Hira
Ireo tantarara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna


62

Ireo tantarara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Amim-pahasahiana

1. Tantarain’ ny Bokin’ i Môrmôna avokoa

ny momba ny Lamanita tamin’ ny taloha.

Avy lavitra iz(y) ireo hoy ny tantara

notahina raha nanao izay tsara.

2. Nisy vahoaka (ha)fa ankoatra ny Lamanita

izay samy te ho afaka sy ho tafita.

Tokony hifankatia izay no azo ambara.

Ho tahiana raha manao izay tsara.

3. Almà dia nikomy, tsy mba natahotra sazy.

Indray andro nisy anjely tonga hananatra azy.

Niova fo i Almà ary nony tato afara,

izy indray no nitaona amin’ny tsara.

4. Aza adino Abinadia ‘zay tsy natahotra.

Noho ny fahamarinana izy dia nafatotra.

Izy tsy nanaiky handà ny Filazantsara.

Novonoina fa nanao izay tsara.

5. I Amôna indray dia nanao asa fitoriana,

tany amin’ny Lamanita feno faharatsiana.

Niaro ny ondrin’i Lamônia sy nikarakara,

ka naneho ohatra tena tsara.

6. Voantso hiady ireo roa arivo lahy.

Nandroso izy ‘reo ary tsy mba niahiahy.

Kristy no efa nametrahany izay ho anjara.

Nofidian’izy ireo izay tsara.

7. Samoela dia mpaminany Lamanita.

Teny ambony rindrina avo be izy no hita.

Nolazainy fa ny fahotana dia voarara.

“Mibebaha, ka manaova izay tsara.”

8. (Miadana sady feno fanajana)

Tao aorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy,

dia tonga Izy hamangy ‘reo zay tsy nania.

Notahiany avokoa ireo dimby sy fara

ka nanjary nisafidy izay tsara.

Tonony sy feony: Elizabeth Fetzer Bates, 1909–1999. © 1969 IRI

Andininy tsy voatery hiraina: Nancy K. Daines Carter, ter. 1935. © 1986, 1989 IRI

Joseph Smith—Tantara 1:34

Ireo Fanekam-pinoana 1:8