Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022


Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana

Mahità fitsaharana amin’ny hamafin’ny fiainana sy ny fisalasalana ary ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao amin’ny fandresena izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, fifaliana ho ahy ny miarahaba anareo amin’ity marainan’ny sabata be voninahitra ity. Ato an-tsaiko foana ianareo. Talanjona aho amin’ny fomba fihetsikareo isaky ny mahita ny hafa sahirana ianareo. Talanjona aho amin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona asehonareo ombieny ombieny. Mitomany ny alahelonareo sy ny fahadisoam-panantenanareo ary ny ahiahinareo aho. Tiako ianareo. Manome toky anareo aho fa tia anareo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany Malala. Fantatr’izy ireo tsara ny toe-javatra misy anao, ny tsara ao aminao, ny zavatra ilainao, ary ny vavaka ataonao mba hahazoana fanampiana. Mivavaka ombieny ombieny aho mba hahatsapanareo ny fitiavan’ Izy Ireo anareo.

Tena ilaina ny mahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo, satria toa misy vaovao manahiran-tsaina antsika foana mifanehitra amintsika isan’andro. Mety efa nisy fotoana ianareo naniry ny hanao ny akanjomandrinareo ka hiforitra hatory, ary hangataka olona mba hamoha anareo rehefa tapitra ny korontana.

Kanefa, ry rahalahy sy anabavy malalako isany, maro dia maro ny zavatra mahafinaritra mbola hitranga. Amin’ny andro hoavy, dia ho hitantsika ny fisehoan’ny herin’ny Mpamonjy izay lehibe indrindra hitan’izao tontolo izao hatrizay. Eo anelanelan’izao sy ny fotoana hiverenany “amin’ny hery sy ny voninahitra lehibe,”1 dia hanome tombontsoa sy fitahiana ary fahagagana tsy tambo isaina ho an’ny mahatoky Izy.

Na izany aza, miaina ao anatin’ny fotoana izay azoko antoka fa sarotra indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao isika ankehitriny. Ireo fahasarotana sy fanamby dia mahatonga ny olona maro hahatsiaro ho reraka sy ketraka. Na izany aza dia diniho ity zavatra iray izay niainana vao haingana ity ka mety hanazava ny fomba ahafahantsika mahazo fitsaharana.

Nandritra ny varavarana misokatra vao haingana tao amin’ny Tempolin’i Washington D.C. dia nisy mpikambana iray tao amin’ny kômitin’ilay varavarana misokatra nanatri-maso fifampizarana mafonja raha nanaraka mpanao gazety malaza maromaro nanerana ny tempoly izy. Tsy hay loatra hoe nahoana fa nisy fianakaviana manan-janaka tanora tafiaraka tamin’io vondrona mpanao gazety manao fitsidihana io. Nisy mpanao gazety iray tsy nitsahatra nanontany momba ilay “dia” arahan’ny olona iray mampiasa ny tempoly rehefa mifindra efitrano ao anatin’ny tempoly. Te hahafantatra izy raha toa ka tandindon’ireo fanamby eo amin’ny dian’ny olona iray mandritra ny fiainana ny dia ao amin’ny tempoly.

Nisy tovolahy iray tao amin’ilay fianakaviana nandray ilay resaka. Rehefa niditra tao amin’ny efitranon’ny fanafiana masina ilay vondrona mpitsidika dia nanondro ny alitara izay handohalihan’ny olona manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ilay ankizilahy, ary niteny hoe: “Mahafinaritra kosa izy izany. Eto no toerana fitsaharan’ny olona mandritra ny diany ato amin’ny tempoly.”

Tsy mino aho hoe fantatr’ilay ankizilahy ny halalin’ny fandinihany. Azo inoana fa tsy nahafantatra momba ny fifandraisana mivantana eo amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao amin’ny tempoly sy ilay fampanantenana mahatalanjona nataon’ny Mpamonjy izy izay manao hoe:

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”2

Ry rahalahy sy anabavy malala, malahelo an’ireo izay miala amin’ny Fiangonana aho noho ny fahatsapan’izy ireo hoe mitaky zavatra be loatra aminy ny maha-mpikambana azy. Mbola tsy hitan’izy ireo fa ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana raha ny marina dia tena manamora ny fiainana! Ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana ao amin’ny dobo fanaovana batisa sy any amin’ny tempoly—ka mitandrina izany—dia mampitombo ny fahafahana hahazo ny herin’i Jesoa Kristy. Mba saintsaino io fahamarinana mampitolagaga io!

