Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka hatao tanteraka ao Aminy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Aoka hatao tanteraka ao Aminy

Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany no hitrangan’ny fahatanterahantsika.

Manana ny hery hamonjena sy hanovana antsika ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Afaka manampy antsika ho lasa tahaka Azy Ireo Izy Ireo.

Taona vitsivitsy lasa izay dia nanomboka nanana olana ara-pahasalamana i Aaron, iray amin’ireo zafikelinay. Lasa reraka lava izy, somary mangana ary tena tsy nanana endrika salama mihitsy. Rehefa nozahana ny fahasalamany dia voamarina fa voa mafin’ny anémie aplasique izy, izay aretina mampitsahatra ny famokaran’ny tsoka ao amin’ny taolany ny sela mena sy ny sela fotsy ary ny plaquettes ao amin’ny rà. Raha tsy tsaboina ary raha tsisy fanafany dia tsy afaka hivaingana araka ny tokony ho izy na hiady amin’ny faharatrana ny ràny, eny fa na dia ny mianjera na maratra na manavy kely ary dia mety hahafaty azy.

Nisy fotoana i Aaron nampidirana plaquettes sy rà matetika mba hisorohana ny loza. Nanazava ny mpitsabo fa ny hany fanafany ho an’ilay aretina dia ny fandidiana famindrana tsoka ao amin’ny taolana, ary ny hahafahana mahita fahombiazana indrindra dia ny hoe mpiray tam-po no hakana ilay taova. Raha toa ka mifanaraka tsara amin’ny taova ilaina ny an’ny mpiray tam-po iray dia afaka hamonjy aina ny vokatr’ilay fandidiana. Natao fizahana ireo zandriny efa-dahy, ka ny anankiray, i Maxwell, no noheverina ho nanana ny taova idealy nilaina.

Na dia misy mpanome taova idealy aza dia mbola sarotra ka mampidi-doza foana ilay famindrana tsoka ao amin’ny taolana. Ny dingana amin’izany dia nitaky ny fanapotehana ny selan’i Aaron ao amin’ny tsoka ao amin’ny taolany marary amin’ny alalan’ny fitambaran’ny fitsaboana ara-simika sy fitarafana mialoha ny handraisana ny sela hovolena avy amin’ny tsoka ao amin’ny taolan’i Maxwell rahalahiny. Ary noho ny maha-farofy ny hery fiarovan’i Aaron, dia nila nihiboka tany amin’ny hôpitaly nandritra ny herinandro vitsivitsy izy ary tany an-tranony nandritra ny volana vitsivitsy miaraka amina toromarika sy famerana ary fanafody manokana.

Ny vokatra nantenaina hisy avy amin’ilay fandidiana famindrana taova dia ny hoe tsy handà ilay sela hovolena ny vatan’i Aaron ary ny selan’i Maxwell dia hamokatra tsikelikely ny sela mena sy fotsy ary plaquettes ao amin’ny rà ilaina ao amin’ny vatan’i Aaron. Ny fandidiana famindrana taova mahomby dia hiteraka fiovana ara-batana tena misy. Tena nahavariana fa nanazava ny dokotera iray hoe raha toa ka nanao heloka bevava i Aaron ka namela rà eo amin’ny toerana nanaovana izany, dia i Maxwell rahalahiny no hosamborin’ny pôlisy. Izany no izy satria ny ràn’i Aaron dia ho avy amin’ny selan’i Maxwell novolena ka manana ny ADN an’i Maxwell, ary izany no ho izy mandritra ny ambin’ny fiainany manontolo.

I Aaron voavonjin’ny ràn’ny rahalahiny dia nampitsiry eritreritra maro tato amiko momba ny ràn’ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy sy ny vokatry ny Sorompanavotany eo amintsika. Anio aho dia te hifantoka amin’ny fiovana maharitra sy mamelona izay mitranga rehefa mamela ny Tompo hanao fahagagana eo amintsika isika.1

Tsy nanana ny hery tao aminy handresena ilay aretina i Aaron. Ny vatany dia tsy afaka nanamboatra ny sela ao amin’ny rà nilaina mba hamelomana ny ainy. Na inona na inona nataony manokana dia tsy afaka nanasitrana ny tsoka ao amin’ny taolany izy. Tahaka ny tsy nahafahan’i Aaron nanasitrana ny tenany, isika dia tsy afaka mamonjy ny tenantsika. Na dia mahay, avara-pianarana, matsilo saina, na matanjaka tahaka ny inona aza isika dia tsy afaka hanadio ny tenantsika amin’ny fahotantsika, hanova ny vatantsika ho amin’ny toetra tsy mety maty, na hanandratra ny tenantsika. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ihany no hahatanteraka izany. “Ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”2 Ny ràn’ny sorona fanavotana nataony no manadio sy manamasina antsika.3

Na dia tsy afaka ny hanasitrana ny tenany aza i Aaron, mba ahafahan’ilay famindrana taova hahomby dia tsy maintsy nanao an-tsitrapo izay nasain’ny mpitsabo nataony izy—na ireo zavatra tena sarotra sy sedra mafy. Na dia tsy afaka mamonjy ny tenantsika aza isika, rehefa mampanoa ny tenantsika amin’ny sitrapon’ny Tompo sy mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia hisokatra ny lalana ho an’ny fanavotana antsika.4 Toy ilay dingana mahavariana nampiova ny ADN tao amin’ny selan’ny ràn’i Aaron, afaka ny hiova ny fontsika5 hanana ny endriny hisoritra eo amin’ny tarehintsika isika,6 ary ho lasa olona vaovao ao amin’i Kristy.7

