ny fivoriana masina isan-kerinandro izao ataon’izy ireo ao amin’ny tempoly isaky ny Alakamisy ao Salt Lake City. Ireo sary hosodoko ireo dia ampiasaina mba hampahatsiahy anay tsy tapaka ny sarany nefainy sy ny fandresena azony, ary izahay dia mpanompony.

Sary
The Crucifixon (Ny Fanomboana), nataon’i Harry Anderson
Sary
The Resurrection (Ny Fitsanganana amin’ny maty), nataon’i Harry Anderson

Fanehoana iray ampahibemaso kokoa ny fandresen’i Kristy amin’ny lafin-javatra roa ny fampiasantsika ity sary kely namboarin’i Thorvaldsen ity izay maneho an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, mivoaka amim-boninahitra avy ao am-pasana miaraka amin’ireo fery avy amin’ny Fanomboana Azy izay mbola tazana.9

Sary
Sary famantarana ny Fiangonana

Farany, tsaroantsika tsara fa nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley indray mandeha hoe, “Ny fiainan’ireo vahoakantsika no tsy maintsy [tokony ho] … tandindon’ny [finoan]tsika.”10 Ireo hevitra ireo, indrindra fa ilay farany no mampitodika ahy amin’izay mety ho manan-danja indrindra amin’ny andinin-tsoratra masina rehetra momba ny hazofijaliana. Tsy misy ifandraisany amin’ny vakana na firavaka izany, na amin’ny tilikambo na marika famantarana eny amin’ny lalana. Izany kosa dia misy ifandraisany amin’ny fahitsiana mafy toy ny vatolampy sy ny fananana hazon-damosina matanjaka hanao ny marina izay tokony hoentin’ny Kristianina amin’ny antso izay nomen’i Jesoa ny mpianany tsirairay. Hoy Izy amintsika rehetra any amin’ny firenena rehetra sy ny sokajin-taona rehetra hoe: “Raha misy [lehilahy na vehivavy] ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.”11

Izany dia miresaka mikasika ireo enta-mavesatra zakaintsika fa tsy hazofijaliana ara-bakiteny entintsika amin’ny tanana. Mba ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mitondra enta-mavesatra ny olona indraindray, ny anao manokana na ny an’ny hafa, ary mizotra mankany amin’ny zavatra itakina fahafoizan-tena sy ny fijaliana tsy hay sakanana. Ny tena Kristianina dia tsy afaka misafidy ny hanara-dia an’i Kristy amin’ireo zavatra izay eken’ny sain’izy ireo fotsiny ihany. Tsia. Manaraka Azy n’aiza n’aiza isika, tafiditra ao anatin’izany, raha ilaina, ny fanarahana Azy ao anatin’ireo toe-javatra izay mampitomany sy feno olana, izay mety hahatsapantsika tena ho miady irery indraindray.

Mahafantatra olona aho, izay mpikambana sy tsy mpikamban’ny Fiangonana, izay manaraka an’i Kristy amim-pahatokiana toy izany. Mahafantatra ankizy manana fahasembanana lehibe ara-batana aho, ary fantatro ny ray aman-dreny mikarakara azy ireo. Hitako izy rehetra ireo miasa indraindray mandra-paha vizana azy ireo tanteraka, mikatsaka tanjaka, fiarovana, ary fotoana kely hahatsapana fifaliana izay tsy ho azo amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Mahafantatra olon-dehibe tokan-tena maro aho izay maniry mafy sy mendrika ny hanana namana be fitiavana, fanambadiana mahafinaritra, ary tokantrano izay feno zanak’izy ireo manokana. Tsy misy faniriana tsara mihoatra izany, saingy tsy mbola tonga foana izany anjara tsara nirina izany taorian’ny taona maro nifanesy. Fantatro ireo izay miady amin’ny tsy fahasalamana ara-tsaina isan-karazany, izay mitalaho fanampiana rehefa mivavaka izy ireo sy maniry mafy ary miangavy ny tany nampanantenaina dia ny filaminana ara-pihetseham-po. Fantatro ireo izay miaina ao anatin’ny fahantrana mahakivy, kanefa mba hanoherany ny famoizam-po, dia tsy mangataka afa-tsy ny hanana fahafahana ny hanolotra fiainana tsaratsara kokoa ho an’ireo olona akaikin’ny fony sy ireo olona hafa sahirana manodidina azy ireo. Mahafantatra olona maro aho izay miady amin’ny fitsapana tena sarotra mahakasika ny maha-izy ny tena, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ary ny filàna ara-nofo. Mitomany ho azy ireo aho, ary mitomany miaraka amin’izy ireo, satria fantatro ny halehiben’ny voka-dratsy hateraky ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo.

