Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny herin’ny teny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Ny herin’ny teny

Misy hery ao amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny satria marina tokoa fa ny tenin’izy ireo dia tenin’ny Tompo.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mamaky mikasika ny fanapahan-kevitra manan-danja iray noraisin’ny mpaminany Almà ao amin’ny andinin-tsoratra masina lalaina iray. Alohan’ny hamerenana mijery ireo teny tsy zoviana ireo, dia mba diniho miaraka amiko ny toe-javatra sarotra niainana izay nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.

Nisy andian’olona, izay niantso ny tenany hoe Zôramita, nisaraka tamin’ny Nefita1 ary nifamory teo amin’ny sisin-tany akaikin’ny Lamanita.2 Vao tsy ela ny Nefita no nandresy ny Lamanita tao anatina ady tsy mbola nisy toy izany izay nahafatesana olona an’alinalina,3 ary “[natahorana] fatratra tokoa fandrao hiditra amin’ny fifaneraserana amin’ny Lamanita ny Zôramita, ary izany dia hanjary ho anton’ny fahavoazana lehibe.”4 Ankoatra ireo fanahiana amin’ny hisian’ny ady dia naharay vaovao i Almà fa ny Zôramita, izay “efa notoriana taminy ny tenin’ Andriamanitra,”5 dia nitodika tany amin’ny fanompoan-tsampy ary “namilivily ny lalan’ny Tompo.”6 Navesatra loatra tamin’i Almà izany rehetra izany ary “fototry ny alahelo lehibe.”7

Rehefa hitan’i Almà fa saro-bahana sy feno fanamby ireo toe-javatra niainana ireo, dia nisaintsaina ny zavatra tokony hatao izy. Vakintsika ao anatin’ny fanapahan-keviny ireo teny izay notehirizina mba hanomezana hevitra sy hampianarana antsika rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana izay saro-bahana sy feno fanamby amin’izao androntsika izao isika.8

“Ary ankehitriny, satria nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny hanandraman’izy ireo ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.”9

Tao anatin’ireo vahaolana maro azo nentina, ny finoan’i Almà dia nitarika azy ireo hiantehitra tamin’ny herin’ny teny. Tsy kisendrasendra raha notoriana avy hatrany taorian’izany fanapahan-kevitra izany ny sasany amin’ireo toriteny mafonja indrindra hita n’aiza n’aiza ao amin’ny soratra masina. Vakintsika ao amin’ny toko faha-32 sy 33 amin’ny Almà ny toriteny mafonja nataony momba ny finoana an’ny Tompo Jesoa Kristy, ary hitantsika ao amin’ny toko faha-34 ny fampianarana tena manan-danja nataon’i Amioleka momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ohatra amin’ny herin’ny teny

Marina tokoa fa vakintsika manerana ny soratra masina ny mikasika ireo fitahiana mahagaga narotsaka tamin’ireo izay nisafidy ny hanandrana ny herin’ny tenin’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo.10 Manasa anareo aho hisaintsaina ohatra telo miaraka amiko eo am-pitodiha ny fifantohantsika amin’ny Bokin’i Môrmôna, boky iray izay faritan’ny Filoha Russell M. Nelson ho ny “boky torolalana fiavotana ho antsika amin’izao andro farany izao.”11

Voalohany, raha nampahatsiahy ny vahoakany ny fomba nanafahan’ny Tompo ny razan’izy ireo i Almà dia nampianatra hoe: “Indro Izy dia nanova ny fon’izy ireo; eny, namoha azy ireo tamin’ny torimaso lalina, ary dia nifoha ho an’ Andriamanitra izy ireo. Indro tao afovoan’ny haizina izy ireo; na dia teo aza izany, dia nohazavaina tamin’ny fahazavan’ny teny maharitra mandrakizay ny fanahiny.”12 Mety mahatsapa angamba ianao fa toy ny hoe teo afovoan’ny haizina ny tenanao. Maniry mafy ny hahazo fitarihana ara-panahy ve ny fanahinao? Raha izay no izy, dia miangavy anao aho hanandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.

Faharoa, raha nieritreritra lalina momba ny fanovan’ny Tompo ny fon’ny Lamanita izay hitany maso fony izy misiônera i Amôna dia nilaza hoe: “Indro, an’arivony firifiry tamin’ny rahalahintsika no efa novahana tamin’ny fanaintainan’ny helo; ary izy ireny dia entina hihira ny fitiavana manavotra, ary izany dia noho ny herin’ny teniny izay ao amintsika.13 Ry rahalahy sy anabavy, maro be amintsika no maniry ny hitondrana ny olona tiantsika hihira ny fitiavana manavotra. Amin’ny ezaka rehetra ataontsika dia aoka isika hahatsiaro ny hanandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra, izay ao amintsika.

Fahatelo, vakintsika ao amin’ny bokin’i Helamàna ny hoe: “Eny, hitantsika fa izay rehetra manaiky dia mahazo mihazona ny tenin’ Andriamanitra, izay mailaka sy mahery izay hampisaratsaraka ny hafetsena rehetra sy ny fandrika ary ny famitahan’ny devoly sy hitarika ny olon’i Kristy amin’ny lalana ety sy tery mamakivaky ny tevan’ny fahoriana maharitra mandrakizay … ary hametraka ny fanahiny … eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”14 Mikatsaka ny handravarava ny hafetsena rehetra sy ny fandrika ary ny famitahan’ny devoly izay manjaka ao amin’ireo haifotokevitra amin’izao androntsika izao ve ianao? Maniry ny hampisava ny rahon’ny safotofoton-tsaina ateraky ny hamaroan’ny fampahalalana ve ianao mba hifantohana manokana kokoa amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Manasa anao aho hanandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.