Ny valisoa amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia ny hery avy any an-danitra—hery izay mampatanjaka antsika mba hanohitra tsara kokoa ny fitsapana sy ny fakam-panahy ary ny ratram-pontsika. Manamora ny lalantsika io hery io. Ireo izay miaina ny lalàn’i Jesoa Kristy izay ambony kokoa dia afaka mahazo ny heriny ambony kokoa. Noho izany, ny mpitandrina fanekempihavanana dia manan-jo hahazo karazana fitsaharana manokana izay tonga amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandraisany amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana.

Talohan’ny nanoloran’ny Mpamonjy ny tenany hijaly tao Getsemane sy tao Kalvary, dia nanambara tamin’ireo Apôstôliny Izy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”3 Taty aoriana, dia niangavy antsika tsirairay i Jesoa mba hanao toy izany koa rehefa nilaza hoe: “Tiako ny handresenareo izao tontolo izao.”4

Ry rahalahy sy ranabavy malala, ny hafatro aminareo anio dia ny hoe, satria nandresy ity tontolo lavo ity i Jesoa Kristy, ary satria nanonitra ho antsika tsirairay avy Izy dia afaka mandresy ity tontolo izay feno fahotana sy tia tena ary matetika mandreraka ity koa ianareo.

Satria tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra ny Mpamonjy dia nanavotra antsika tsirairay tamin’ny fahalemena sy ny fahadisoana ary ny fahotana, ary noho Izy niaina ny fanaintainana sy ny fanahiana ary ny enta-mavesatra rehetra izay nanananao hatrizay,5 dia afaka mijoro eo ambonin’ity tontolo ambivitra ankehitriny ity ianao rehefa mibebaka marina sy mitady ny fanampiany.

Afaka mandresy ireo loza mandreraka ara-panahy sy ara-pihetseham-po eto amin’izao tontolo izao ianao, anisan’izany ny fanaovana tsinontsinona ny hafa, ny avonavona, ny fahatezerana, ny fahalotoam-pitondrantena, ny fankahalana, ny fitsiriritana, ny fialonana ary ny tahotra. Na dia eo aza ireo fanelingelenana sy fikorontanana izay mihaodihaody manodidina antsika, dia afaka mahita ny tena fitsaharana ianao—izany hoe fanamaivanana sy fiadanana—na dia ao anatin’ireo olana mampahory anao indrindra aza.

Io fahamarinana manan-danja io dia miteraka fanontaniana lehibe telo:

Voalohany, inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao?

Faharoa, ahoana no hanaovantsika izany?

Ary fahatelo, ahoana no itahian’ny fandresena an’izao tontolo izao ny fiainantsika?

Inona no dikan’ny hoe mandresy izao tontolo izao? Izany dia midika fa mandresy ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny an’ Andriamanitra. Izany dia midika ho fatokisana ny fotopampianaran’i Kristy mihoatra noho ny filôzôfian’olombelona. Izany dia midika hoe faly amin’ny fahamarinana, miampanga ny fitaka, ary lasa “mpanara-dia an’i Kristy sady manetry tena.”6 Izany dia midika hoe misafidy ny tsy hanao izay rehetra mandroaka ny Fanahy. Izany dia midika ho fahavononana ny “hahafoy” na dia ny ota tiantsika indrindra aza.7

Ny fandresena an’izao tontolo izao dia azo antoka fa tsy midika hoe lasa tonga lafatra eto amin’ity fiainana ity, ary tsy midika koa hoe hanjavona amin’ny fomba mahagaga ny olanao—satria tsy hitranga izany. Ary tsy midika izany hoe tsy hanao fahadisoana intsony ianao. Fa ny fandresena izao tontolo izao dia midika fa hitombo ny fanoheranao ny fahotana. Halefaka ny fonao rehefa mitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy.8 Ny fandresena an’izao tontolo izao dia midika hoe mitombo ao anatin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny Zanany Malala mihoatra noho ny fitiavanao olona na zavatra hafa.