Sombiny amin’ireo toe-javatra sarotra mety hatrehantsika eo amin’ny fiainana fotsiny ireo, izay mampahatsiahy amin’ny fomba goavana fa misy sarany efaina ny maha-mpianatra marina. Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Araona, izay nikasa ny hanome omby sy hazo maimaim-poana ho an’i Davida hanaovany fanatitra hodorana: “Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra … ho an’i Jehovah Andriamanitro amin’izay azoko fotsiny aho.”12 Torak’izany koa no lazaintsika rehetra.

Rehefa mitondra ny hazo fijaliantsika isika ary manaraka Azy, dia hampalahelo tokoa raha toa ny vesatry ny olantsika ka tsy mahatonga antsika ho be fangorahana sy hanana fo antra kokoa ny enta-mavesatra entin’ny hafa. Isan’ireo fifanoheran-javatra lehibe indrindra amin’ny Fanomboana ny hoe natsotra hivelatra be ary avy eo dia nofantsihina teo ireo tanan’ny Mpamonjy, izay naneho tsy nahy kanefa tena marina fa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra ao anatin’ny fianakaviamben’ny olombelona dia tsy vitan’ny hoe noraisiny tsara fotsiny, fa nasainy ihany koa ho ao amin’ny famihinany manavotra sy manandratra.13

Koa satria ny Fitsanganana tamin’ny maty be voninahitra no nandimby ilay Fanomboana nampijaly fatratra, dia harotsaka ihany koa ireo fitahiana ho an’ireo izay manana fahavononana, araka ny nolazain’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny “hino an’i Kristy … ary hibanjina ny fahafatesany sy hiaritra ny hazo fijaliany.” Indraindray ireo fitahiana ireo dia vetivety dia tonga, ary indraindray tonga aty aoriana, kanefa ilay fiafarana mahafinaritra aorian’ny via dolorosa (lalan-tsarotra lalovantsika manokana)14 no fampanantenana avy amin’ny Mpampianatra Izy tenany fa tena tonga sy ho tonga ireo fitahiana. Mba hahazoana fitahiana lehibe toy izany, dia enga anie isika mba hanara-dia Azy, amim-pahatokiana tanteraka, tsy hisalasala na handositra velively, tsy hisalasala amin’ny asa asaina atao, tsy hisalasala rehefa mety havesatra ny hazo fijaliantsika ary tsy hisalasala raha sendra ka mihamaizina ny lalana alehantsika. Manolotra ny fisaorako lalina aho noho ny herinareo sy ny fahamarinan-toetranareo ary ny fitiavanareo. Mijoro ho vavolombelona amin’ny maha-apôstôly aho androany ho Azy izay “nasandratra”15 sy amin’ireo fitahiana izay arotsany amin’ireo izay “misandratra” miaraka Aminy dia ny Tompo Jesoa Kristy, amena

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jeffrey R. Holland, Encyclopedia of Mormonism (1992), “Atonement of Jesus Christ,” 1:83.