Noho ny maha-olona novana tamin’ny herin’ny teny ahy, dia mijoro ho vavolombelona manokana aho ny amin’ity fahamarinana nampianarin’ny mpaminany malalantsika tamin’ny fomba kanto ity, dia ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ho ahy, ny ahitana miharihary indrindra ny herin’ny Bokin’i Môrmôna dia ao amin’ny fiovana mahery vaika izay mitranga eo amin’ny fiainan’ireo izay mamaky izany -amin-kitsimpo …, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy.- Maro ny olona niova fo mahafoy ny maro amin’ireo zavatra izay nankamamian’izy ireo taloha mba hanarahana ireo fitsipika ao amin’io boky io. … Io no ho fitaovana mahomby indrindra ampiasainao mba hitondrana fanahy ho eo amin’i Jesoa Kristy.”15

Ny loharanon’ny hery

Hitantsika ato anatin’ireto sy ao amin’ireo ohatra hafa ny herin’ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ireo zanany. Mety hanontany isika hoe inona no loharanon’izany hery izany?

Eo am-pieritreretantsika io fanontaniana io dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny andian-teny hoe “ny teny,” araka ny hampiasana izany ao amin’ny soratra masina, dia manana heviny roa farafahakeliny. Vao haingana ny Loholona David A. Bednar no nampianatra fa “iray amin’ireo anaran’i Jesoa Kristy ny hoe -Ny Teny,-”.ary “ireo fampianaran’ny Mpamonjy, araka izay voarakitra ao amin’ny soratra masina, dia -ny teny- ihany koa.”16

Nasehon’ny mpaminany Nefia ny fifandraisan’ireo hevitra roa ireo rehefa nanoratra izy hoe: “Mihainoa ireto teny ireto sady minoa an’i Kristy; ary raha tsy mino ireto teny ireto ianareo, dia minoa an’i Kristy. Ary raha mino an’i Kristy ianareo, dia hino ireto teny ireto, satria tenin’i Kristy ireo ary Izy no efa nanolotra ireo ho ahy.”17 Ianarantsika noho izany fa misy hery ao amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny satria marina tokoa fa ny tenin’izy ireo dia tenin’ny Tompo.18 Ry namako malala, manan-danja lehibe amin’ny fijanonantsika ho velona ara-panahy ny fanekena io fahamarinana mandrakizay io amin’izao andro farany izao19 rehefa misy, araka ny naminaniana, “mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.”20

Ho fehin’izay dia ny Tompo Jesoa Kristy noherin’ny tenin’ Andriamanitra.21 Rehefa takatsika kokoa izany dia afaka mampifandray amin’ny fomba manan-danja mandrakizay ny anjara asan’ireo mpaminany amin’ny anjara asan’ny Mpanavotra Izy Tenany mihitsy isika. Ny fitiavantsika Azy, ny faniriantsika hanakaiky Azy sy hitoetra ao amin’ny fitiavany,22 dia hamporisika antsika hanandrana ny herin’ny teny eo amin’ny fiainantsika—na ny hery mitosaka avy Aminy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika manokana Azy23 na ny hery mitosaka avy Aminy amin’ny alalan’ny tenin’ireo “fanaka nofinidin’ny Tompo.”24 Ho haintsika ny hanavaka, fa na manampy toy ny ahoana aza ireo loharanom-pahalalana hafa ampiasaintsika amin’ny fandalinantsika momba ny Mpamonjy sy ny tenin’ireo mpaminaniny, dia tsy tokony ho lasa solon’izany mihitsy ireo loharanom-pahalalana ireo. Tokony hisaintsaina lalina sy hianatra matetika,25 avy amin’ny Bokin’i môrmôna mivantana isika.26

Maneho ny fitiavako anareo tsirairay avy aho ry rahalahy sy anabaviko. Amin’izany fitiavana izany no iangaviako anareo hanandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra, indrindra fa amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna, isan’andro manditra ny fiainanareo. Rehefa ataonareo izany dia hiaina ity fampanantenana ara-paminaniana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ianareo: “Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao.”27

Mijoro ho vavolombelona aho fa nomen’ny Raintsika any An-danitra antsika ny teny satria tia antsika tanteraka Izy ary tiany ny tsirairay avy amintsika hiverina hiara-hiaina Aminy mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny “Teny tonga nofo”28 aho, dia i Kristy, ary ny amin’ny heriny hamonjy sy hanavotra antsika. Fantatro fa ny heriny dia mitosaka amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminaniny, na fahiny na ankehitriny.

Mivavaka ao am-poko aho mba hananantsika ny fahendrena sy ny halemem-panahy hifikitra29 amin’ny tenin’ Andriamanitra ary hijanona eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra mankany amin’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay.30 Enga anie isika hiaina ny fiovana mahery vaika izay afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Teny.31 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.