Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Lovam-pankaherezana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Lovam-pankaherezana

Mamporisika anareo aho mba hanohy hiezaka ny ho mendrika ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho miara-mivory aminareo amin’ity fihaonambe maneran-tanin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Tsapanay ny finoanareo sy ny fitiavanareo na aiza na aiza misy anareo. Nahazo hery isika tamin’ny alalan’ireo fampianarana nentanim-panahy, sy ireo fijoroana ho vavolombelona nanohina fo, ary ny hira kanto.

Mamporisika anareo aho mba hanohy hiezaka ny ho mendrika ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Na aiza na aiza misy anareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia hiatrika ady atao amin’ny fitsapana ara-batana eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fanoheran’i Satana ianareo.

Araka izay nolazain-dreniko tamiko rehefa nitaraina aho fa sarotra be ny zavatra iray hoe: “Hal a! Marina tokoa fa sarotra ilay izy. Natao ho sarotra ilay izy. Fisedrana ny fiainana.”

Afaka nilaza izany tamim-pahatoniana izy, ary tamim-pitsikiana koa aza, satria nahafantatra zavatra roa izy. Na inona na inona ilay ady atao, dia ny ho tafaverina any an-danitra hiara-hiaina amin’ny Rainy any An-danitra no manan-danja indrindra. Ary fantany fa afaka mahavita izany amin’ny alalan’ny finoana ilay Mpamonjiny izy.

Tsapany fa akaiky azy Izy. Nandritra ireo andro nahafantarany fa efa ho faty izy, dia niresaka tamiko momba ny Mpamonjy izy raha natory tao amin’ny efitra fatoriany. Nisy varavarana iray mankany amina efitra iray hafa teo akaikin’ny fandriany. Nitsiky izy dia nijery ilay varavarana rehefa niresaka tamim-pitoniana fa vetivety sisa dia hahita Azy. Mbola tsaroako aho nijery ilay varavarana sady naka sary an-tsaina ilay efitrano tao ambadik’izany ho toy ny toerana hodian-dreniko.

Any amin’ny tontolon’ny fanahy izy izao. Nahavita nifantoka tamin’ilay valisoa izay niriany izy na dia teo aza ireo fitsapana ara-batana sy nolalovan’ny tena manokana nandritra ny taona maro.

Ny lovam-pankaherezana navelany ho anay dia voafaritra amin’ny fomba tsara indrindra ao amin’ny Môrônia 7, izay nankaherezan’i Môrmôna an’i Môrônia zanany sy ny vahoakany. Lovam-pankaherezana ho an’ny taranaka sahala amin’ny lova navelan-dreniko ho an’ny fianakaviany izany. Nampitain’i Môrmôna tamin’ireo rehetra izay manana fahavononana ny ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ireo fisedrana rehetra lalovana mandritra ny fiainany an-tany izany lovam-pankaherezana izany.

Ao amin’ireo andininy voalohany ao amin’ny Môrônia 7 i Môrmôna dia manomboka amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, sy ireo anjely, ary ny Fanahin’i Kristy, izay mamela antsika hanavaka ny tsara amin’ny ratsy ka noho izany dia afaka misafidy ny marina.

Ataony lohalaharana i Jesoa Kristy, tahaka ny ataon’ireo rehetra izay nahomby tamin’ny fanomezana fankaherezana ireo izay miady mafy miakatra ny lalana miverina mankany amin’ny fonenany any an-danitra:

“Fa tsy misy olona azo vonjena, araka ny tenin’i Kristy, raha tsy manam-pinoana ny anarany izy; noho izany, raha efa nitsahatra ireny zavatra ireny, dia efa nitsahatra koa ny finoana; ary mahatsiravina ny toetry ny olona, fa izy dia toy ny tsy nisy fanavotana natao.

“Nefa indro, ry rahalahiko malala, tsaraiko ho tsaratsara kokoa noho izany ianareo, satria tsaraiko fa manam-pinoana an’i Kristy ianareo noho ny fietrenareo; fa raha tsy manam-pinoana Azy ianareo, dia tsy mendrika ianareo amin’izany ny voaisa ho eo anivon’ny vahoakan’ny fiangonany.”1

Hitan’i Mormôna fa ny halemem-panahy no porofon’ny tanjaky ny finoan’izy ireo. Hitany fa nahatsapa ho niankina tamin’ny Mpamonjy izy ireo. Nankahery azy ireo tamin’ny alalan’ny fampifantohana tamin’izany finoana izany izy. Nanohy nanome fankaherezana azy ireo i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra fa ny finoana sy ny fahalemem-panahin’izy ireo dia hanorina ny fatokian-tenan’izy ireo sy ny fatokiany ny hahita fahombiazana amin’ny tolona ataony:

“Ary koa, ry rahalahiko malala, mba te hiresaka aminareo ny momba ny fanantenana aho. Ahoana no ahatongavanareo amin’ny finoana, raha tsy manana fanantenana ianareo?

“Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana.

“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana.