Ahoana ary izany no handresentsika izao tontolo izao? Ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra antsika ny fomba hanaovana izany. Nilaza ny Mpanjaka Benjamina fa “ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra” ary hijanona toy izany mandrakizay “raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”9 Isaky ny mikatsaka sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy ianao, ary isaky ny manao zavatra tsara—zavatra izay tsy hataon’ny “olona araka ny nofo” dia mandresy izao tontolo izao ianao.

Ny fandresena an’izao tontolo izao dia tsy fisehoan-javatra mitranga ao anatin’ny iray na roa andro. Mitranga mandritra ny androm-piainana izany rehefa miverimberina mandray ny fotopampianaran’i Kristy isika. Mikolokolo finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay manome hery antsika. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika ary voatahy amin’ny tanjaka ara-panahy, sy fanambarana ho an’ny tena manokana, sy finoana tsy mitsaha-mitombo ary ny fanompoan’ny anjely. Ny fiainana ny fotopampianaran’i Kristy dia afaka mitondra famerimberenan-javatra tena mahery vaika sy mendrika indrindra, ka miteraka fahavitrihana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika.10

Rehefa miezaka miaina ireo lalàna ambony kokoa an’i Jesoa Kristy isika dia manomboka miova ny fontsika sy ny toetrantsika. Ny Mpamonjy dia mankahery antsika ao anatin’ity tontolo lavo ity amin’ny alalan’ny fanomezana antsika bebe kokoa fiantrana, fanetrentena, fahalalahan-tanana, hatsaram-panahy, fifehezan-tena, fiadanana, ary fitsaharana.

Mety hieritreritra ianareo izao fa toa asa ara-panahy mafy kokoa izany fa tsy fitsaharana. Izao anefa ny fahamarinana lehibe: raha toa izao tontolo izao manizingizina fa mitondra fahasambarana ny fahefana, ny fananana, ny fananana laza ary ny fahafinaretan’ny nofo, dia tsy izany anefa no izy! Tsy afaka manao izany ireo. Ny zavatra entin’ireo dia tsy misy afa-tsy ny mifamadika amin’ny “toetry ny fitahiana sy fahasambarana” an’ireo izay “mitandrina ny didin’ Andriamanitra.”14

Ny marina dia hoe mandreraka kokoa ny mitady fahasambarana any amin’izay tsy hahitanao izany na oviana na oviana! Kanefa, rehefa miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ianao sy manaraka Azy ary manao ny asa ara-panahy takina mba handresena an’izao tontolo izao, dia Izy ary Izy irery ihany no manana ny hery hankaherezana antsika eo amin’ity izao tontolo izao ity.

Ahoana no itahian’ny fandresena an’izao tontolo izao ny fiainantsika? Mazava ny valiny: ny fidirana amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana dia mamatotra antsika Aminy amin’ny fomba izay mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa. Aza raisina amin’ny fomba diso ny teniko: Tsy nilaza akory aho hoe ny fanaovana fanekempihavanana dia manamora ny fiainana. Raha ny marina dia hisy ny fanoherana, satria tsy tian’ny fahavalo hahita ny herin’i Jesoa Kristy ianareo. Fa ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra ianareo.

Sary
Ny Filoha Ezra Taft Benson

Hamafisiko indray ny fampianarana lalina nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manao hoe: “Ireo lehilahy sy vehivavy izay mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka manao zavatra bebe kokoa avy amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra izay azon’izy ireo atao. Ho ataony lalim-paka ny fifalian’izy ireo, hitariny ny fomba fijery sy ny fahatakaran’izy ireo, ho ataony mailaka ny fisainan’izy ireo, … hampahereziny ny fanahin’izy ireo, hampitomboany ny fitahiana azon’izy ireo, hampitomboany ny fotoana hahafahan’izy ireo manao zavatra, hampitoniany ny fanahiny, homeny namana, ary handrotsahany fiadanana.12