  2. I Amioleka dia miresaka mikasika ny Sorompanavotan’i Kristy ho ny “sorona lehibe sady farany” izay “tsisy fetra sady mandrakizay” ny heriny (Almà 34:10). Fa “lavo sady very ny rehetra, ary tsy maintsy ho faty raha tsy noho ny sorompanavotana” (Almà 34:9; jereo koa ny andininy 8–12). Manampy izany ny Filoha John Taylor hoe: “Tamin’ny fomba tsy takatry ny saintsika sy tsy haintsika hazavaina, [i Jesoa] dia nitondra ny vesatry ny fahotan’izao tontolo rehetra izao. Tsy ny an’i Adama ihany, fa ny an’ny taranany koa, ary rehefa nanao izany Izy dia nanokatra ny fanjakan’ny lanitra, tsy ho an’ny mpino rehetra sy ireo rehetra izay nankatò ny lalàn’ Andriamanitra fotsiny ihany, fa ho an’ny antsasa-manila maherin’ny fianakaviamben’ny olombelona izay maty alohan’ny hahatratraran’izy ireo ny taona maha-tompon’andraikitra azy ireo, ary koa [ho an’ireo] izay, maty tsy nisy lalàna, ary amin’ny alalan’ny fanalalanany dia hitsangana amin’ny maty tsy misy lalàna, ary hotsaraina tsy misy lalàna, ka noho izany dia handray anjara … amin’ireo fitahiana avy amin’ny sorompanavotany” (An Examination into and an Elucidation of the Great Principle of the Mediation and Atonement of Our Lord and Savior Jesus Christ1892], 148–49; Teachings of Presidents of the Church: John Taylor [2001], 52–53).

  3. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 49.

  4. 1 Nefia 11:32–33.

  5. 3 Nefia 27:14–15.

  6. Marina tokoa fa ahitana firesahana momba ny hazofijaliana ao amin’ny fampianaran’i Paoly (jereo ohatra ny 1 Korintiana 1:17–18; Galatiana 6:14; Filipiana 3:18), kanefa miresaka zavatra lehibe kokoa noho ny hazo roa nofantsihana hitambatra izany, na izay mety ho fanehoana an’ohatra kelikely kokoa an’izany. Noho izany, rehefa miresaka mikasika ny hazofijaliana i Paoly dia mampiasa teny fohy ilazana fotopampianarana mba hiresahana ny halehiben’ny Sorompanavotana, izay sehatra iray ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany manatevin-daharana azy sy mampiasa ny teniny.

  7. Ireo olo-malaza Kristiana tany aloha sy nentim-paharazana toa an’i Andreas Karlstadt (1486–1541) mpiara-miasa amin’i Martin Luther dia niady hevitra tany amin’ny fiafaran’ny Moyen-âge fa “ny lakroà [mandeha irery] dia tsy maneho afa-tsy ny fijalian’i Kristy tamin’ny naha-olombelona Azy fotsiny ihany ary tsy maneho mihitsy ny fitsanganany tamin’ny maty sy ny heriny manavotra” (ao amin’ny John Hilton III, Considering the Cross: How Calvary Connects Us with Christ [2021], 17).

  8. Harry Anderson, The Crucifixion (Ny Fanomboana); Harry Anderson, Mary and the Resurrected Lord (Maria sy ny Tompo Nitsangana tamin’ny maty).

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Manokatra ny lanitra mba hahazoana fanampiana,” Liahona, mey 2020, 72–74.

  10. Gordon B. Hinckley, “The Symbol of the Church,” Ensign, May 1975, 92.

  11. Matio 16:24

  12. 2 Samoela 24:24.

  13. “Ary hitantsika fa ny sandriny dia mitolotra ho an’ny olona rehetra izay te hibebaka sy hino ny anarany” (Almà 19:36; jereo koa ny 2 Nefia 26:33; Almà 5:33).

  14. Ny Via dolorosa dia andian-teny Latina midika hoe “lalana na andian-javatra iainana tena sarotra” (Merriam-Webster.com Dictionary, “via dolorosa”). Matetika indrindra izany no ampifandraisina amin’ny zavatra nataon’i Jesoa nanomboka teo amin’ny fanamelohana Azy teo am-pelatanan’i Pilato ka hatramin’ny Fanomboana Azy tao Kalvary.

  15. Jereo ny 3 Nefia 27:14–15.