“Ary koa, indro lazaiko aminareo fa tsy afaka ny hanana finoana sy fanantenana izy raha tsy malemy fanahy sy mietry am-po.”2

Avy eo i Môrmôna dia nankahery azy ireo tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa izy ireo dia mivoatra mankany amin’ny fandraisan’izy ireo ny fanomezana dia ny fon’izy ireo izay heniky ny fitiavana madion’i Kristy. Nohazavainy tamin’izy ireo ny fomba iarahan’ireo singa ao amin’ny filazantsara miasa, dia ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fahalemem-panahy, ny fanetrentena, ny Fanahy Masina, ary ny fanantenana mafy orina fa hahazo ny fiainana mandrakizay. Nampahery azy ireo toy izao izy:

“Fa tsy misy azo ekena eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny malemy fanahy sy ny mietry am-po; ary raha malemy fanahy sy mietry am-po ny olona iray, ary miaiky amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, dia tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana; fa raha tsy manana fiantrana izy dia tsinontsinona; koa tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana.”3

Rehefa nandinika ny lasa aho, dia takatro ankehitriny ny fomba nampatanjahan’io fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana io, ny fitiavana madion’i Kristy, sy nitarihany, nanohanany, ary nanovany ny reniko tao anatin’ny tolona nataony hiverenana any amin’ny fonenany any an-danitra.

“Ary ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.

“Noho izany ry rahalahiko malala, raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio.”4

Feno fankasitrahana aho noho ny fankaherezana avy amin’ny ohatra sy ny fampianaran’i Môrmôna. Notahiana tamin’ny alalan’ny lova navelan-dreniko koa aho. Ireo mpaminany nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’izao ankehitriny izao dia nampahery ahy tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny ohatra.

Noho ny fanajako ireo olona fantatro manokana sy ny fianakavian’izy ireo, dia nisafidy ny tsy hikatsaka ny hanamarina ny antsipirian’ny tolona hatrehan’izy ireo aho na hiresaka am-pahibemaso ny fanomezam-pahasoavana lehibe azon’izy ireo. Ny zavatra hitako anefa dia nankahery ahy sy nanova ahy ho tsaratsara kokoa.

Na dia mety hidikiditra amin’ny fiainany manokana aza aho, dia hanampy tatitra fohy momba ny fankaherezana azoko avy amin’ny vadiko aho. Ataoko amim-pitandremana izany. Olona tsy tia sehoseho izy izay sady tsy mikatsaka no tsy tia mahazo dera.

Efa 60 taona no nivadianay. Noho izany traikefam-panambadiana izany no hahatakarako ankehitriny ny dikan’ireto teny ao amin’ny soratra masina ireto: finoana, fanantenana, fahalemem-panahy, faharetana, tsy mikatsaka ny ho azy, mifaly amin’ny fahamarinana, tsy mihevitra ratsy, ary indrindra fa ny fiantrana.5 Afaka mijoro ho vavolombelona aho, avy amin’izany traikefam-panambadiana izany, fa afaka mampiditra ireo filamatra mahafinaritra ireo ho eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro ny olombelona eo am-pivoaran’izy ireo ao anatin’ireo sedran’ny fiainana.

Mahafantatra olona toy izany ny an-tapitrisany aminareo izay mihaino ahy. Maro aminareo no olona toy izany. Mila ohatry ny fankaherezana sy namana be fitiavana toy izany isika rehetra.

Misolo toerana ny Tompo ianareo rehefa mipetraka eo anilan’olona mba ho rahavavy manompo na rahalahy manompo azy ireo. Eritrereto ny zavatra mety hataony na holazainy. Hanasa azy ireo hanatona Azy Izy. Hankahery azy ireo Izy. Hahatsikaritra sy hidera ny fiantombohan’ny fiovana ilain’izy ireo atao Izy. Ary ho ohatra tonga lafatra mba ho alain’izy ireo tahaka Izy.

Tsy misy olona afaka manao izany tanteraka, kanefa rehefa mihaino ity fihaonambe ity, dia afaka ny ho fantatrao fa eo an-dalam-pivoarana ianao. Mahafantatra amin’ny antsipiriany ireo adinao ny Mpamonjy. Fantany ny fahafahana lehibe anananao mba hitombo finoana sy fanantenana ary fiantrana.

Ny didy sy ny fanekempihavanana atolony anao dia tsy fitsapana hanaraha-maso anao. Izany dia fanomezana manampy anao handray ireo fanomezan’ Andriamanitra rehetra sy hiverina any an-danitra any amin’ny Rainao any An-danitra sy ny Tompo, izay tia anao.

Nanefa ny saran’ny otantsika i Jesoa Kristy. Afaka mandray izany fanomezana ny fiainana mandrakizay izany isika raha hanana finoana Azy ampy hibebahana sy lasa toy ny zaza, madio ary vonona ny handray ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra.

Mivavaka aho mba hanekenao ny fanasany sy hanoloranao izany amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra hafa.

Mivavaka ho an’ireo misiônerantsika manerana izao tontolo izao aho. Enga anie izy ireo mba hotaomim-panahy hankahery ny olona tsirairay mba haniry sy mba hino fa ilay fanasana dia avy amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo mpanompony izay nitondra teo amin’izy ireo ny Anarany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy ary mitarika ny Fiangonany. Vavolombelony aho. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany velon’ Andriamanitra ho an’ny tany manontolo. Fantatro fa marina izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.