Nampahatsiahy ny vahoakan’i Zarahemlà ny amin’ireo taranaka teo aloha izay niova fo i Almà Raha niresaka momba an-drainy, i Almà dia nanazava fa “araka ny finoany, dia nisy fiovana mahery vaika nitranga tao am-pony.”8 Dia nanontany izy avy eo hoe, “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”9 Tsy ireo vahoaka no nanova ny fon’izy ireo. Ny Tompo no nanatanteraka ny tena fanovana. Tena nazava be ny voalazan’i Almà momba izany. Hoy izy hoe, “Indro Izy dia nanova ny fon’izy ireo.”10 “Nanetry tena izy ireo ary nametraka ny fitokiany tamin’ilay Andriamanitra marina sady velona … [Ary] nahatoky hatramin’ny farany izy ireo … [ary] novonjena.”11 Vonona ny hanokatra ny fony sy hampihatra finoana ilay vahoaka, ary dia nanova ny fon’izy ireo ny Tompo. Ary dia tena fiovana mahery vaika tokoa izany! Eritrereto ny fiovana teo amin’ny fiainan’ireo lehilahy roa antsoina hoe Almà ireo taloha sy taorian’ny nanovana ny fon’izy ireo.12

Zanak’ Andriamanitra manana hoavy feno voninahitra isika. Afaka ny ovana ary lasa tahaka Azy ka hanana “fahafenoan’ny fifaliana” isika.13 I Satana kosa etsy an-kilany dia maniry ny hijaliantsika tahaka azy.14 Manana ny fahafahana hisafidy izay ho arahintsika isika.15 Rehefa manaraka an’i Satana isika dia manome hery azy.16 Rehefa manaraka an’ Andriamanitra isika dia omeny hery.

Nampianatra ny Mpamonjy fa tokony “ho tanteraka” isika.17 Toa mampivarahontsana izany. Toa hitako sahady ny tsy fahatomombanako sy ny fiaikeko ny halavirana eo amiko sy ny fahatanterahana. Mety ho voasarika isika hieritreritra hoe tsy maintsy manao izay hahatanteraka ny tenantsika isika, saingy tsy izany anefa no izy. Ny fanarahana ny soso-kevitra rehetra hita ao amin’ireny boky mampianatra ny fivoaran’ny tena avy amin’ny ezaka ataon’ny tena rehetra ireny dia tsy hahatonga izany. Lalana tokana ihany sy anarana tokana ihany no hahatongavan’ny fahatanterahana. Isika dia “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany.”18 Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany no hitrangan’ny fahatanterahantsika.

Azonareo sary an-tsaina ve ny vesatra ho tsapan’i Aaron kely zafikelinay raha nieritreritra izy fa izy tenany no tokony mahay sy manatontosa ny dingana ara-pitsaboana rehetra nifandray tamin’ilay fandidiana famindrana taova? Tsy tokony hieritreritra isika fa tsy maintsy manao ny zavatra izay ny Mpamonjy ihany no afaka manao azy ao anatin’izany dingana mahagagan’ny fahatanterahantsika izany.

Teo am-pamaranana ny rakitsorany, dia nampianatra i Môrônia hoe: “Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, … ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy.”19 Tena fahamarinana mankahery sy mahery vaika izany! Ampy ho ahy ny fahasoavany. Ampy ho anao ny fahasoavany. Ampy ho an’ny olon-drehetra izay “miasa fatratra sy mavesatra entana” ny fahasoavany.20

Raha ny mahakasika ny fitsaboana toy ny natao tamin’i Aaron dia tsy azo antoka foana ny mety ho vokany. Raha ny marina dia nila famindrana taova fanindroany i Aaron rehefa nisy tsy fetezana ilay natao voalohany. Soa ihany fa tsy mila miahiahy ny amin’izay zavatra hitranga isika raha ny mahakasika ny fanovana ara-panahy ny fo. Rehefa miaina araka ny sitrapony isika, “[miantehitra] tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy,”21 ka mandray sy mitandrina ireo fanekempihavanany izay mamonjy sy manandratra, dia azo antoka 100 isan-jato ny handiovan’ny ràn’ny Mpamonjy antsika sy ny hahatanteraka antsika ao Aminy amin’ny farany. Izy dia “Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy afaka mandainga.”22

Tsy isalasalana fa mitaky fotoana ny fitrangan’io fanovana io ary tsy ho tanteraka raha tsy aorian’ity fiainana ity, saingy azo antoka anefa ilay fampanantenana. Rehefa toa lavitra loatra ny fahatontosan’ireo fampanantenan’ Andriamanitra, dia mbola manaiky azy ireny ihany isika, mahafantatra fa ho tontosa izy ireny.23

Ny fanovana mahagaga teo amin’ny fahasalaman’i Aaron dia nitondra fifaliana lehibe teo amin’ny fianakavianay. Alaivo sary an-tsaina ny fifaliana lehibe ao an-danitra rehetra mitranga amin’ny fanahintsika ny fanovana lehibe.

Tia antsika sy nanolotra ny hanova antsika sy hahatonga antsika ho tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Maniry izany Izy Ireo. Ivon’ny asa sy voninahitr’ Izy Ireo izany.24 Mijoro ho vavolombelona aho fa manana hery hanaovana izany Izy Ireo rehefa manatona Azy Ireo amim-pinoana isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.