Ireo tombontsoa tsy manam-paharoa ireo dia manaraka an’ireo izay mikatsaka ny fanohanana avy any an-danitra mba hanampy azy ireo handresy an’ity tontolo ity. Ho amin’izany tanjona izany dia omeko ny mpikamban’ny Fiangonana manontolo ilay andraikitra nomeko an’ireo tanorantsika tamin’ny volana mey lasa teo. Namporisika azy ireo aho tamin’izany—ary miangavy anareo aho izao—mba handray an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Miasà ho an’izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza lotoina amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino izany. “Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo.13

Ny fiangaviako aminareo anio maraina dia ny hahita fitsaharana amin’ny hamafin’ny fiainana sy ny fisalasalana ary ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao amin’ny fandresena izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataonareo tamin’ Andriamanitra. Ampahafantaro Azy amin’ny alalan’ny vavaka ataonao sy ny zavatra ataonao fa tena matotra ianao amin’ny fandresena izao tontolo izao. Angataho Izy hanazava ny sainao ary handefa ny fanampiana ilainao. Raketo isan’andro ireo eritreritra tonga aminao rehefa mivavaka ianao, dia araho tsara izany. Mandania fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly ary katsaho ny hahatakatra ny fomba ampianaran’ny tempoly anao hijoro eo ambonin’ity tontolo lavo ity.14

Araka ny efa nolazaiko taloha, ny fanangonana an’i Isiraely no asa manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Singa iray manan-danja amin’io fanangonana io ny fanomanana olona izay afaka sy vonona ary mendrika ny handray ny Tompo rehefa ho avy indray Izy, olona izay nifidy an’i Jesoa Kristy fa tsy ity tontolo lavo ity, olona izay mifaly amin’ny fahafahany misafidy mba hiaina ireo lalàna ambony sy masina kokoa an’i Jesoa Kristy.

Mangataka mafy anareo aho ry rahalahy sy anabavy malalako mba ho lasa izany olona marina izany ianareo. Ankafizo sy hajao ny fanekempihavanana nataonao mihoatra noho ny fanoloran-tena hafa rehetra. Rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao ianao, dia mampanantena fiadanana bebe kokoa, fahatokiana bebe kokoa, fifaliana bebe kokoa, ary eny, fitsaharana bebe kokoa ho anao aho.

Amin’ny alalan’ny herin’ny maha-apôstôly masina nomena ahy, dia mitsodrano anareo aho amin’ny fikatsahanareo handresy an’ity tontolo ity. Mitsodrano anareo aho mba hampitombo ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy hianatra bebe kokoa ny fomba hisintonana ny heriny. Mitsodrano anareo aho mba hahay hanavaka ny marina sy ny diso. Mitsodrano anareo aho mba hifantoka kokoa amin’ireo zavatr’ Andriamanitra noho ny zavatr’izao tontolo izao. Mitsodrano anareo aho mba hahita ny zavatra ilain’ireo manodidina anareo sy hampatanjaka ireo izay tianareo. Satria nandresy an’ity tontolo ity i Jesoa Kristy dia afaka manao izany ihany koa ianareo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith—Matio 1:36: “Dia hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona, ary amin’izany dia hitomany ny foko rehetra eto an-tany; ary hahita ny Zanak’Olona avy amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe eny amin’ny rahon’ny lanitra izy ireo.”

  2. Matio 11:28–30; nampiana fanamafisana.

  3. Jaona 16:33; nampiana fanamafisana.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:2; nampiana fanamafisana.

  5. Jereo ny Almà 7:11–13.

  6. 2 Nefia 28:14.

  7. Jereo ny tantaran-drain’ny Mpanjaka Lamônia ao amin’ny Almà 22, indrindra ny Almà 22:18.

  8. Jereo ny Môzià 5:7.

  9. Môzià 3:19; nampiana fanamafisana.

  10. Jereo ny 2 Nefia 31; 3 Nefia 27:16–20.

  11. Môzià 2:41.

  12. Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 42–43.

  13. Jereo ny Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  14. Nilaza ny Filoha David O. McKay fa ao amin’ny tempoly isika dia manao “fiakarana tsikelikely mankany amin’ny Fanatrehana Mandrakizay” (ao amin’ny Truman G. Madsen, The Temple: Where Heaven Meets Earth [2008], 11).